Fipoahana tetsy Mahamasina - Namonjy an-tsitrapo ireo naratra i Patricia


Nahitana tovovavy ireo mpamonjy voina tetsy Mahamasina tamin’ny alahady. Nanao izay ho hafany hamonjena ireo naratra izy ireo. Niandahy niambavy ireo namonjy ireo olona niharam-boina nandritra ny fipoahana mahery vaika tetsy Mahamasina, tamin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena, ny alahady lasa teo. Isan’ny nanao izay ho hafany hamonjena ireo naratra i Patricia Rasahalarijaona, tovovavy mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Vokovoko mena Malagasy (CRM), voatondro hiandry raharaha teny Mahamasina tamin’io fotoana io. «Tsy nieritreritra ny hisehoan’iny loza iny mihitsy aho ary tsy naheno akory ilay fipoahana. Ny olona nirohotra no nanaitra ahy. Mby tao an-tsaina avy hatrany ny hamonjy ireo olona naratra, izay efa notaterin’ny olona teo aminay», hoy ny fitantaran’ny tovovavy. Manamaivana Tsy nisy ny tahotra, tsy nisy ny fitavozavozana teny amin’i Patricia, nandritra ny fanatanterahany ny asany, na nisy aza ny alahelo nahita ireo nihoson-drà sy tsy naha­tsiaro tena am-polony. Toy izany ihany koa ireo ray aman-dreny nitomany nahita ny zanany naratra. «Nanohana mafy ahy ny nahita hoe tanora mbola mitovy taona amiko na  ankizy mety mbola hanala BEPC avokoa ireo maratra mafy ireo», hoy indray ny tovovavy. Nataony ho herin-tsaina nanatanterahany ny asany izany. «Nanapina ireo ferin’ny maratra sy nitatitra azy ireo no asa tena nosahaniko», hoy izy. «Manamaivana ny fanaintainan’ny olona no antom-pisianay, ka izay ihany no nilofosana», hoy kosa Andriamihaja Rakotondrainibe, mpitarika ny ekipan’ny CRM, tamin’io fotoana io. Nanome ny fitsaboana voalohany, nitatitra ireo marary teny amin’ny hôpitaly, nanampy ny fibatana ireo olona tao amin’ny sampana vonjy taitra an’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona no niandraiketan’izy ireo. Manodidina ny 400 eo ho eo ny mpilatsaka an-tsitrapo mpamonjy voina eto Antananarivo, raha ny voalazan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Mirotsaka an-tsehatra izy ireo, rehefa misy voina tahaka izao. Miangaly Ralitera
Plus récente Plus ancienne