Fitaterana an-drenivohitra - Hatao fitsirihana faharoa ny taksia


Ho hentitra ny tompon' andraikitra eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) amin'ny fitsirihana faharoa ny fiarakaretsaka. Ho tanterahina anio, eny amin'ny foibe fitiliana fiara etsy Antsakaviro io hetsika io, anio. « Tsy manara-dalàna avokoa ny taksia miasa eto an-drenivohitra ka izany indrindra no hanaovana ny fitsirihana faobe azy ireo rahampitso (ndlr : anio). Ny lalàna mifehy ny fitaterana mihitsy no tsy voahajan'izy ireo ka haverina ampahatsiahivina azy ireo izany. Ho tsirihina avokoa ny lafin'ny teknikan'ny fiara, toy ny jiro, ny loko'ny fiara, ny fitaratra, sy ny sisa, mba hanomezana fahafahampo ny mpandeha », hoy i Harson Jean Gabriel, lefitra voalohan'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra. Araka ny fanazavana dia ireo polisy monisipaly no hanao ny fitsirihana eny an-toerana anio. Isan'ny tena nanaovan' ireo mpamily fiarakaretsaka fitokonana tamin'ny 16 jolay lasa teo anefa ny fitakiana fampitsaharana ny fisavana ny taratasy fahazoan-dalan'ireo mpitatitra sy ny lafin'ny teknikan'ny fiara ataon'ireo polisy monisipaly. Nilaza ihany koa ny tompon'andraikitra eo anivon'ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), fa tsy andraikitry ny polisy monisipaly ny manao ny fitiliana ara-teknika faharoa. Etsy an-kilany anefa, nilaza ny tompon'andraikitra eo anivon'ny CUA fa nahazo alalana manokana ara-pitsarana hanao fitsirihana ireo polisy monisipaly ireo. Fanomezana Rasolomahery
Plus récente Plus ancienne