Mandihiza fa afa-tavony


Fihaonana an-tampony iraisam-pirenena lehibe indrindra teto Madagasikara. Na inona na inona ho lazaina, na firy na firy ny lesoka, na misy tokoa aza ny madilana ho tetenina etsy sy eroa, ho tsaroan’ny Tantara fa tamin’izy Hery Rajaonarimampianina Filohan’ny Repoblika no tontosa soa aman-tsara teto Antananarivo ny «Francophonie 2016». Tsaroana eto fa efa tokony tamin’ny taona 2010 isika no nampiantrano ity Fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia ity. Saingy hanafarana zanaka amam-para hoe ireny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ireny no nahatonga an’izao tontolo izao nanome lamosina an’i Madagasikara. Rariny loatra raha nomena toerana tery aloha tamin’ny fotoam-panokafana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ary raha ireo mpanohitra ankehitriny, izay fanetribe tamin’ny Tetezamita, mialona fa zarany ho izy no mba notsidihim-bahiny manan-kaja toy izao. Saingy akory atao fa tsy fanao ianao ny fitondrana norombahina an-dalambe. Raha tamin’ny 11 ora ny Fihaonana no hanomboka, adin’ny iray mialoha io vao nigadona teny Ivato ny fiaramanidina nitondra ny Filoha frantsay François Hollande. Aleo ho tsorina fa raha tsy tonga teto Madagasikara ny Filoha fran-tsay dia ho nangasihasy teo ny mpikarakara. Tsy hoe fanjanahan-tsaina indray akory izany, fa inona moa ny Francophonie, raha tsy fikambanan’ny firenena mizara ny teny frantsay, ka moa ny teny frantsay tsy Frantsa no foibe nanaparitaka azy manerana izao tontolo izao Aleo koa tsorina fa raha ry zareo Filoha afrikana fotsiny no tonga teto dia ho diso fanantenana isika Gasy. «Demokrasia», «Fahalalahana», «Fampandrosoana maharitra» : raha mbola tsianjery fotsiny izany amin’ny firenena tahaka an’i Madagasikara, efa iainana isan’andro any amin’ny firenena tahaka an’i Frantsa, Kanada, Vondrona Helvetika, na Wallonie-Bruxelles, izay samy nanana solontena an-tampony avokoa teto Antananarivo. Ny fahatongavan’izy farany ireto no maha henin-kaja imason’izao tontolo izao ity Fihaonana ity. Taona 1610 tany ho any no lasa Antananarivo ilay Analamanga. Taona 1802 no nivolana Andrianampoinimerina fa «ny riaka no valam-pariha». Taona 2016, mbola eo ny vataben’i Manjakamiadana lolohavin’ Ampamarinana hanaovana ny fampisehoana «video-mapping». Mampalahelo fa ny Masoivoho frantsay no mba nanan-kevitra hampiranty ny sarin’Antananarivo fahizay (eny amin’ny kianjan’Andohalo) fa ny «Pavillon Madagascar» etsy amin’ny «Village de la Francophonie» (Andohatapenaka) dia fivarotana akanjo. Ny an’i Vietnam, nataony miavaka ny kolontsaina any aminy izay maro no voaray ho Riba itambarana ao amin’ny UNESCO. Ny an’ny Marôka, nomeny toerana manokana ny asa-tanana izay mba tokony hianaran’ny Malagasy ny atao hoe «finition». Ny firenena tandrefana (Frantsa, Vondrona Helvetika, Kanada) moa dia nanazava ny fombafomba fifindra-monina any aminy raha leo ny fahantrana amin’ny firenena mbola an-dalam-pandrosoana... Na teo aza ny fisalasalana sy ny ahiahy, noho ny serasera votsavotsa, ho lany amin’ny lemim-panahany ihany izy ity. Ka dieny izao, raha tsy efa omaly, dia tokony heverina izay hanaovana ny fotodrafitrasa nanenjehana ny fikarakarana. Ohatra tokana, ny lalana vaovao «Tsarasaotra-Laniera-Ivato» izay efa misy miepaka sahady satria manify ny tara ka ahiana izay ho endriny rehefa tena ho latsaka ny orana. Manala fahasahiranana tokoa ilay izy (10 minitra ny 10 kilometatra) saingy mba tokony noheverina ny «fampandrosoana maharitra» an’i Laniera ka tsy ho totototofana fahatany ny tanimbary sy ny rano tandra vadin-koditr’Antananarivo, izay tsy toy izao raha tsy teo Betsimitatatra. Nasolo - Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne