Firy Izahay raha Isika?


Izahay sa Isika? Firy isika no sarotiny amin’ny endrik’izay tazanina, ka mahatsapa hafalifaliana izany rehefa sendra Trano Gasy iray fotsiny voahajan’ny tompony? Na sorisorena avy hatrany raha vao mahita Trano Gasy, mbola tsy ela akory nanaterana adidy, dia tampoka teo voatovana sahady ny rindrina? Hany ka ilay tafo nijoro nitsa­- toka tsara iny lasa vokoka satria nakarina laharana biriky dimy ny lafin-drindrina anefa ny tapenaka mitondra ny vovonana tsy nasondrotra. Manimba maso. Firy isika no malahelo mahita ny fahasimban’ny Trano Gasy, indrindra raha miavaka amin’ny manodidina, tahaka ny Tranon-dRainimboay tetsy AnkaditapakaAmbatomitsangana na ny tranon-dRainian­- jalahy mbola etsy Ambatomainty? Tsy voatery ny malaza be tahaka ireny ihany : etsy Andravoahangy-ambony, manodidina ny sekoly Fitarikandro, misy Trano Gasy, iray, roa, telo, efatra, dimy, tsy lavitra eo. Biriky namelan-kafatra ireo, ka tokony hahasarotiny tahaka ny maha­- sarotiny amin’ny Rova. Andravoahangyambony, Antaninandro, Ambondrona : lalovan-tsy hita satria variana amin’ny zavatra hafa ankoatra ny «Tany-TenyTantara». Rehefa mirodana, tahaka ny tetsy Ankadifotsy-Antanimena, vao hendratsendratra mahatsiaro banga. Indrisy. Io lalana Ratsimilaho ankehitriny io (amiral Pierre tamin’ny andron’ny Vazaha), avy any Imarivolanitra sy Ambatovinaky dia mamakivaky an’Ambatonakanga mihazo an’Antaninarenina. Firy isika no manisa ny Trano Gasy sisa nanamborana manolotra avy hatrany ny arabe? Firy ireo Trano Gasy no efa tahitahiana any an’elakelantrano any raha miditra ny lalankely mankao amin’ny «Tranozozoro/Tranobiriky»? Firy isika no variana mahatsikaritra Tamboho Gasy tavela eto AntananarivoRenivohitra? Ny etsy Tsarasaotra, tsy raharahin’ny mpandalo akory. Ny any Ambatofotsy-Avaradrano sy Lazaina, ambanivohitra lavitra ny mason’ny mpa­- maky gazety. Firy isika no velom-panontaniana raha sendra mitopy amin’ny fasana efa tranainy eto afovoan-tanàna, na dia tsy andevenana intsony aza, fa tsy notrongisina kosa tahaka izay natao tetsy Soarano? Ankoatra ny fanta-daza eny Isotry, Ambato­- mainty, Amboditsiry, misy ery Ambatoroka, misy eny Analamahitsy... Ao amin’ny faritry ny Lapan’Andafiavaratra ao, hono, ny fasan’Andriampirokana razamben-dRaini­haro sy ny Andafiavaratra. Ary aiza marina eo Faravohitra moa izany Fasan-dRatsara­- hoby? Iza koa no mahalala izay fasandRainandriamampandry, ankalazaina isaky ny mitsingerina ny andro nitifiran’i Gallieni azy tamin’ny 1896 ? Iza Imalo, iza Isadoda? Aiditra amin’ny fandaharam-pianarana: eny e, saingy afaka firy taona ireny vao ho sarotiny tahaka antsika? Inona no hitranga mandra-pahalehibe azy ireny? Firy no ho afoy mandra-piandry azy ireo handimby? Ahoan’ny tanora ankehitriny ve ny Trano Gasy sy Tamboho Gasy? Ny teny fifampizarany isan’andro aza, teny malagasy mifanao atsimo sy avaratra amin’ny andry Rajaonah Tselatra (teraka 1863) na Rabearivelo (teraka 1901)? Iza koa anefa moa no mbola mamaky ny asa-soratr’i Rajaonah Tselatra na ny diam-penin’i Jean-Joseph Rabearivelo? Izahay sa Isika?
Plus récente Plus ancienne