Analaroa dia tanana ao Imerina-avaratra, 81 km avy eto Antananarivo : Antananarivo-Talata 25 km, Talata-Sadabe 14 km, Sadabe-Analaroa 42 km. Saingy adin’ny telo fara-fahakeliny no hanalana azy, amin’ny RIP 19 (route d’intérêt provincial) izay mampiteny ny moana : lavaka mandifotra «Mercedes» na 911 na 1513 na 1924 ; taolambalon’ny goudron fahiny mitovy haavo amin’ny handrin’ny tena rehefa sendra midina fa «olon-tsy akoho» ; vovoka mena mivadika ho savony ilàna Unimog rehefa andro fahavaratra. Io RIP 19 io dia miala eo Talata-Volonondry, mandalo Ambohitrolomahitsy, tonga Sadabe, vao mitohy hatrany Analaroa. Rehefa eo, roapolo kilometatra amboniny avy, na hitoraka andrefana hamonjy an’Antanetibe, na hanohy ny dia hianavaratra Ambatomanoina. Hatreo Sadabe, na hanitsy Ambohitrolomahitsy, na hivily avy any Ambiatibe, dia vita adin’ny iray. Fa ny lalana Sadabe-Analaroa no tena fandrika ho an’ny fiakaran’ny vokatra sy ny fivezivezen’ny olona. Lalana izany ! Tonga any ankodahoda any dia mahita tampoka sombina lalana vita «goudron» : na ny «colonisation» no tena nahay zavatra ka nateza na tamin’ny andron’ny Repoblika sosialista no nisy «Procops» nizara «Boky Mena» taty... Dimiambiroapolo taona lasa anie izany fara-faharatsiny e, tsy niserena taty intsony ny takela hoe «Fanjakana Miasa ho Anao»... Tany lavitra Andriana any, adinon’ny «Décentralisation». Mampiasa «panneau solaire» madinika ny olona, hamahanana «téléphone» na hijereny télé amin’ny «satellite» izay sady tsy Canalsat, no tsy Parabole, no tsy Startimes, no tsy Blueline...Teny anglisy ? Teny sinoa ? Teny tsy fantatra ? Indray andro, sendra nisakafo teo Analaroa izahay. Irony hoe «hotely gasy» irony moa no hany misy dia tao no nivantana. Raha izaho irery moa dia novitaiko tamin’ny labiera sy «saucisson» tao anaty fiara. Ny labiera mantsy dia noforonina taonjato maro lasa mba tsy hisotroana «rano tsy tetezin-doha» : mety hisy fotaka, mety hisy kankana, mety ilomanosan’ny otrika aretina. Io hevitra io ihany koa no namoronan’ny Ntaolo ny ranon’ampango. Tamin’ity indray mitoraka ity dia hoe «mba manao izay fanaon’ny olona e». Toerana tsy fanao ianao anefa. Nifanisa tamin’ny vary be am-bilia ny isan’ny lalitra mandihy sy mihira ambony lamban-databatra tsy nisasa herinandro vitsivitsy. Raha hoe miavonavona ny tsy tia loto, dia olo-miavona aho izany. Raha hoe miavonavona ny tsy tia fofona hafahafa, dia olo-miavona aho izany. Raha hoe miavonavona ny tsy tia lalimanga, dia olo-miavona aho izany. Ohatran’ny hoe rendrarendrantsika ery ny mitanisa ireny «hotely gasy» ireny anaty «guide touristique». Tsotra e, mora e, gasigasy e. Tsy misy miteny sy mitsikera mihitsy ny sadasadan’ny latabatra isakafoana, ny loton’ny trano fidiovana sy ny voretran’ny efitra fivoahana. Menaka fanendy efa firy andro ? Sotro tena rovitra mandratra molotra ? Vera vaky mampitelina tavoahangy ? Fizahan-tany tahaka ny inona moa izany no tiana ho apetraka raha ireny no «Made in Madagascar» ? Maizimaizina, malanilany, mitongilangilana, tsembotsemboka, maditidity. Gasigasy e. Tsy lahatra akory ny loto, tsy vintana ny fofona, tsy anjara ny lalitra. Tsy ozona akory ny «zara aza». Tsy tendry akory ny «izao re no zava-misy e». Ny Gasy anefa vao hanomboka asa dia ny «indro kely» no efa tsy azo hidifiana : «Ka asa tanana anie io, Ramose e». Tsy tena mahitsy, fa mahitsihitsy. Tsy tena marina, fa mba marimarina. Dia avy eo gaga sady tezitra raha mandositra ny olo-miavona : mifindra toeran-kafa mba madio, mba milamina, mba miezaka tsy ho voretra. Aoka hazava tsara : tsy voatery maloto na mahantra aza, resaka fitaizana io fa tsy fari-pananana. Dia mody gaga daholo ihany koa raha ny fisainana «eo ho eo ihany», amin’ny «hotely gasy» sy «taxibe», no entin’ny sasany miatrika ny demokrasia. Dimampolo taona, mitsapatsapa ihany, manandrakandrana hatrany. «Aza asarotina re e» : tsy tomombana ny lisi-pifidianana, ifampitadiavana ny kara-pifidianana, mihoatra lavitra ny voasoratra ny mpifidy, manjavona am-panisana ny vato, latsaka an-dalana ny procès-verbal, iray volana ankibon’ny omby ihany ny voka-pifidianana...aza asarotina re e, izay no zava-misy, raiso mora e... Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja