Chronique de VANF - Tsy ny tany no fady


Voninahitry ny maty ny maro mpandevina. Tohi-vakana ny olona nirohotra raha vao nandre fa nodimandry ilay Filoha frantsay teo aloha Jacques Chirac (1932-2019). Ny sasany nilahatra nanoratra boky fahatsiarovana tany amin’ny lapa-panjakana Élysée, ny hafa nitangorona tsy lavitra ny trano fonenany. Tsy an-tery fa dia nahim-po avokoa. Hisy iray minitra fahanginana hono isaky ny sekoly sy biraom-panjakana. Hanaja io iray minitra fahanginana io ihany koa ny lalao baolina rehetra. Itompokolahy moa, fahavelony, dia nalaza ho tsotra fomba fiaina : nankafy ny labiera izy, nazoto homana ka salaka sy ravimbody mihitsy izy sy ny «tête de veau». Io lohan-janak’omby io, hono, dia tsotra tsy miaingitra tahaka ny toetran’i Jacques Chirac. Maro ny teny ahosotry ny olona ny mpanao politika, fa vitsy amin’izy ireo no omem-boninahitra hoe «tsotra sady mahafinaritra». Toy izany, hono, Jacques Chirac raha ny mpitantara marobe nifandimby nandray fitenenana. Tsy dia nisy zava-dehibe nanamarika manokana ny roambinifolo taona (1995-2007) nitantanany an’i Frantsa. Tamin’ny 2003, sahy nijoro Jacques Chirac nanohitra ny ady napoakan’i George W. Bush tany Irak ka mahatonga izao korontana sy fifindra-monina goavana any «Moyen-Orient» (afovoany atsinanana) izao. Malaza ankehitriny ny fiarovana ny tontolo iainana, saingy efa tamin’ny 2002 i Jacques Chirac no nanaitra hoe «Mirehitra ny trano iombonana, anefa isika variana any an-kafa». Tsy ny zava-bitany loatra, noho izany, no itiavan’ny olona azy fa ny toe-panahiny. Na inona na inona anefa antony, izao izy maro mpiandry faty izao no tsy azo odian-tsy hita. Firifiry akory ny Filoha taloha no maty tsy maha rototra ny olona. Maty an-tsesin-tany, alevina an-tanin’olona, tsy mba arahin-dambamena fa arahin-datsa. Ny an’i Chirac, toa adino avokoa ireo madilana ho tetenina saika nanafintohina. Ny soa niarahana taminy no hany tian’ny olona raiketina ho tantara. Maro ny mpanao politika no mitsiriritra maina izao laza faran’i Jacques Chirac izao. «Ianareo tia laza, hoy ilay mpanoratra Chateaubriand, karakarao tsara ny fasanareo». Karakarao dieny fahavelona, satria tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka.
Plus récente Plus ancienne