May Madagasikara


«Sokatra radiata 19 no sarona teny Ankidona, Fianarantsoa tamin’ny talata teo raha nanao fisavana kamiao avy nanatitra fanampiana ho an’ireo olona tratra ny mosary any atsimon’ny Nosy ny polisy teo an-toerana. Olona dimy no tao anatin’ilay kamiao, nahitana miaramila, polisy, mpiasan’ny ministera, mpamily sy mpanampy azy» (tatitry ny Alliance Voahary Gasy). Baomiavotse Vahinala Raharinirina, Ministry ny Tontolo iainana, kely sisa tsy hitaraina satria «efa ho isaky ny 3 andro tato ho ato ny fanagadrana noho ny fahatrarana sokake». Tsy vitan’ny nangalarina ireo sokatra fa mbola nolavahana ny akorambiby manarona sy miaro ny nofony, mba hana­- tsatohana tapa-kazo tsy ahafahan’ilay sokatra mihetsika tongotra aloha sy aoriana. Biby tsy mba miteny moa ny sokatra, tsy mahay mikiakiaka mitomany, tsy handrenesampeo mitaraina. Saingy misy rà io akorany io, marary azy io. Karazan’olona inona no tsy misy antra mampijaly biby tahaka izao? Sary nalaina manoloana ny toby Zandary any Ejeda izany. Satria tratran’ny kere dia mahazo alalana hampijaly biby? Dia hahavanon-doza inona indray rahampitso rehefa mivaha ny gadralava? Sary iray fotsiny amin’ireny biby mahafatifaty ireny, Maki, Varika, Babakoto, ka sanatria maty na mijaly tahaka ireo sokatra ireo dia maha fo vato ny habibiana vanon-dRaolombelona. Ankoatra ny fanantenana sazy henjana faran’izay henjana, na hiatra aman’aina aza. Adino efa ho dimy taona izao ny mamerina ny fanamelo­- hana ho faty, izay nofoanan’ireo solombavambahoaka tamin’ny 2015. Na vaky fasana sy halatra taolam-paty, na fangalaran-jaza, na fikasihan-tanana vehivavy, na doro tanety sy kapa-ala, na fampijaliana biby : maro, maro be, maro loatra, ireo heloka tokony haha-tapa-doha. Firimpolo taona izay hoe nitaizana, nanairana, nampahafantarana izay. Fa na ilay saina mihitsy no tsy misy, na ny sofina no mody marenina. Ny tena manorisory dia ilay mieritreritra fa manana kara-pifidianana ireny karazan’olona ireny. Manana vato mitovy amin’ny ahy, ny anao, ny antsika. Olona tsy miraharaha ny fandaminana ara-piaraha-monina, ka inona no mbola handaniana andro aminy? Migaingaina ny andro. Aleo lavitra tondra-drano hamonto ny tany toy izay izao main-tany efa ho tany efitra izao. Mbola misy mandoro ihany ny ala. Mbola misy mandoro indray ny ala. Mbola misy mandoro foana ny ala. Raha izay enimpolo taona nampianarana an’izao sy izao izay, na tsy misy saina, na adala, na manao loham-boto. Ka efa tsy hay tenenina, inona no mbola handaniana andro aminy? Tato ho ato, mampalahelo mihitsy, fa sasatry ny mizara sarin-tanety lanin’ny lelafo na sokatra ampijaliana ny Ministry ny Tontolo iainana. Tsy vitany irery io. Ministera iza no tokony hampihatra ilay fampihenana fiterahana, araka izay efa natsidiky ny Ministry ny Vola tamin’ny aogositra 2019, satria ny zaza maro loatra tsy velon’izay niteraka azy no fototry ny fandripahana ala ary famonoana biby. Ministeran’ny Fahasalamana sahirana raha potika ny zava-maniry fanafody efa hatramin’ny Ntaolo. Ministeran’ny Fizahan-tany sadaikatra satria na ho dokafana tahaka ny inona aza ny tora-pasika, ny tsingy, ny gidro, dia dorotanety isan’andro no sary hita voalohany, sady matetika indrindra, raha vao hoe Madagasikara. Nosy mena hono, mena midorehitra, mavaivain’ny afo.
Plus récente Plus ancienne