Vohitr’Antananarivo ho vakoka UNESCO : tsy mitombina intsony ny fenitra 2, 5, 6


Folo taona mahery izao ny fikasana hanolotra ny Vohitr’Antananarivo ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena anaty lisitra UNESCO. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy tafapetraka anivon’ny CPM (Centre du Patrimoine Mondial) ihany izany fikasana izany. Ny dingana voalohany dia ny fanoratana ny Vohitr’Antananarivo anatin’ny «Registre d’inventaire du patrimoine national» eto Madagasikara. Voatanisa mamaritra izany ny Rovan’Antananarivo, ny hantsan’Ampamarinana, ireo Fiangonana Tranovato efatra, ny Katedraly anglikana sy katolika, ny Lapan’Andafiavaratra, ny Fitsarana eo Ambatondrafandrana, ny sekolin’Ambavahadimitafo sy Ambodin’Andohalo. Ny dingana faharoa dia ny fanoratana azy anatin’ny «Liste indicative» : tontosa tamin’ny 2 febroary 2016 izany, amin’ny laharana 6078, miaraka amin’ny fenitra (critères) (ii), (v), ary (vi) manoritra ny maha «VUE» (valeur universelle exceptionnelle) azy. Noho ny fangatahana nataon’ny IMV (Institut des Métiers de la Ville), rantsan’ny fifandraisana arak’asa teo amin’ny Tanàn’Antananarivo sy ny Région île-de-France, vao nataon’ny Ministeran’ny Kolontsaina izany fanoratana izany. Ny dingana fahatelo, sarotra indrindra, dia ny fanomanana ny antontan-taratasy hanoratana azy ho vakoka iraisam-pirenena. Tokony ho tontosa tamin’ny volana jolay 2021 izany, raha tsy nisy ny Covid. Nofantarina sy nofaritana tamin’ny iraka indroa miantaona, febroary 2013 sy aprily 2015, ny Vakoka tian-ko soratana, araky ny takian’ny «Orientations» (karazan’ny didy fampiharana ny Fifanekena iraisam-pirenena tamin’ny 1972) : 80 hektara ny faritra tena manan-tantara ary 170 hektara ny antsoina hoe «zone tampon» (faritra manolotra avy hatrany, ahafahana manara-maso sy miaro ary mitantana ilay vakoka). Nararaotina izany fikarakarana izany nanavaozana ny «Liste indicative» ka nampidirana ny Vohitr’Antananarivo (febroary 2016). Ny taona 2017, rehefa nahazo fanampiana ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny CPM (Centre du Patrimoine Mondial) dia nisy fanadihadiana ny ambana «géo-hydrologiques» notarihin’ny Oniversiten’ny Florence. Natao tamin’izany ihany koa ny «inventaire architectural» ny Tanàna Ambony. Mba ho fahafantarana ny mponina dia nisy fanadihadiana nataon’ny «Amis du Patrimoine de Madagascar», ny kabinetra «COEF Ressources» ary ny IRD frantsay (Institut de Recheche pour le Développement) : natolotra ny Ministeran’ny Kolontsaina tamin’ny 3 jona 2020 ny tatitra momba izany. Tokony ho narahin’ny dingana faharoa tamin’ny jona-jolay 2020 saingy nipongatra ny Covid. Raha tsy nisy ny Covid, dia izao no efa vita : famaranana ny antontan-taratasy, fandefasana ny «pré-dossier» tany amin’ny CPM, fanaovana «séminaire national de restitution», fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny antontan-taratasy raikitra amin’ny CPM (janoary 2021), fandinihin’ny CPM ireo taratasy amin’ny alalan’ny ONG ICOMOS, fijerena ifotony ny vakoka atolotra (tokony natao ny febroary-martsa 2021), araka izay fehin-kevitra ataon’ny ICOMOS no hanapahan’ny CPM hevitra amin’ny fivoriany isan-taona. Raha tsy nisy fandavana ny VUE (Valeur Universelle Exceptionnelle), na famerenana hanampiam-panazavana, na fanemorana, dia tokony ho tamin’ny jolay 2021 no tafiditra ho vakoka iraisam-pirenena ny Tanàna Ambonin’Antananarivo. Hatramin’io datin’andro anefa dia nipoitra ny olana maro samihafa: fahasimban’ny endriky ny trano tranainy, fitomboan’ny trano vaovao «moderne», «amphithéâtre béton» naorin’ny fitondram-panjakana ao Anatirova mihitsy ka voatery nanesorana vakoka manan-tantara (NDLR : ny fototry ny Lapa Masoandro), fananganana trano avo tsy lavitra ny vavahadin’ny Rova nataon’ny Ministeran’ny Fanabeazana ho solon’ny trano nanan-tantara nifandraika tamin’ny «art plastique»... Fanontaniana goavana no aterak’izany amin’ny «maha tena izy» (authenticité) ny vakoka, fepetra takian’ny «Orientations», sy ny mbola «tsy nandrombinana» (intégrité) azy. Marihina fa dieny fivoriana janoary 2017 dia efa nanizingizina ireo mpikarakara ny fanavaozana ny «Liste indicative» mba hitandremana fatratra ireo «authenticité» sy «intégrité» ireo. Araka izany, tsy ho ampy intsony ny «critères (ii), (v), (vi)» hampanekena ny maha «vakoka iraisam-pirenena» ny Vohitr’Antananarivo. Tsy maintsy ho ampiana ny «authenticité» sy «intégrité». Tahaka izao, ohatra, ny votoatin’ny «critères de justification de la VUE» ho an’iny Faritra Ambony iny : mari-trano sy endri-tanàna miavaka ahitana lova asiatika sy eoropeana ; fomba amam-panao ahitana ny fifaningoran’ny zavaboary sy ny olombelona mamaritra ilay toerana (site = «oeuvre combinée de l’homme et de la nature») ; fomba mbola tsy very, finoana manana «signification universelle exceptionnelle» (izay efa nampiasaina tamin’ny Vohitr’Ambohimanga, tamin’ny 2000). Ireo nandray anjara tamin’ny fivoriana natao ny 3 jona 2020 tao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina dia nangataka mba ho fangirina mazava izao manaraka izao : «Noho ireo fanamboarana vaovao amin’ny faritry ny Rova, dia tsy maintsy averina ho dinihina ny fangatahana ho VUE (valeur universelle exceptionnelle)». Ireo voalaza etsy ambony ireo dia dika-teny malalaka tamin’ny taratasy navelan’i Profesora Rafolo Andrianaivoarivony ho vakiana nandritra ilay laha-dinika (colloque) teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny alatsinainy 24 aprily 2023 : «Paysage et architecture d’Antananarivo: de la connaissance à la sauvegarde». Tso-drano malahelo sy marikivy no namaran-dRafolo Andrianaivoarivony izany hafatra izany : «Soava-dia hisikim-ponitra mafy izay handimby hamelomaso ny fikasana ho an’ny Vohitr’Antananarivo (ho vakoka UNESCO)».
Plus récente Plus ancienne