Soanierana, efapolo taona lasa


Mbola nadio ny rivotra tamin’izany. Teo an-tokotaninay, maro karazana ny fanday nandady tamin’ny hazo ; tsy ny adrisa (tsy hainay ny hoe aketa) ihany no valala nitsambikina naneraka ny bozaka ; tsy nanano-sarotra ny nahita voangory ho atono ; ny tana(lahy) tsara afina ka izay matahotra azy ihany no voasarika maso nahita azy voalohany ; ny famakiloha nisy lava sady vaventy mody tsy mihetsika anefa manara-maso. Lolo maro loko, voanosy tsy fahita intsony mihitsy, hatramin’ireny bibikely menamena misotro ny ranon’ando vao maraina amin’ny tendron’ny ahitra ireny, angidina mitonantonana voafandriky ny folihala. Rehefa sendra dongona itangoronan’ny vitsikabe dia fantatra fa misy manditra nofandrihany ka hanaterany hanina ao izay. Rehefa nanala ny fakan’ireo fantaka (sa bararata), mbola sendran’ny maroandavaka madinika kely. Teny amin’ny lanitra, nandihy tokoa ny hitsikitsika, fa mbola tsy nisy «maritaina» tamin’izany. Amin’ny tolakandro, indreny ny vorompotsy nipoitra avy any andrefana any, manohy ny diany ho any Mandroseza sa Dorodosy. Rehefa hariva somambisamby, mivoaka andiany ny ramanavy ka maizina mihitsy ny lanitra teteziny an’arivony. Nisy vorondolo mivady kosa, izay nanorim-ponenana tao amin’ny tilikambon’ny Fiangonana katolika, ka miesona toa ho sempotra rehefa alina ny andro. Io Fiangonana katolika io, tamin’izany, mbola ny mari-trano nanorenana azy tamin’ny 1912 fa tsy izao notovantovanana tsy nahazoana «permis de construire» izao. Ny lakolosy tamin’izany, mbola halimo mikarantsana manga feo fa tsy itony lakolosy elektrônika manimba sofina ankehitriny itony. Ny lamesa mbola tsy ny «kermesse» ankehitriny : tsy nisy «synthétiseur», tsy nisy midoladola mandihindihy, mitehatehaka, tao am-piangonana. Mbola maro ny Trano Gasy nanodidina, hatrany amin’ny lalana mianatsimo mihazo an’Ankadimbahoaka. «Sens unique» miakatra avy any Ankadimbahoaka iny hatrizay : ankehitriny anefa, mangalatra «sens interdit» avy aty Soanierana ny fiara maro. Tsy misy intsony tokoa ilay «vigie poste de police» teo ambony avaratry ny tsena, amin’ilay sampanana midina any amin’ny «Descours & Cabaud» taloha. Fa efa maro trano fivarotana hatramin’izay teo Soanierana : ry «Dadarabe», «Njiva» ary «Sinoa» (nisy soratra hoe «rhum-vin-bière») no tena falehanay. Taty amin’ny taona 1980, nisy «Magasin M» nisokatra teo an-tampon’i Soanierana. Ny labiera tamin’izany, toa mbola ny «Kronenbourg» no nalaza. Ny sigara fanirahana anay «Gitanes» sy «Fontenoy», vao «Gauloises». Notehiriziko ela ny tranon’ireny sigara ireny, tahaka ny nividianako siligaoma hanangonana fotsiny ny sarin’ny moto antsoina hoe «rétro» na «classiques» ankehitriny. Ny hany moto nalaza tamin’izany andro izany mantsy dia ny BMW an’ny zandarimaria. Mbola tsy henika «scooter» mitatatata ny arabe. Ny bus 13, nandalo Mahamasina sy niakatra Ankadilalana, vao novan-dalana ho any amin’ny «Paraky» (tsy lavitra teo ny paraky «Tsy Lefy»), rehefa saika nilatsaka tany amin’ny «Parc Tsimbazaza» ny Ikarus («vita avy any Hongrie») feno mpianatra, noho ilay lalana niletsy tampoka. Mbola tsy nisy ny taxibe tany am-boalohany, fa rehefa niha-nahantra tao anatin’ny Revolisiona sosialista ny Gasy dia teraka ny hevitra taingina hamadika ho taxibe ny 404 sy 504 «familiale» : fiara tokony hitatitra olona fito, nahatafidirana mpandeha