Accueil » Chronique » Fitaizana tsy mila baiko, fahendrena tsy miandry sazy
Chronique

Fitaizana tsy mila baiko, fahendrena tsy miandry sazy

Na firenena aiza, na firenena aiza, hatramin’ ny taloha ka mandrak’ankehitriny, misy fomba amam-panao ara-pahadiovana sy fifanajana anaty fiaraha-monina, iaraha-manana ary tsy iadian-kevitra: tsy manelingelina ny hafa, na inona na inona ataon’ny tena.

«Ny rano tsy miakatra e», «Ny setroka tsy midina e». Santionan’ny fahasahiranana, mety ho lonilony, eo amin’ny fiaraha-monina. Mba hialana amin’ny raharaha hiavian’ny ady amin’ny mpifanolo-bodi-rindrina no tsy maintsy ametrahana fitsipika. Na dia antenaina aza fa ny fanabeazana isan-tokan-trano dia efa tokony nitaiza ny tsirairay. Saingy ny saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay hamarara: ny ankamaroan’ny mpiara-monina mahalala fomba sy tsara taiza ary mandala ny fifanajana; ny didy famaizana natao indrindra ho an’ireo tsy maintsy andrasana tahaka ny omby vao manaraka ny fitsipika.

Na firenena aiza, na firenena aiza, tsy misy mahavita hametraka «mpiadidy», «polisy», «zandary», an-damosin’ny olona tsirairay. Ny fefy tsara indrindra dia am-pon’ny tsirairay. Ifampitaizana isan’ankohonana. Ifampitondrana isam-piaraha-monina. Ifandovana isan-taranaka.

Ambetin-teny ilay hoe «Ny Fanahy no maha-Olona»: fomba ahoana no hanantitran­- terana izany isam-pianakaviana, isan-tsekoly, isam-piangonana, isam-pikambanana, isampirenena. Anatra, kabary, boky, gazety, haino aman-jery…

Tsy ny sazy no tokony anton-dresaka, fa ny fitsipika iaraha-monina no tokony ho anakandriamaso. Maninona no tsy manipy fako amin’ny arabe, maninona ny fako andaba no tsy ahahaka indray, maninona no tsy manary potikanina an-tatatra, maninona no tsy mandefa ranon-dolana anaty farihy. Maninona no tsy manisin-delo na mandrehoka sy mandrora eny rehetra eny, maninona no tsy manditsaka sy mangery manerana ny Tanàna. Maninona no tsy manampoizina ny rivotry ny manodidina amin’ny lava-piringy sady maloto no tsy misarona. Maninona no tsy maloto sady maimbo manafintohina ny hafa. Maninona no tsy manao fiaina am-pisoko ka hitondra valan’aretina ho an’ny Fokonolona. Maninona no tsy mandefa hira mafy manka­renin-tsofina ny manodidina, maninona no tsy mitabataba tsy misy hatoriana na hoe miandry faty aza. Maninona no tsy mibahana ny fifamoivoizana na famadihana, na famorana, na famoaham-paty, na fampiaka­- ram-bady, na fiangonana andavanandro. Maninona no misy ny «Fitsipika ara-pifamoivoi­- zana» ka tsy hijanojanom-poana, tsy hisisitsi­- sihina, tsy hivilivilianam-poana. Maninona no tsy manao ny arabe ho tokotanin’ny tena, ka ho bodoina, hanahazam-bary, hanahazandamba, hamela­rana varotra. Maninona ny hanina sy sakafo amidy no tsy atao ladina antany na talaky vovoka.

Amin’ny andininy miisa 87 ao amin’ny «Didy nomen-dRanavalomanjaka ho an’ny Sakaizambohitra» (1878), dia ahitana ity: «Ny lalambe ao an-tanàna, na ny lalambe miakatra ao an-tanàna, na ny tokotany, dia kajakajaona­- reo Sakaizambohitra tsara ny olona hanadio azy, koa asaovy esoriny ny maloto sy ny maimbomaimbo rehetra, fa izany no mahatonga aretina».

Ny «Dimiventisitelonjato», ilay fehezandalàna nalaza, mbola tamin’ny androndRanavalona II ihany (1881), dia manantitra kosa: «Ny Lalàna ny Fomban-tany izay fanao hatramin’ny ela, ary mbola arahina mandrak’ ankehitriny, na dia tsy voasoratra amin’ity Lalàna ity aza, dia mbola Lalàna velona izany sy Fomba arahina» (Andininy 263).

Dimiventisitelonjato, 305: etsetra, etsetra, tsy ary ho voatanisa antsipiriany mantsy. Ny fitaizana sy fanabezana ary fahendrena no mameno azy avy hatrany. Tsy mila baiko, tsy miandry sazy.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter

Voir aussi