Mba tsy ho very Tantara


Ambetin-teny averimberina ho latsapaka ny hoe «Fiverenan’ny Fahaleovantena». Tsy vao nanomboka ny 26 jona 1960 mantsy ny Tantara. Tsy ho ampy anefa izany raha tsy afantoka amin’ny Fanabeazana Fototra, ara-bakiteny. Aoka isika tsy hanaiky ho verezin’ny hafa Tantara. Efa tsy fidiny ny tsy ananana sombiny firy mikasika ny talohan’ny nahitan’i Diego Diaz an’i Madagasikara (10 aogositra 1500). Io anarana Madagasikara io aza, nosoratan’i Marco Polo, tamin’ny taonjato faha-13, tsy mbola hay mazava tsara ny tena tantarany. Raha nanana anarana isam-pokony avy isika (Merina, Betsileo, Antemoro, Antaisaka, Sakalava, Antanosy, Sihanaka, Betsimisaraka, Antakarana, sns) ny taonjato faha-19 vao nanonon-tena hoe «Malagasy». Raha ny taonjato faha-19 indray, maro ny soratra. Ilay fifanarahana tamin’ny 23 oktobra 1817 no nampiditra antsika tamin’ny iraisam-pirenena. Ireto ambany ireto, daty tamin’ny vanim-potoana 1895-1960, izany hoe tao anatin’ny Fanjanahantany manontolo. 30.09.1895 : Nilavo lefona ny Fanjakana malagasy. Niakatra Antananarivo ny tafika frantsay. 21.11.1895 : Matin’ny Foko Zanakantitra tao Amboanana ny miaramila frantsay sy senegaly hampandry tany. 22.11.1895 : Andro Fandroana. Novonoin’ny Zanakantitra tao Arivonimamo ny pastora Johnson sy ny vady aman-janany 24-25.11.1895 : Resin’ny miaramila frantsay ny Zanakantitra Janoary.1896 : Nihaona tao Analaroa (faritra Anjozorobe) Rafanenitra, Rabozaka, Rabezavana ary Ratsimamanga tompomenakely Analaroa. Fivoriana nahaterahan’ny Menalamba. 14.03.1896 : Voalohan’ny volana alahamady. Nanomboka ny adin’ny Menalamba. Rehefa voasambotra na nitolo-batana izy efa-dahy (Rafanenitra, Ratsimamanga, Rabozaka, Rabezavana), jiona 1897-1898, dia nalefa sesitany tany La Réunion. 25.09.1896 : Nomena ny Jeneraly Gallieni ny Fahefana feno, sivily sy miaramila. 15.10.1896 : Notifirina ho faty teo Antsahamanitra ny printsy Ratsimamanga, havan’ny Mpanjaka Ranavalona III, sy Rainandria­mampandry, ministry ny ati-tany teo aloha 28.02.1897 : Nentina alina hiala an’Antananarivo ny Mpanjaka Ranavalona III, ho alefa sesitany any La Réunion 14.03.1897 : Nofongarin’i Gallieni ny taolambalon’Andrianam­poinimerina sy Ranavalona I, «nafenina» tao amin’ny Rovan’Ambohimanga, ka nentina navadika ao amin’ny Rovan’Antananarivo 1913 : Niforona ny Vy Vato Sakelika (V.V.S.) 1915 : Noravan’ny administration coloniale ny VVS. Isan’ny voaheloka asa an-terivozona i Joseph Ravoahangy-Andrianavalona 05.05.1942 : «Ironclad» : Manafika an’i Diégo-Suarez ny miaramila britanika tsy mahatoky ny miaramila frantsay miandany amin’ny «Fitondrana Vichy». 23.09.1942 : Tafakatra Antananarivo ny miaramila britanika. Tari-dositra ny miaramila frantsay : Behenjy (25 septambra), Antsirabe (2 oktobra), Fianarantsoa (20 oktobra : Manamboninahitra maro azo sambo-belona). Nilavo lefona tao Ihosy ny Governora Jeneraly ny 6 novambra 1942. 02.09.1945 : Nambaran’i Ho Chi-Minh ny fahaleovantenan’i Vietnam 22.02.1946 : Niforona ny M.D.R.M. (mouvement démocratique de la rénovation malgache). 21.03.1946 (Assemblée constituante, Paris) : Nametraka volavolan-dalàna hiverenan’ny Fahaleovantena ny solombavambahoaka Joseph Ravoahangy sy Joseph Raseta. 29.03.1947 : «Tabataba». 10.05.1947 : Noravana ny MDRM. 22.07 - 04.10.1948 : Fitsarana ny solombavambahoaka MDRM. Voaheloka ho faty Ravoahangy sy Raseta. 27.11.1953 : Fanambaran’ny Eveka malagasy mankatoa ny Fahaleovantena. 25.04.1955 : Vita ny fivorian’ny «Non-Alignés» tany Bandung (Indonezia). 23.06.1956 : Loi-cadre. Aprily 1957 : Fifidianana isaky ny «assemblées provinciales». 22.08.1958 : Kabarin’i Jeneraly de Gaulle teo Mahamasina, «Demain, vous serez de nouveau un État, comme vous l’étiez quand ce palais de vos rois, là-haut, était habité par eux». 28.09.1958 : Fitsapan-kevi-bahoaka. Nandresy ny ENY. Fahaleovantena anatin’ny «Communauté». 14.10.1958 : Fanambarana ny Repoblika malagasy. 26.06.1960 : Fanambarana ny Fahaleovantena. 20.09.1960 : Voaray ao amin’ny Firenena Mikambana i Madagasikara.
Plus récente Plus ancienne