iraikambinifolo, taty amin’ny taona 1985. Manoloan’ny vavahadin’ny ECMAR no fiandrasana ny «42» tamin’izany, mbola nalalaka tsara ny arabe fa tsy io «parking» mibahan-dalana ankehitriny io. Ny tsena ihany koa, mbola tsy nameno arabe tahaka ny efapolo taona aty aoriana, fa rehefa tsy tafiditra tao amin’ny «pavillons», ambany avaratry ny ECMAR, dia nanaraka ny lalana mandalo ny biraon’ny Fokontany III L. Iny lalana «pavés» mampitohy an’Ankadilalana sy Soanierana iny tamin’izany nilamina. Tsy nisy vato, na iray aza, nitsinganga. Taty aoriana, asa na ny Jirama na ny razamben’ny Telma tamin’izany, no vao nandavaka ka tsy nahay namerina tamin’ny laoniny. Ato ho ato, efa ho tapaka atsimo sy avaratra ny lalana noho ny lavaka mihalalina isan’andro na avy any Ankadimbahoaka na avy Ankadilanana. Tsy haintsika aty amin’ny taona 2022 intsony ny fahaizamanao gorodom-bato tamin’ny «andron’ny Vazaha», izay nanangana ireo toby miaramila roa ireo, ny «ECMAR» sy ny «RTS» : tany amin’ny taona 1987, izahay nanao «SN», mbola tsy parking io manoloana ny RTS sady manolotra ny Paositra io fa fanaovana «rassemblement». Ankehitriny moa, na ivelan’ny «toby miaramila» na anatiny, mihofa fametrahana fiara avokoa : asa, manarapenitra ara-miaramila ve izany fanao izany. Vitsy fiara nijanona ny sisin-dalana tamin’izany. Ny fifamoivoizana ihany koa nahalana. Ankehitriny, miakatra Soanierana avokoa ireo fiara an-jatony mandositra ny «embouteillages» amin’ny «avenue Ratsimandrava» (route d’Antsirabe fahiny) rehefa hianavaratra hiditra na hianatsimo hivoaka an’Antananarivo eo Ankadimbahoaka. Teo «ambanimbanin’ny Paositra sy Sainte-Chantal ary ny ECMAR» (araka ny fanoro ny taxi : Saint-Michel-Soanierana, 400 FMG tamin’ny 1984), dia nisy restaurant vietnamiana hoe «Hanoï». Nisy havan’ireo nikarama nitaona rano teny Soanierana. An-taona maro, iny izy nivezivezy milanja daba iray avy, andaniny sy ankilan’ny bao an-tsoroka. Mbola tsy lalan-kely maimbo ampy sady fangeren’ny alika sy ny olona sasany amboa toetra ilay anelanelan’ny «Sainte-Chantal» sy ny «Maria Manampy». Iny no lalana rehefa hidina any Tsimbazaza, ka mandalo ny «théâtre de verdure» atsimon’ny CEG Tsimbazaza. Nanomboka ny taona 1994-1996 tany ho any no nanjavona tanteraka io «amphithéâtre» tahaka ny teo Antsahamanitra io ka izao rakotra tranon’olona izao : asa, iza no nanome alalana izany. Ny tao Tsimbazaza, mbola maro tanim-panjakana hafa. Ilay biraon’ny MINESEB, toa mikatom-potsiny ankehitriny, mbola nangalana ny taratasy fanamarinana ny CEPE sa BEPC, tsy tsaroako loatra intsony. Raha nisy fiara aza nankao amin’ny Antenimiera, ireny fiaram-panjakana miloko mainty ireny: 203, 404, 504. Nadio ny rivotra, nangina tsy nankarary sofina ny tanàna : heno mazava hatrany an-tampon’i Soanierana ny «train» rehefa mandalo ny lalamby eo Ankadimbahoaka ka hiditra ny «gare», ary ambany andrefana. Inoana marimarina fa mbola misy fahatsiarovana maro hafa any, indrindra amin’ireo zokin’ny tena. Lalana Andriamanantena Georges ilay lalana «pavés» ankehitriny, fa «boulevard Labigorne» nihazo ny «caserne Lucciardi» (RTS ankehitriny) izy fony Fanjanahantany. Toraka izany ihany koa, «quartier Mauriès» nisy ny «Service des Bâtiments et Matériels» no lasa «ECMAR» dimampolo taona lasa. Misy madilana ho tetenina tokoa, fa dia ireo aloha no tsaroako hatramin’ny 1974.
Plus récente Plus ancienne