Accueil » Chronique » Crematorium
Chronique

Crematorium

Mampanamboatra tokotanim-pasana itambarambe ny Fanjakana. Maro no lavon’ny coronavirus anefa voatery nakatona ny Faritra maro mba tsy hiparitahan’ny aretina. Voatery manao an’irotra izany izay mikasa hitondra ny taolam-balo any an-tanindrazana, any andro, any volana, any taona.

Firy tokoa no fe-potoana ahazoana antoka fa maty tanteraka ilay coronavirus nandavo ilay havana ka tsy atahorana hanangatra? Izay indrindra mantsy no antony tsy nampidirana fasan-drazana ireo matin’ny pesta, ohatra.

Ny Fasan’ny Gasy mantsy, «fasan-drazana» na «fasampianakaviana»: velona iray trano, maty iray fasana. Sanatria ary ka misy maty mifanesy amin’ny fianakaviana iray: ho vohana isan’andro sa isan-kerinandro ny fasana? Ny fofona tsy fofona, ny aretina hiely.

Isak’ireny famadihana ireny, asa fotsiny izay aretina natory tao ka fohazina indray amin’ny fikitikitihina ny efa maty : ampofoina, lolohavina, entina mitety arabe. Ny tsihy nametrahana azy, mbola hifandrombahana ho entina mody. Milalao aretina.

Misy fomban-drazana tsy mifandraika intsony mihitsy amin’ny fepetra ara-pahasalamana. Indrindra raha vanimpotoan’ny areti-mifindra mandripaka tahaka ny coronavirus, gripa espanola, pesta, choléra.

Isan’ireny «fomban-drazana» ireny ny tsy maintsy ampodiana an-tanindrazana ny razana. Fasana an’irotra avy hatrany ireo kasain’ny Fanjakana ireo. Ho alain’ny havany ao ny razana raha vao malalaka ny fifamoivoizana. Tsy atahorana hanaparitaka indray ny aretina ve izany?

Noho izany antony rehetra izany no tokony handraisana fepetra vaovao: ny fandorana razana. Tsy manahirana ny fanaovana an’irotra amin’ny faritra izay mety maha-sarotin’ny tompon-tany (jereo ohatra ny fanoherenan’ny Zafimbazaha) ary tsy sahiran-tsaina ny fianakaviana hiray tokotanimpasana amin’olon-tsy fantatra, no sady azo antoka fa levona miaraka amin’ny maty ny aretina.

«Raha ho avy, Rankizy, ny taona hodiako»; Tsara «Lavenona» ny maty!, «Tsara Levenana» sa «Tsara Lavenona»?: lahatsoratra telo efa tranainy ireo, saingy toa nanampo sahady izao ankehitriny izao.

A. Raha ho avy, Rankizy, ny taona hodiako (08.11.2017): rehefa lasana rainareo dia dory sao misy mangalatra ao am-pasana ao ny taolambaloko ka sady ho alahelo no haterezana ary raharaha ho anareo. Maro olon-tsy vanona ny fiaraha-monina ankehitriny, indrisy anefa, nofoanana antsokosoko ny fanamelohana ho faty. Ny raiko sy ranjoky efa lasan-ko vovoka, tsy misy ahiana intsony hisavika ny fotaka aminy. Ny fandriana vato sivy ao am-pasana koa efa hipoka: taranaka firifiry, zahao sy tetezo ara-bakiteny amin’ny tetiarana navelako ho anareo. Tandremo, fa izaho nankahala vangongongongo fahaveloko, aza ampifampikasohana rehefa maty. Dory, dia ataovy izay tianareo hanaovana ny lavenona fa mibahan-toerana loatra ny fasana. Jereo ny tanindrazantsika, zary tokontanim-pasana sisa.

B. Tsara «Lavenona» ny maty! (01.03.2018): Tamin’ireny firedaredan’ny areti-mifindra ireny no nahatsapana tokoa fa milalao maloto sy misangy loza isika amin’ny fiandrasampaty andro maromaro («Mbola misy andrasana angamba») sy amin’ny fomban’ny olona sasany manao famadihana. Rehefa lasa lavenona, tsy misy ho avadika intsony. Ary mamay aza ny afo, fandio tsy manam-paharoa ihany koa izy. Manahirana antsika mihitsy ity taolambalo ity. Mararirary ery raha hoe «very faty» ka na handoavana volabe ary dia ampodiana «naman’ny entana» anaty «soutes» avy any Andafy. Ankehitriny anefa, manao tohy vakana ny vaky fasana sy halatra taolam-paty: ny lavenona, tsy misy mpanga­- latra, no tena laro azo antoka fa tsy hiala an-tanindrazana raha afafy any.

D. «Tsara Levenana» sa «Tsara Lavenona»? (08.04.2020): Ahoana tokoa moa izany no ho atao raha sanatria ka misy matin’ity coronavirus ity ? Hisy famangiana fahoriana sesilany ve, tsy manaja ny elanelana iray metatra?; ahoana ny fiandrasam-paty hahavory olona maro anaty trano mihiboka?; ahoana indrindra indrindra i Covid-19 izay mihalohalo eo am-para-fofon’ain’ny maty? Avela ho an’ny fianakavian’ny maty ve ny fikarakarana, efa fikirakirana, ny razana na dia fantatra aza fa fomba hifindran’ny aretina sy hiparitahany izany? Apetraka manontolo amin’ny «FaraVeloma» sy «Tsara Levenana» na «Tsara Lavenona» ve ny raharaha rehetra mba «hadio tanana» avokoa ny mpiaramonina? Dia hisy hitomany indray, hampatsiahy ny tantara nampalahelo ny Gasy tratran’ny «gripa espanola» (1919) sy ny pesta (1921-1935): tsy naiditra am-pasan-drazana, tsy azo avadika mandrakizay. Izany «fomban-tany» izany anefa no mety hampanao tampodi-fohy ny pesta sy ny choléra ary ny coronavirus. Misy mantsy «fomban-tany» fanetriben’ny fahasalamam-bahoaka.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter