Ity nanaovana anao ry Madagasikara


Averin’ny olona tsikelikely isan’andro amin’i Andry Rajoelina ny teny nataony tamin’ny 2009, ny fampanantenana nataony tamin’ny 2018, sy ny sisa. Azo tsongoin-dia manerana ny Internet avokoa tokoa mantsy izy ireny, ka sarotra ny hody adala, na handà ankitsirano hoe tsy nisy. Hafa ny taloha, ka izay vava tsy tandrina androany, dia adino rahampitso, tsy nisy raki-tsoratra, tsy nahitana rakipeo, very tahirin-tsary. Mbola ho ela vao higadona ny fifidianana amin’ny 2023, mbola ho lava araka izany ihany koa ny «tantara mitohy» amin’ny «tsiahy» sy «ny lasa tsy fanadino» samihafa. Ny enimpolo taona tantaran’ny Air Madagascar saika hofafàna malakilaky, soa fa teo ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) manaitra fa mbola any ankibon’ny omby izany «Madagascar Airlines» izany. Ny JIRAMA mampilaza amin’ny fomba ofisialy fa hisy tokoa ny «délestage» tahaka ny fidangan’ny vidin’ny solika hoe tsy azo nohidirivirana. Ny Lalam-pirenena simba tanteraka, mainka hitan’ny olona hamonjy tora-pasika sy ranomasina mivantana ka abaribariny anaty Facebook. Be dia be ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Raha ny volamena lasa antsokosoko tany Afrika atsimo na ny volamena tra-tehaka tao Kômôro no malaza, asa firy kilao, firy taonina no manjavona tsy hita popoka. Halatra harem-pirenena, fatiantoka ho an’ny kitapom-bolampanjakana, anefa ny trosa amin’ny haitraitra ho lovain’ny taranaka. Fa ny mbola mahagaga ahy kokoa, dia ny fanadinoin’ny ankabeazan’ny olona ny zavatra nataony tamin’ny 2009 sy tamin’ny 2018 : iza no nanatevin-daharana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ? Iza no nihogahoga hoe «Ravalomanana mialà», iza no niantsoantso hoe «Rajaonarimampianina mialà» ? Ho anay tsy mba nandingana izany 13 mey izany (na 1991, na 2002, na 2009, na 2018), mahazendana hatrany ny toetran’ilay antsoina hoe «vahoaka». Nompaina Ratsiraka 1991, noderaina indray 1996, vao nozonina farany 2002. Nandrianina Ravalomanana 2002, natao tsinotsinona 2009, dia izao tsarotsaroana indray. Inona no tsy lokaloka nataon’ireny olona ireny an-dRajoelina tamin’ny 2009 sy ny mbola nifidianany azy tamin’ny 2018, na dia efa hitampoko fantam-pirenena aza ny zava-nisy nandritra ny Tetezamita, dia izao izy ity esoina isanandro mandavantaona: na CVO io, na jiro tapaka, na teleferika miloko Air Madagascar... Higadona atsy ho atsy ilay 2023, taom-pifidianana. Inoako marimarina fa mbola hisy amin’ireo nandatsa andRajaonarimampianina noho ny salan’isa 8% monja tamin’ny 2018 no efa manembonembona azy sahady any. Dia toy izany hatrany teto, enimpolo taona be izao. Hosoram-potaka dia mandini-menaka, ompaina dia andrandraina, ozonina dia ivavahana. Ilay demokrasia tsy ampy fanabeazana sy fitaizana no antony. Vitan’ny tsipitsipy vary amin’ny kapoaka, menaka amin’ny kapsily, fafy teeshirt. Aty amintsika tokoa ny mason’izao tontolo izao fa eso hany izao, raby hany izao, vanitika hany izao. Izany sisa i Madagasikara, asa noho iza.
Plus récente Plus ancienne