Ra-Malagasy olon’ny fo


Ianareo ve mahatsikaritra fa miha maro isika no mifampiarahaba andro 26 jiona ? «Arahaba tratry ny Asaramanitra», «Mirary fety sambatra». Ny Vazaha namana aza mahavatra mandefa «Bonne fête nationale». Tsy tsaroako nisy izany taloha, na dia hoe marina aza fa tsy mbola nisy Facebook sy ny tariny tamin’izahay mbola kely. Arakaraky ny maha-osa an’i Madagasikara, ka lasa fihomehezan’ny Nosy manodidina ary eson-tenin’ny Afrikana no sady mandaginina an’izao tontolo izao izany isika no vao mainka mahatsiaro tena ho Gasy. Dia mifikitra amin’izay maha-Gasy antsika izay : saina, hira, 26 jiona. Hery lehibe izany raha vitantsika ny mamondrona azy. Saingy tsy hain’izay mpitondra rehetra nifandimby mihitsy ny nanindraindra amin’ny tsara izany fon-dRamalagasy izany. Tsy hoe fitiavan-tanindrazana araka ny mahazatra antsika fa hambom-po leo voadona. Misy namana tompon’ny orinasa hoe «Soherina» (natao hoe zana-dandy no fiantso azy taty aoriana noho ilay anarana nentin’ny Mpanjakavavy Rasoherina, 1863-1868, ka lasa fady) miara-miasa amin’ny mpanao sary-itatra Pov. Namoaka akanjo ireo maneso moramora ny «Fahaleovantena» anefa tsy misy afa-tsy ny sainam-pirenena sisa no gasy : kasikety misy kintana amerikana, harendrina vita sinoa, finday vokatra avy any Korea, akanjo eny an-koditra nafarana tatsy Môrisy, kiraro eny an-tongotra «Made in Vietnam». Anefa io sainam-pirenena io dia misy isan-tokantrano na dia tsara valona tsy aranty aza. Faly ery ny zoky raiamandreny tamin’ny 1960 raha nakarina io saina io nanolo ny saina frantsay nihofahofa tetsy an-tendron’i Manjakamiadana hatramin’ny oktobra 1895. Tamin’izany anefa mbola vitsy dia vitsy no nahafantatra io sainam-pirenena io, vao laniera tamin’ny fifaninanana sary. Tahaka ny hiram-pirenena ankehitriny, «Ry Tanindrazanay Malala», nahazo vato be indrindra tamin’ny telo nifaninana farany ka nialoha ny «Zanahary ô Tahio» (ity aza moa dia hiraina ombieny ombieny tahaka ny hiram-pirenena faharoa) sy ny «Madagasikara Tanindrazanay» (hiran’ny MDRM taloha natsangan’ny kianjan’ny 13 mey ho faneva). Mbola tsaroako ilay indray andro tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina, raha nisantatra ny «Gouvernorat» teto Antananarivo Pascal Rakotomavo notronin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’izany, Didier Ratsiraka. Mpianatr’i Saint-Michel fahatelo, Ludger Andrianjaka, no nihira tery an-dampihazo ny «Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i Madagasi­kara». Niara-niredona ny iray trano ary moa tsy ireny hifanoroka ireny avokoa noho ny fihetsem-po ! Izany mantsy isika. Olon’ny fo. Malady ofana. Mahaontsa ahy ny mahita ireo trano bongo eny Laniera manangana sainam-pirenena anefa adinon’ny Fanjakana tanteraka mihitsy ry zareo, tany lavitra Andriana (ny Andriana renintsoratra dia ny Andriamanjaka) anefa vao etsy anelanelan’i Soavimasoandro sy Ambohijanahary-Antehiroka. Mahatsiaro tena mbola isan-tsika ry zareo na dia hodian-tsy hita aza. Tohina ihany koa aho nahita ireto olona marobe mitondra ny ankizy hanao harendrina tamin’ny 25 jiona. Misy dikany amin’ny olona ity andron’ny Fahaleovantena ity. Miandry ny mpitondra hanome feony izany tononkira efa tsara lahatra izany.
Plus récente Plus ancienne