Accueil » Onjam-piainana » Fidirana ho mpiasan’ny haban-tseranana – Efa vonona ny fandraisana ny mpiadina
Onjam-piainana

Fidirana ho mpiasan’ny haban-tseranana – Efa vonona ny fandraisana ny mpiadina

Maro ny mpiadina ho mpiasan’ny fadin-tseranana, satria maherin’ny iray alina no isany. Vitsy kosa anefa no ho raisina, izay midika fa ho henjana tokoa ny fifaninanana.

Ny zoma 29 jolay ho avy izao , no hotontosaina manerana ny nosy, ny fanadinana fifantenana mba hahafahan’ ireo mpiadina manatanteraka ny fanadinana hidirana ho mpiasan’ny haban-tsera­nana. « Efa mipetrapetraka avokoa ny zavatra rehetra mahakasika ny fanadinana fifantenana izay hataon’ireo mpiadina amin’io andro io », hoy Randriamahazo Landy,  tompon’andraikitra ao amin’ny haban-tseranana etsy Ankadi­fotsy, omaly. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka izy ireo ankehitriny, mba hahalavorary ny fanadinana izay hataon’ireo mpiadina izay maherin’ny 10 000.  Voafetra ihany anefa, ny toerana ahafahana mandray azy ireo ho isan’ny mpiasan’ny haban-tseranana satria dia 280 amin’ireo  ihany  no azo raisina ho mpiasa ao.
« Efa tamin’ny tapaky ny volana jolay teo, no nizarana ny taratasy fiantsoana ho an’ ireo mpiadina ary  nalefa paositra izany », hoy hatrany ny tompon’andraikitra. « Ho an’ireo mpiadina tsy mbola naharay ny azy kosa dia antsoina hanatona ny eny amin’ny biraon’ny haban-tseranana eny Ankaditapaka manomboka anio, handray izany eny an-toerana. Ho an’ireo any amin’ny faritany kosa dia ny fanatonana ny toerana hanaovana ny fifantenana no tokony hatao ary eny no hanomezan’ireo mpiandraikitra isan-toerana ny taratasy ho an’ireo tsy mbola nahazo izany », hoy izy nanamafy.

Salan’isa
Samy hisy toeram-panadinana avokoa ireo faritany enina. Mahatratra valo kosa izany eto Antananarivo noho ny hamaroan’ireo mpiadina. « Hanomboka amin’ny valo ora maraina ny adina ary haharitra ora roa izany. Ny taranja frantsay sy ny fitsapana ny faharanitan-tsain’ireo mpiadina (test psychotechnique), no laza adina tsy maintsy hiseho. Ireo naoty latsaky ny 7/20, dia voatsoaka an-daharana avy hatrany. Na dia mbola tsy feno aza ireo isa tadiavina ireo, kanefa latsak’io ny salan’isa azon’ireo mpiadina dia izay ambonin’io ihany no horaisina hanatontosa ny fanadinana izay hotanterahina ny 27 hatramin’ny 30 septambra ho avy izao. Mbola hisy ihany koa ny fanadinana am-bava izay tsy mbola voafaritra mazava tsara hatreto ny fotoana hanatanterahana izany », hoy izy nanamafy. Vina­vinaina ny tapaky ny volana septambra, araka izany, ity fanadinana fifantenana izay hatao ny zoma  izao ity.
Tsiahivina fa mizara roa mazava tsara ireo mpiadina handray anjara amin’ity fanadinana ity : ireo mpiasam-panjakana efa am-perinasa sy ireo olom-pirenena tsotra.

Helifetra Randriaminovololona