Ho an’Antananarivo, tanindrazako


Lasa fomba fiteny, sy fanoratra, tononina fahatany, ny hoe «Ho an’ny Tanindrazana», izay noraisin’ny Akademia miaramila ho faneva. Ny «Ho an’Antananarivo, Tanindrazako» dia tsotra tahaka ny masoandro miposaka atsinanana, fara-faharatsiny hatramin’ny taona 1610. Tsy an-tapitrisa, Tompoko, no manana razana, sady lafin-dray no lafin-dreny, milevina eto Antananarivo-Renivohitra hatramin’ny 400 taona. Izay vita izay, no atao hoe «mihady levenambola». Maha-sarotiny ahy efa hatramin’izay Antananarivo. Ny Rovan’Antananarivo. Ny Betsimitatatr’Antananarivo. Ny «Trano Gasy», izay teraka teto Antananarivo. Mety tsy ho iray antoko amin’izay «Ben’ny Tanàna» nomen-tsiliantsofina teo aloha na iaraha-miasa ankehitriny, saingy atambatry ny fitiavana sy faha­- sarotam-piaro an’Antananarivo. «Antananarivo tanindrazako», ambony lavitra noho izay «antokotokon’ olona». Ianareo izay mahatsapa-tena fa mitovy saina amiko: matetika isika tsy mandatsa-bato fahatany raha tsy afa-po tanteraka; impiry isika tsy faly ampo (sa an-dolom-po) noho ny safidy «tsy nifanarahana» (saingy nifanarahana ahoana moa raha tsy tonga akory isika niresaka); ombieny anefa ny sasany amintsika no sodokan’ny lainga tsara lahatra, satria tokoa sasatra niandry ny marina nitavozavoza. Tsy hoe anefa manompa, manevateva, miteny ratsy olona akory (izay tsy mba nitaizana antsika) dia hoe manana ny rariny ary miteny ny marina. Misy ny ohabolan’ny Ntaolo maneso ny vatolampy, Darafify sy Rapeto moana, ka hitsakitsahan’ny voromandalo. Ahazoan-tsiny rehefa tsy miteny, tany ka manana ny rariny. Noho ny fiaraha-monina ankehitriny, afaka mitatatata sy mitabataba avokoa na tsinona na lehibe. Raha tsy misy iray amintsika mba mivolana, ho voadingana hatrany sady hatrizay isika. Tsy «TGV» aho, tsy «IRD» aho, tsy «TIM» akory aho. Tahaka ny tsy naha «AREMA» na «HVR» na «HVM» tamin’ny fotoan’andro nitondran’ireny avy. Fa manohana an’i Naina Andriantsitohaina, araka izay efa nambarako tamin’ny «Haody ry Analaman­- gako...» (6 novambra 2011). Efa tamin’izany no fantatra fa tsy izay misora-tena ho mpiara-dia no tena namana. Noho ny antony samihafa, efa fantatra fa misy ny madilana, misy ny lesoka, misy ny diso, saingy betsaka kokoa ny vato fototra voalatsaka hahatsara lova izay mpandimby rehetra. Na iza na iza. Satria «Ho an’Antananarivo». Manginy fotsiny ny Lalàna sy Hitsivolana tokony amboarina satria mampandringa ny Fitsinjarampahefana. Vao tany am-pisantarana dia efa hay fa misy saonjo tsy an’ny tena ao an-dapa ka tsy maintsy hamarara. Nekena mba tsy hifandirana moa ireny. Fantatra izao fa hadisoana goavana. Ankehitriny, tsy fantatra loatra, iza no mbola namana, iza no efa fahavalo. Tsy haiko, iza no taloha, ny «Fitaizana» sa ny «Fahendrena». Rehefa miteny, mba zava-marina satria azo porofoina. Dia rehefa miteny ihany, teneno manontolo, aoka tsy hisy afenina na hodian-tsy hita. Raha manohitra koa mantsy, tsy voatery handainga satria efa izany no nanimbana ny firenena tamin’ny «tolona» 1991, 2002, 2009, 2018. Raha marina izay hanondroan-tondro, ka misy porofo, maninona no tsy entina Fitsarana? Dimampolo taona aty afaran’ny mey 1972, mbola impiry ny Malagasy no hidikidim-poana an-dalambe: nahitambokatra inona ho an’ny Firenena moa ireny? Noho ny fampanantenana poakaty sesehena, ny fivadiham-pitokisana efa zary fomba fiaina, ny fitaka imaso imaso, marobe amintsika no leo politika arabaki teny. Izao mi tranga ankehi triny izao e to Antananarivo-Renivohitra, satria avahako tanteraka ny fitantanana an’Antananarivo-Renivohitra sy ny raharahan’i Madaga­sikara, dia io resaka politika halantsika io. Ity lahatsoratra ity, antefako amin’ny olona mbola afaka mandre, vonono hihaino, ary tsy hihinana amam-bolony, eny fa na dia ity lahatsoratra ity aza.
Plus récente Plus ancienne