Herintaona aty aoriana. Nampidirina am-ponja vonjimaika, omaly ny lehilahy anankiray voalaza fa namono nahafaty zandary, no sady nandratra zandary anankiray hafa. Tamin’ny faha-18 jona lasa teo no nisamborana ity lehilahy ity izay voalaza fa naka ihany koa ny basin’ilay zandary novonoiny.
Tamin’ny 6 mey 2015, tao amin’ny fokontany Anketiky, kaominina ambanivohitr’Antsohimbondrona ao Ambilobe no nitranga ny raharaha. Nidina tany an-toerana ny zandary tamin’ io fotoana io mba handamina resaka adi-tany teo amin’ireo fokonolona any an-toerana sy ny tompon-tany. Niafara tamin’ny fahafatesan’Itompokolahy GPHC Claude Ramamonjisoa sy faharatran’i GP 2E classe Simon Maharavo anefa ny raharaha
Avy amin’olom-pirenena tsara sitrapo no voalaza fa nahazoan’ireo zandary ny vaovao ka nahatonga tany amin’ny fisamborana. Rehefa natao ny fikarohana sy ny fanadihadiana dia voamarina, hoy ny zandary fa ity lehilahy ity no tompon’ antoka tamin’ilay vono zandary. «Rehefa nohamarinina tamin’ny sary sy tamin’ny fihainoana natao tamin’ilay zandary iray noratràny ary ireo olona namany efa any am-ponja, dia izy mihitsy no nitetika antsy ilay zandary maty», hoy ny fanazavan’i Komandà Faustin Ralibera, lehiben’ny sampana mpikaroka ny mpanao heloka be vava ao Antsiranana .
Omaly hariva kosa no natolotra ny fampanoavana ny lehilahy ka nahatonga ity fanapahan-kevitra hampiditra am-ponja vonjy maika ity.
Raheriniaina.