Ka ambonivohitra sa ambanivohitra?


Miakatra Renivohitra rehefa avy any ambani­vohitra. Manomboka aiza no Renivohitra, mifarana aiza ny ambanivohitra? Ny «communes rurales» sasany efa tetezin’ny «arabe vita goudron», ny «communes urbaines» sasany toa miahotra mi tahiry anandrano milomano ana ty rano mampiahiahy. Zavatra kely foana no nampisy «urbanisme» anatin’i Betsimitatatra. Raha tsy nihoatra an’ Ankadindratombo fotsiny ny lalamby avy any Toamasina, mbola ranobe mangeniheny, Ampa­- simbe-Andranovory-Ikopa. Dia mbola tanimbary iny atsimo-atsinanan’Antananarivo iny sy ny miankan­drefana, mianavaratra. Tsy nisy ny «Cité Ampefiloha». Tsy nisy ny «67 hektara». Dia mbola fambolena vary, anana, voankazo, iny andrefan’Anala­- manga iny. Izany hoe Ambanivohitra? Mbola tsy nisafidy isika, ho inona Antananarivo? «Agriculture urbaine» Amparihin-dRasahala sy Antsahatsiroa, Antsakaviro sy Betongolo, Ankora­- hotra sy Ankaditoho, Soavimasoandro sy Ankerana. Sa «lotissement» Ankadimbahoaka sy Ivandry, bypass RN7-RN2 sy Rocade Ankona-Andrano­- bevava, «Tour Zital» sy «Tour Orange» ary «Trano Fitaratra»? Tsy mitovy mantsy ny fomba AMBoNIVOHITRA sy ny fanao AMBaNIVOHITRA. Ny fanafenana farany tao Anatirova tamin’ny 1938. Ny FasandRainiharo etsy Isotry nivoha naneketriketrika farany ihany koa tamin’ny fandevenana an’i Dadabe Rainilaiarivony, taona 1900. Tokony mbola hisy fasana hivoha ve eto Antananarivo-Renivohitra? Dia ahoana tokoa moa izany ny «cimetière»? Tsy mitovy ny fanelingelenana ateraky ny fiarakodia, ohatra, raha AMBoNIVOHITRA; sy ny fanelingelenana afitsoky ny akoho amam-borona ary ny kisoa, ohatra, raha AMBaNIVOHITRA. Ny fiara no manakotaba ny akoho amam-borona raha any AMBaNIVOHITRA; ny omby sy ny kisoa kosa no manelingelina raha aty AMBoNIVOHITRA. Saingy, na an-tanàna na an-tsaha, misy fomba amam-panao ara-pahadiovana sy fifanajana anaty fiaraha-monina, iaraha-manana manerana ny firenena rehetra: ilay tsy manelingelina ny hafa, na inona na inona ataon’ny tena. Mamalan-kira tamin’ny 09.03.2020, «Mitango eritreritra»: Isan’ny mampilofo ahy hiady fo ho an’ny tanimbary, farihy sy dobo ny fitiavako mahita patsa sy trondro maina, irony hazandrano tena laoka ara-bakiteny, atobaky ny mpivarotra antsahafa eny an-tsena. Toa mahafinaritra izany ny mieritreritra fa hazan’ireny rano manodidina antsika ireny izy ireo. Izy ireny ve no manadio ny rano iainany, sa ny rano madio no mahavelona azy... Manihika, misaka, mamovo, mamintana, manjono: teny efa ho dila amin’ny andavanandron­- tsika an-tanan-dehibe ireo. Indrindra raha mitohy tsy misy farany izao fanotofana etsy sy eroa izao. Mampalahelo sahady ny mieritreritra hoe io Laniera ranobe io, indray andro any, ho ritra lasa tanimena tahaka ny farihy taloha tetsy Imerimanjaka. Taloha, mba voaaron’ny fady ny toerana tahaka ireny satria betsaka ny rano noheverina ho fonenan’ny Vazimba ka nohajaina noho izany. Isan’ny mba hanaovako antso avo ho an’ny tsena Alakamisy etsy Mahamasina, izay hany sisa tsenan’ny Tantsaha afovoan-tanan-dehibe. Avahana avy hatrany aloha ny vokatry ny tany sy ny friperies mameno toerana ary maharatsy endrika ny tanàna ka tsara ahilika teo. Ka io tsenan’ny Tantsaha io ho lasa tsena-vakoka, milamina, mirindra, manantoerana madio sady malalaka: karazam-bary teratany efa tsy fahita (rojofotsy, kalila, roka, sns), anana samy hafa efa tsy fandre (anapatsa, anamafaitra, anatsinahy, dimbinantsy, telorirana, ngitakely, sns), voankazo marevaka maro loko, patsa sy trondro maina, ovy, voatabia, vomanga, saonjo, katsaka, tsaramaso, voanjobory. Mba hiverina hanan-kasina tahaka izay nandaharan’ Andrianampoinimerina azy hoe: «Izao tsenako izao, lapako, toraka an’Ambohimanga sy Antana­- narivo sy izao tendrombohitra roambinifolo izao» (Tantaran’ny Andriana, takila 867).
Plus récente Plus ancienne