Telo sy efatra ihany fa tsy fitolahy fitovavy


«Ny fandrindrana fiterahana tsy midika velively hoe famerana ny zaza ateraka»: mitandrina fitenena ny Ministeran’ny Fahasalamana (sy ny FNUAP). Na izy aza anefa mahafantatra, miaiky ary manambara, ny fahasahiranana azo amin’ny «vohoka aloha loatra (alohan’ny faha-18 taona), vohoka tara loatra (aorianan’ny faha-35 taona), vohoka mifanakaiky loatra (latsaky ny roa taona), vohoka maro loatra (mihoatra ny 4)». Isan’ny olana mahazo an’Antananarivo (sy Tanàna maro hafa manerana ny Nosy) ny fitombon’ny mponina. Ny ranon’i Mandroseza tsy hahavita mponina avo roa heny, avo telo heny, avo folo heny, ny tamin’ny taona 1960. Ny Jiro tsy hahavita vahoaka an-tapitrisa sesehena na hitombo isa aza Mantasoa sy Tsiazompaniry. Ny Tanàna tsy ho Tendrombohitra Roambinifolo mihitsy na ho totofana avokoa aza miala eny Ikopa ka hatreny Imamba, na ho totofana avokoa aza ny dobo sy ny farihy : raha mbola niaina malalaka ny mponina iray tapitrisa, roa tapitrisa efa mifanitsa-kitro, efatra tapitrisa hifanempotra. Lazaina foana fa mbola malalaka i Madagasikara : Antananarivo aloha efa terin’ny avy any ambanivohitra rehetra. Any ho any angamba no mbola malalaka, fa ny eto efa vahoaka tsy hita isa. Olona avokoa izany mameno isa izany. Dia mbola misy ihany anefa kabary am-panambadiana mitso-drano «hiteraka fitolahy, fitovavy». Ho velomina amin’ny inona izany? Ho amponenina aiza? Hampidirana jiro sy hitaritana rano avy aiza? Raha arahina ny kajikajy ataon’ny Ministeran’ny Fahasalamana (sy ny FNUAP) dia 18 ka hatramin’ny 35 taona ny vehivavy no tokony hiteraka. Raha elanelanina telo taona farafahakeliny ny vohoka: 18, 21, 24, 27, 30, 33. Mbola zaza enina be izao raha tsy manao hafa-tsy mitondra vohoka ilay vehivavy ! Mahafaly ny mahita ny ankizy maro dia maro miatrika CEPE sy BEPC. Enga anie ka ho tojo soa aman-tsara hatrany amin’ny Bakalorea. Dia hanita-pahalalana eny amin’ny Oniversite. Efa samy resy lahatra fa ilaina mba hampandroso ny firenena ny fananana vahoaka ampy fianarana. Aleo ny zanakavavy mba hianatra vao miteraka : 25 taona, ohatra, dia mba zaza efatra: 25, 28, 31, 34. Fandrindrana sady efa famerana fiterahana izany. Andrasana ny Ministeran’ny Fahasalamana (sy ny FNUAP) mba ho sahy hitaiza amin’izany: vesatra ho an’ny Raiamandreny sy ny fiaraha-monina ary ny firenena manontolo ny vahoaka be loatra. «Telo sy Efatra ihany», Mamalan-kira, 20 janoary 2020: «Ohabolana adala efa hita izay maharatsy azy ny hoe «miteraha fito lahy sy fito vavy». Izao no vokany: vahoaka sesehena tsy zakan’ny isam-pandriana any amin’ny hôpitaly; ankizy madinika tsy ampy sakafo manimpona ny EPP efa tsizarizary; afaka bacc maro dia maro mody mpianatra mameno isa ny mpanao grevy mpitaky bourses eny amin’ny Oniversite; olona anhetsiny tsy mahita asa; mpivarotra an’alin-kisa mibahana anaty arabe. Miteraha fitolahy sy fitovavy dia izao mifanitsa-kitro izao. Ny tanàna tsy nihitatra tamin’ny habeny enimpolo taona lasa, ny mponina nitombo roapolo avy heny. Trano, tatatra, arabe, ho an’olona dimy hetsy no isitrihan’ny olona roa tapitrisa...» «Telo sy Efatra ihany», Mamalan-kira 18 septambra 2020: «Ny fahantrana ve no mahatonga ny olona hiteraka maro loatra, sa ny vesatry ny zaza maro loatra no mitarika ny fahantrana? Raiamandreny efa sahirana, ahoana moa no ahafahany manome sakafo tomombana sy fampianarana sahaza ny zanaka mitombo isan-taona? Ho an’ny firenena indray, olom-pirenena handatsa-bato tahaka ny inona raha tsy salama sady tsy ampy fanabeazana sy fampianarana?»
Plus récente Plus ancienne