Chronique de Vanf

Mamalan-kira indray VANF – Lakana tranain’ny angano (JJR) – Tokony ho fito taona leitsy ialahy na valo taona

Milalao irery ao atsinanan-trano
Milalao irery fa tsy mba misy namana
Mamonomono biby ny asan’ialahy
Na mandevina valala anaty tranon’afokasoka
Rehefa avy eo mivavaka dia mody mitomany
Rehefa mody ao an-trano ialahy indraindray dia variana
Fa mahita lolo-paty ao ambany fandriana
Lolo-paty mainty be tsy matahotr’olona

Tonga dia «Ferapara», hiran’i Bekoto (tarika Mahaleo) no tsaroako sady nihorona ihany aloha ny hodi-dohako. Iza kosa moa hanampo : ny varavarambe mihidy dia indro aloka mainty nikasokasoka avy any an-damosina ! Sady taitra aho no niresaka avy hatrany : «Ndry, fa avy aiza ?»
Nisidina niditra tamin’ny varavarankely vao novoahana. Rivo-madio vao maraina no nasaina handroso. Sendra lolo-paty nikopakopaka malemy, moa tsy ilay «voron-drivotra» lazain-dRabearivelo (JJR) ho «vorona mamo mirepirepy toa fanihibe efa rimbon’elatra» : lolo-paty, fanihy, vorondolo sisa tsy eo… Namonjy fanaka iray nipetrahany, «izy», teo amin’ny avaratra-atsinanan’ny efitra. Hoy indray aho : «Tsy ifanarahana izao fa ndehana mivoaka». Tsy nihetsika izy raha tsy somary nanatona aho. Dia iny izy lasa niery tamin’ny takontakona. Tsy te handratra azy aho fa dia nataoko fotsiny izay hamonjeny varavarana hivoahana. Narahiko maso sao sahirana fa lasa soa aman-tsara. Mihamangatsiaka ao ivelany ao ka mitady trano hanatodizana ireny. Saingy ho an’ny Nta-olo = olona-taloha, sy izahay taizan’antitra, dia «mpamangy» ireny. Saingy tsy rano an-tsinibe «izy» teo, ka tonga tsy nantsakaina…
Nanomboka tamin’ny 21 martsa teo nihilana kely ny Tany ka mitakolaka kokoa ny masoandro indray sasa-bolan-tany atsimo misy an’i Madagasikara. Efa malaina mifoha ny tanamasoandro vao miakatra ny maraina. Mangiran-dratsy, mazava, maraina : mandroaka ny alina, maizina, intina : «ny alina tsy mba namana», hoy ilay Renibenay izay.

«Mifanisa ny akoholahy, mitsoka antsiva, ary mifamaly hatraiza hatraiza, mandra-piverin’ilay natory tany an-dranomasina», hoy indray Rabearivelo (Terak’andro hafa). Saingy, rehefa tena mijojo manadio lanitra ny orana, tahaka ny alin’ny nandalovan’ilay «mpamangy», dia mangina ny akoholahy na dia efa tonga aza ny «maneno akoho».
«Mangiran-dratsy mangala-boankazo amin’ny tanimbolin’ny alina», mbola Rabearivelo ihany (Terak’andro) : «Fahazazan’ny volana», «Kintana terabao», «Maraina tonga taona». Aleo ihany maraina, andro, mazava, raha hisy «mpamangy» : tsy vita raha sady efa maizina, irery, nilaozan’ny aloka, no mbola hiantranon’ny «lolon’ny faty» na hifanena amin’ny vorona-lolo.
Ny «angatra» hono dia fanahy ihany, niala tamin’ny maty fa tsy mifanerasera amin’ny velona. Fahiny dia ireny afon’ny maty, afon’angatra, afon-dolo, afo-kitoatoa no fisehony. Ki-toa-toa, Ma-toa-toa, Ingahi-ma-toa, Ra-ma-toa, Lahi-ma-toa, Vavi-ma-toa. Fototeny iraisan’ny tenintsika amin’ny teny any Azia atsimo-atsinanana, samy midika, «Lehibe», «Zoky», «Antitra». Ny «Ki-toa-toa/Ma-toa-toa» izany eto dia «izy» nialoha antsika. Misy fombafomba tsy tanteraka antsakany sy andavany, hono, no mahatonga azy ireny mihaodihaody ety, miandriandry.
Misy teny hafa sasany mifandraika : aloka, tandindona, avelo, ambiroa. Andrianampoinimerina hono, raha efa voky taona, dia nandeha nitaratra tanaty ranom-parihy, ka nifanatri-tava tao izy sy ny tandidony. Aloka lehibe efa mihoatra ny vatana, miomana hisintaka amin’ny olombelona angaha izany ny tandindona. Aloky ny fanahy.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter