Mamalan-kira indray VANF : Antananarivo manan-ko-tantaraina


Taloha, ny hoe «Manan-ko-tantaraina» dia ireo mitaky ho antsoina manokana noho ny soa nataony na ny soa vitan’ny Razambeny ka mampatsiahy izany ny Mpanjaka na ny Lehibe. Ny Tsimahafotsin’ny faribohitr’Ambohimanga sy ny Tsimiamboholahin’ny fari-bohitr’Ilafy, ohatra, no isan’ireo nampanjaka an’Andrianampoinimerina lahimatoan’Avaradrano tsy neken’Imerinatsimo avy hatrany. Rehefa lasan’i Ombalahibemaso tanteraka Antananarivo, izay mbola niadiana tamin’ny Mpanjak’Antsahadinta, dia notsofiny rano Avaradrano : «Ianareo nanao soa tamiko, ataoko matiandro fa velonalina, ataoko manan-ko-tantaraina». Fahiny, «Mihady Levenambola» raha misy diso amin’ny fiaraha-monina na amin’ny Fanjakana. Tsy avela ho fota-mandry ny tantaran’ny razana, izay natao tsara tadidy, nifandovan-tsofina, ka hadiana fongarina indray rehefa amin’ny andro sarotra. Ohatra : raha nisy amin’ny terak’Andafiavaratra, izay natsoina ihany koa hoe «Terak’Andriantsilavo», nahazo tsiny dia nihady ny levenambola hatramin’Andriantsilavo izay mpanolo-tsainan’Andrianampoinimerina nataony manan-ko-tantaraina ; na hatramin’i Rainiharo, izay sady zanak’Andriantsilavo no Lehibe tamin’ny andron-dRanavalona Reniny ; na hatramin-dRainilaiarivony, izay zanak’i Rainiharo no Praministra nandritra ny 31 taona. Mazava ho azy, fa raha vantany vao niova andriana ka lasa Repoblika, dia niova ihany koa izany sata izany. Tsy adino anefa ireny, tsy very : Tantara naha Imerina an’Imerina, naha Antananarivo an’Antananarivo. Manan-ko-tantaraina raha Antananarivo. Efajato taona ny Rova, efajato taona Besakana, efajato taona ny Fitomiandalana. Antananarivo mantsy, tsy Manjakamiadana fotsiny. Antananarivo, mbola Betsimitatatra sompitry ny vary. Izany Anjoman’Antananarivo izany, efa hatramin’izay naha renivohitr’Imerina an’Antananarivo, no Ambohipihaonan’ny mpivarotra sy ny mpividy avy amin’ny lafivalo. Antananarivo manan-ko-tantaraina no nahafikitra teto ny Jeneraly Gallieni sy ny mpandimby azy, na dia seranan-tsambo aza Toamasina, na dia mety ho nahasalama azy Vazaha kokoa aza Antsirabe. A ntananarivo-Renivohitra, renivohitry ny raharaham-panjakana sy raharaham-piaraha-monina : eto ny Governemanta foibe, eto ny foiben’ny Ministera, eto ny Komandin’ny Tafika, eto ny Fitsarana Tampony, eto ny Banky Foibe, eto ireo Masoivoho avy any ivelany. Voninahitra miteraka andraikitra, haja mampanana adidy. Amin’ny endriny ankehitriny Antananarivo dia efa firenena kely mihitsy : isan’ny mponina, sehatra sahanina. Alaim-panahy hiakatra Antananarivo avokoa Imerina Enin-toko sy Madagasikara Lafivalo. (Lehi)Ben’ny Tanàn’Antananarivo izany, hiantsoroka ilay Tantara «taoriana» no sady hibanjina ilay «aoriana» Taonarivo fahatelo. Isaky ny misy manontany ahy mikasika ny safidiko manohana an’i Naina Andriantsitohaina, dia izao no valin-teniko : «Aleoko mifidy olona fantatro ary akaiky azoko resahina sy mba toroina hevitra». Ireo rehetra voatanisa ireo, sy izay rehetra efa nifampiresahana teto efa ho 25 taona izao, azo hanolorantsaina azy isanandro.
Plus récente Plus ancienne