Chronique

Fahanginana misy isainana

Henonareo ve ? Ny fahanginana ao ivelany ao. Ela ny ela ka tapitra ilay antsoina hoe «fampielezan-kevitra». Roa tokom-bolana niaretana hogahoga, horakoraka, antsoantso, tabataba, hiakiaka.
Fampielezan-kevitra hono. Hevitra inona anefa no teo ? Kermesse isan’andro, hira nankarenin-tsofina. Feo nanakoako anefa dia hevitra moana. Hanao tolo-dalàna inona hono ireo, indrindra fa izay efa depiote teo aloha mpanangan-tanana fotsiny ? Ho melohina ho faty tsy misy indra fo ny olon-dratsy tsy vanona mahavita habibiana ? Hahazo manala-zaza ara-dalàna amin’izay ny vehivavy malagasy ? Halalahana ny fisaraham-panambadiana tahaka ny maha malalaka ny fanambadiana ? Nahenonareo hevitra indraim-bava tamin’izany ve ny nofidianareo ?
Satria, nifidy tokoa ny sasany taminareo. Izaho mantsy efa ampolo taona maro izao no tsy mandany andro amin’izany intsony. Ny ron-dohako lany tamin’ny boky anjatony, ny taona maro natokako handalinam-pahalalana, ny saiko mbola avelako hisokatra amin’ny fahendrena rehetra : izany ve dia ho ambaniako hitovy amin’ny vaton’izao adala sy dondrona rehetra izao, tsy miezaka akory ny hisaina sy hieritreritra fa mipetraka ho bado matihanina ! Ireny miteraka indroa isan-taona ka na inona fianarantsika, na taona firy lanintsika mba nandalina fahalalana isan-karazany, ireny no maro an’isa. Olona iray, vato iray, hono. Olona iray, vato iray, indrisy. Hatreto mbola izay aloha no famaritana ilay hoe demokrasia.
Leonardo da Vinci no olombelona nahay indrindra tamin’ny fotoan’androny. Tampi-pahaizana mbola ren-tany ren-danitra ny lazany hatramin’izao. Fanta-daza noho Charles Quint, noho Martin Luther, noho ry Médicis. Efajato taona katroka tao aorianan’ny nahafatesan’i Leonardo da Vinci (1452-1619), no teraka ny hoe «Société des Nations», razamben’ny «Firenena Mikambana» ankehitriny. Ao amin’io Firenena Mikambana io ny hoe «Firenena iray, Vato iray» dia amin’ny fivoriana itambarambe ihany : ao amin’izany «Assemblée générale» izany Madagasikara, Kômôro, Môrisy, no mahazo manonofy fa mitovy lanja amin’ny Amerika. Fa ny raharaha iraisam-pirenena lehibe loatra, ka tsy azo avela ho sangian’ny firenena marefo, dia ampelatanan’ny «Conseil de Sécurité» izay tsy ahitana afa-tsy Amerika, Rosia, Shina, Britaina-Tanibe ary Frantsa. Na Alemaina sy Japana, fahavalon’iretsy tamin’ny Ady lehibe faharoa (1939-1945), aza (mbola) tsy tafiditra ao. Farafaharatsiny, tsy misy fihatsaram-belatsihy amin’izany fitovian-tsaranga tsy hisy mandrakizay izany : na samy Firenena, na samy Olombelona.
Misy antony ihany naninona io fahafahana mifidy io tsy avy dia natolotra ny daholobe tany amin’ireo firenena ekena fa mandala demokrasia. Tamin’ny 1945, ohatra, ny vehivavy frantsay vao mba afaka nifidy tahaka ny lehilahy izay efa nanana izany zo izany hatramin’ny 1848. Tany Angletera, nisesy ny «Reform Act» (1832, 1867, 1884) fa ny taona 1918 ny «suffrage universel» vao nomena ny lehilahy raha mbola niandry ny taona 1928 ny vehivavy. Nandray anjara tamin’ny fitaran’ny fahalalana tamin’izany ny gazety anglisy izay mbola velona hatramin’izao : The Times (1785), Guardian (1821), Daily Telegraph (1855).
Nanomboka teo amin’ny «Renaissance» (taonjato faha-16) dia nivoatra izay tsy izy ny fahaizana, ny fahalalana, ny Kolontsaina tany Eoropa andrefana. Saingy mbola tsy ny mponina rehetra isam-pirenena no nilomano tao anatin’izany fahaizana amam-pahalalana izany. Ka natao aloha izay niparitahan’ny fahaizana, fahalalana, fanabeazana, vao nosokafana ho an’ny maro an’isa kokoa hatrany ny fahafaha-mifidy. Mba mahay mamaky teny avokoa, mba nandalo fianarana daholo ihany koa. Izany fandatsaham-bato izany mantsy tsy tokony sandaina fanimpazana tee-shirts, famafazana fotsimbary, na totorebika amin’ny lanonana tsy andoavam-bola.
Sekoly Fanabeazana Fototra isam-Pokontany, Kolejy isaky ny Firaisana, Lycée isam-Pivondronana, Oniversite isaky ny Faritany. Iaraha-mahalala fa tsy tontosa. Aleo ary aloha imasoana ireo. Averina afafy ny fahendrena hahaiza-miaina sy hiaraha-monina, volena ny fahaizana fototra, masahana ny fahalalana. Mba hioty olom-pirenena marina, fa tsy hiompy vahoaka fotsiny.
Henonareo ve ? Fahanginana. Misaona ny toe-tsaina demokratika eto Madagasikara.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter