Io e...


Mangaihay Anatirova nilaozanao ry Andafiavaratra Ô mandringa ny tantara... (Rado : Mangaihay Anatirova, 13 septambra 1976) Io Andafiavaratra io efa may ka mahatsiarova ! Nony tato aoriana indray kila koa Anatirova. Ambanan-dry zalahy ho dorana ihany koa Ambohimanga Mba ho kila sy ho may, ho very zo sy tapa-tsanga (Rado : Ampy izay ny miari-pery ry Imerina, 15 janoary 1997) Sento, eny, tsy maintsy sento. Raha vao mahatsiahy, raha vao mitanisa. Iza, raha mbola nahita foana, no tsy voatombo-kase lelafo mijoalajoala ny anakandriamaso ? Ary, hay, ny afo misy feony rehefa mihinana ny hazo, mainka fahanan’ny rivotra antampon’Analamanga. Beso biririoka mampihorinkoditra, fantatra fa tsy hay tohaina. Voafandraka amin’ny ampongatsofina ihany koa ireny ka tsy ho vita kalo, raha tsy fatratr’alahelo. Impiry anefa, fahazaza, raha «hiakatra» Iarivo, avy any Ambatolampy (mbola ao ny Rendez-vous des Pêcheurs) na avy any Mahitsy (iza no mbola mahatadidy ny Auberge d’Alsace), raha tsy Talata-Volonondry (ankoatra ny koba fa tsy teo ve ny tobin-tsolika farany hatrany Anjozorobe) na Manjakandriana (antony manokana mety tsy ahatongavana any Mantasoa), no tsy nampianarina hitily isak’izay «P.K.18» ahatazanana ny «fitarikariva» : «Io e, io ny Rova, io Antananarivo !». Na avy avaratra, na avy atsinanana, na avy atsimo, na avy andrefana, efa naman’ny tonga mantsy no dikan’izay. Reraky ny dia fa misento maivana. Ka efa tonga sa mbola tsy tonga e ? «Kely sisa, efa akaiky»... «Io ny Rova, io Manjakamiadana e». Na ilay Vazaha Charles Robequain aza, ao amin’ilay bokiny malaza lohateny hoe «Tananarive, une capitale montagnarde en pays tropical», fitopolo taona lasa sahady tokoa izay (1949), dia milaza ny fahagagany (surprise, saisissement) raha vao mahatazana an’Antananarivo sy Manjakamiadana sy Andafiavaratra, raha vao any lavitra any. Na teratany na vahiny, samy sodokan’ilay avo fitoerana ka mahita sy tazan-davitra. Na izay fotsiny aza, na izay fotsiny aza, tsara raha manangasanga hatrany Manjakamiadana ary velona manodidina azy indray Anatirova. «Io e...».
Plus récente Plus ancienne