Chronique

Mamalan-kira indray VANF : Sento dôbla ny Kalon’ny Fahiny

Tapitra indray ny fampielezam-peo. Misento ny sofina. Asa, rahoviana vao hiova ny fanaovana «doka politika» eto amintsika. Samy mihiakiaka, mitabataba, mankarenintsofina : tsy misy ifandrenesana. Mahomby marina tokoa ve ireny sa dia lalan-kita-kisoa ka izay alehan’ny iray, arahin’ny rehetra ?

Ny hevitra aloha dia tsy re mihitsy. Saron’ny hirahira, takon’ny totorebika. Soa ny mpamaky itony Mamalan-kira itony, efa ho 25 taona izao, fa tsy mba mila dobok’amponga ary tsy miandry veli-vilany dia efa mahalala sy mahafantatra.

Misento ny sofina. Sento dôbla, «Dôbla sento» araka ilay hiran’i Naka Rabemanantsoa. Eto ambany masoko eto indrindra ilay «K7» novokarin’ny tarika «SOLIKA» (Solofo lian-kanto) na ATAUM Maintimolaly : association théâtrale et artistique des universitaires de Madagascar), tamin’ny desambra 1990. Tsy fahita intsony, tsy fandre firy, efa tena vakoka. Ho ataoko tsara tahiry.

Ankoatra ny tonon’ny kalo, dia misy ao fanazavana ny «Hafatra fonosin’ny Kalon’ny Fahiny» : «Matoa nijery tantara tsangana ny olona tamin’izany dia tsy nihanina tamin’ny hoe hitsiriritra ny talentan’i Madame Jeannette fotsiny na hankafy ny fahaizan’ny mpilalao tao amin’ny tarik’i Raonivalo na ny Zanaky ny Maraina fa hanovo tsangan-kevitra ihany koa. Mafy mantsy ny sivana politika ka tsy azo naharihary ny filazana na fampitana ny hevitra fa dia ny hira no fitaovana nahomby indrindra namosahana izany. Nolaroin’ny mozika tsara paika izany ka vao mainka nitondra fahafinaretana feno. Izany ka izany ny Kalon’ny Fahiny. Tsy hira fe hira fotsiny ireny fa haren-tsaina mipetraka».

Indrisy anefa, «Dôbla ny sento», raha ny Kalon’ny Fahiny teratan’Iarivo indray no tompony mangataka atiny. Fa angaha, araka ny hiran’Andrianary Ratianarivo, tsy Iarivo no niandohana ?

Ry Iarivo niandohana
Mamiko ela nilokana
Akany tsy ialana
Sy fonenan-kiafarana
Ity hiran’i Justin Rajoro ity, «Andeha hanasa lamba», dia mitanisa toerana maro teto Antananarivo fahiny, mbola nisy rano madio fanasan’ny olona lamba tamin’ny andro taloha.
Anosy, taza-maso misy lalàna ;
Tsimbazaza, mahamangan-damba ;
Mandroseza, mandrovin-damba ;
Ankatso, lavitra loatra mandrerak’aina ;
Andohatapenaka, tsara rano fa tsisy vato ;
Tanjombato, tetezan-kazo mahasaro-panina ;
Mahazoarivo, ranon’andriana misy tatamo.
«Lakan-drafitra» hoy Justin Rainizanabololona (1866-1942) : nanontaniako izy raha tratrako, hoe lovantsofina inona avy no nandrafitra sy narafitra, satria nanatri-maso telopolo taona ny fivoaran’Antananarivo, nanomboka tamin-dRasoherina ka hatramin-dRanavalona III, raha ny tenany.
Veloma Ambodinisotry
Veloma koa ny any Ivandry
Veloma ilay Tsarasaotra
F’izahay ho any Soamandrakizay
Nankaiza, nankaiza ny olon-tety ?

Ry Justin Rainizanabololona, Samuel Rahamefy (1880-1961), Justin Rajoro (1889-1949), Naka Rabemanantsoa (1892-1943), Andrianary Ratianarivo (1895-1949), Naly Rakotofiringa (1918-1983), Jeanne Naly (1921-1975)… Tsy azo adino Jean Ratsaramiafara (1914-1979), tompon’ny hira malaza :
Haody ry Analamangako
Ry Iarivoko
Ry Imerina

Ilay «CD» raki-kira «Kalon’Imerina» navoakan’i R’imbosa tamin’ny 2001 dia arahin’ny tantara fohy. Tao no nanovozona fa teo anelanelan’ny taona 1900-1950, no niroborobo ry Justin Rajoro (Tropy Telonohorefy), Naka Rabemanantsoa (Tropy Analamanga), Andrianary Ratianarivo (Tropy Jeannette).

«Feon’Analamanga», «Akon’Iarivo», «Kalon’Imerina» : tamin’ny jiona 2010, nisy «Bà gasy an-tsehatra, Kalon’ny Fahiny, Hasin’ny Ela, Angolan’Imerina, Akon’Iarivo» tetsy amin’ny CEMDLAC (Galerie 6 taloha) ; ny 6 novambra 2019 farany teo dia nisy «Atrik’efa bagasy» tetsy amin’ny IKM Antsahavola : «ny piano sy ny bagasy», satria tokoa ny taona 1824 no tafakatra teto ny piano voalohany ; R’imbosa vao avy nanao fampisehoana tany Lyon (Frantsa), ny 23 novembre 2019. Mbola tsy maty ny Kalon’ny Fahiny.

Ny Tononkira efa tafiditra «répertoire». Soa nisy ny ATAUM taona 1970, nodimbiasan’ny SOLIKA (1989), natevenin’i R’iMBOSA (1998), nitahiry ary mizara. Ny sehatra hivelarany feno sisa no tsy ampy : razamben’ny toerana fampisehoana rehetra ny Théâtre Municipal tetsy Ambatovinaky (1899). Taty aoriana, ny Cinéma Excelsior, Cinéma Métro, Tranompokonolona Analakely, Tranompokonolona Isotry, Cinéma Roxy, Cinéma Soa. Izao, lasa toeram-pivavahana ny tranon-kolontsaina, ka soa misy ny AFT Andavamamba na ny IKM Antsahavola azo indramina.

Ankehitriny, firy ny zanak’Imerina no mba efa naheno ny Kalon’ny Fahiny ?    Difotra ny «Feon’Analamanga» , «Akon’Iarivo», «Kalon’Imerina». Tototra ny hira teratany «milantolanto natao ankafizina eo am-pihainoina». Asa Kolontsaina iray manokana mihitsy, politikan’ny Tanàn’Antananarivo, no mamerina indray amin’ny toerany ny Kalon’ny Fahiny eto Iarivo-Analamanga.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter