Lamina, pirina, rindra, ho an’Antananarivo !


Mibahan-dalana tsy misy ifamoivoizana, na olona na fiara, ireo mpivarotra an-dalambe. Fa mbola mihevitra ho manana ny rariny hatrany ry zareo ka raha mandamina ny Tanàn’Antananarivo dia mifandray tendro hitokona, mifambosimbosy hitora-bato, mitonantonana mitaky hoe «mialà». Fanontaniana : mponina eto Antananarivo avokoa ve ireo mpivarotra imoron-dalana ireo, ka nifidy ny Ben’ny Tanàna ankehitriny, ary manana sila-hasina kely hitaky ny fialan-dRamatoa Lalao Ravalomanana amin’ny toerany   Antananarivo mantsy, efa hatramin’ny andron-dRazanamasy, taona 1995, no niandrandra lamina ! «Lamina», hoy ny «Firaketana ny Zavatra sy Fiteny Malagasy» : «toetry ny zavatra vitsivitsy na maro mipetraka tsara amin’ny toerany avy». Mitovy dika aminy : «pirina, lahatra, rindra». Mifanohitra aminy : «tabataba, korontana, savorivory, fifanaritaka, fanjevo, adiantsanga, hotakotaka». Ireto farany ireto no halan’ny Mponina tena mponina eto Antananarivo. Na inona na inona ho fomba fijery, tsy misy olona adala ka hilaza fa manendrika ny tanàna ny fisian’ny mpivarobarotra eny rehetra eny : ampovoan’ny arabe, ambony «trottoirs», anaty «embouteillages»... Mahafinaritra ve izao zava-misy eo Soarano-Behoririka izao   Anefa dia mihombo hitohy hatrany Tsiazotafo, mihanaka mananika ho any Ambondrona. Korontan-dava, loto sesehena, tabataba tsisy farany. Iny lalana manamorona ny Gara iny taloha, mihazo mankany Ambodin’Isotry, nisy restaurant atao hoe «Le relais normand» : asa izy izay raha mbola velona soa amantsara satria na dia ny mandeha amin’iny lalana faleha fahiny ho any aminy iny aza dia efa tsy fidiny izay hidi-kizo any. Ny eo Analakely moa, eo antokonan’ny Lapan’ny Tanàna mihitsy, gaboraraka nahazo laka an-taona maro loatra ka tsy mahagaga raha sarotra ny manarina azy vetivety. Impiry impiry akory ny mpivarotra ara-dalàna no mitaraina fa voabahana tanteraka ny tranombarotra ! Tsaroana, raha mbola zaza manaraka ny renibeko na ny reniko miantsena, tany amin’ny taona 1975-1980, mbola azo nivezivezena tsara ny «Avenue», sy ny «ambany Arcades», ny manolotra ny «Palais des Nouveautés» sy «Toui Can» lasa «Itokiana» ankehitriny, ary mbola nalalaka tsara ny fidirana tao amin’ny «Sam Fat». Toerana milamindamina tahaka izany ihany koa ny miampitampita «Librairie de Madagascar», «Tout pour l’École» sy «Bibliomad» : aiza intsony no handinganana milamina amin’ireny toerana ireny ankehitriny, fa voatemitra mpivarotra akanjo an-tsobiky, voabahana mpivarotra kilalao amin’ny tany, feno enta-madinika isan-karazany. Mbola teo ny «Zoma» tamin’izany, tsenan’ny anana sy ny voankazo. Saingy nisy lamina, voapetraka, nolovaina tamin’ny Vazaha, ary mbola voahaja hatramin’ny voalohandohan’ny Repoblika sosialista. Fa, hatramin’ny itony hoe «fanjakan’ny madinika, fanjakan’ny madinika» itony dia toa satry ho baranahiny ka samy manao izay saim-patany ! Aiza ka hatramin’ny abri-bus, vao napetraka tsy misy dimy taona lasa akory izay, dia ataon’ny sasany fivarotana kiraro sy fanantonana akanjo, fanaovana hani-masaka, etsetra ! Jereo ny natao hoe «Cité Jardin» taloha, etsy Mahamasina manoloana ny «Maternité», bodoin’ny mpivarotra ny toerana rehetra, ka ny tompon-trano indray no mandefitra mandra-pialan’ny mpivarotra mamelatra tsena soa aman-tsara manoloana ny vavahadin’olona ! Ny tambohon’olona fantsipantsihany hambolena vy hanantonana entana. Tsena maraina, tsena antoandro, tsena hariva, tsena alakamisy andro voatokana, tsena andavanandro. Korontamby no manapaka torimaso vao maraina, korontamby no enti-matory zary nofy ratsy alina. Tsy hoe akory nikatona ny «zones franches» noho ny krizy politika, nokotrehin’ny sasany ary natevenin’ny sasany teo amin’ny kianjan’ny 13 mey, dia Antananarivo no ho atao sorona isan’andro ary mandava-taona ! Mitady ho fahazaran-dratsy ny korontana ka manampy trotraka ny fahasimban’ny toe-tsaina. Raha tiana mbola hitraka i Madagasikara, tsy maintsy ho entina amin’ny tsara ny olona, fa tsy dokafana hisonenika ambony maloto na lambolamboina ho safononoka anaty savoritaka. Antananarivo tian-ko honenana, ka satan’Antananarivo tsy ho arahina ! Ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo dia voafidy indrindra indrindra hamerina izany kitoatoa rehetra izany amin’ny laoniny indray. Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne