Jesosy mpanao dokambarotra. Ho varotanareo hatraiza ?


Fanjakana laïka hoe? Aza mba mifampivarotra saka be loha re olona ô! Ho an’ireo izay tsy manana olana hidirana any am-paradisa, na any amin’ny afobe na izay toerana hafa tsy hay any; ho an’ireo izay tsy mila koa olombelona hafa hivarotra izany tapakila fidirana any izany dia sahy miteny fa tena ompa ho an’ny finoana Kristianina mihitsy ny fihetsiketsehana etsy sy eroa ataon’ireo kandida mandritra ny fampielezan-kevitra hilatsahana ho filohampirenena . Famitahana ny olompirenena atao amin’ny anaran’ny Fanahy Masina, Jesosy sy ireo olomasina rehetra. Tena mahatsiakiky ny fiovana tampoka misy amin’ireo mitetika ny handrombaka ny fitondrana faratampony. Tampoka teo dia toa nihosotra diloilo masina sy mihevitra ny tenany ho «Mesia» tonga hanavotra antsika rehetra ny ankamaroan’izy ireo. Miakatra ny finoana e! Dia lasa tsara tarehy daholo amin’izato «sary masina». Sary etsy, sary eroa! Ireo mpifandrafy sy mpifanompa taloha, ary mpanompa ny Malagasy ihany koa dia nanjary toa olon-kendry ery miara-maka sary amin’i Kardinaly. Mitsiky tsara, mitandrina fatratra ny havoaky ny vava. Nankaiza ary ireo devoly be nandramatra hatrizay? Novangian’ny anjely angamba ry zareo nandritra ny alina fa toa nanjavona tampoka teo ny fitiavantena, ny fitiavan-tseza sy fitadiavam-boninahitra. Ry lanitra ô! Tsy ireo nampijaly fatratra ny Malagasy nandritra taona maro ve ireo tazana miara-mitokana am-pitsikiana ny trano vaovao miaraka amin-dry pasitera. Moa ve tsy izao ilay atao hoe «aty jerena», fieboeboana amin’ny anaran’ny finoana kristianina. Ampiasaina hanaovana dokambarotra ny anaran’i Jesosy. Tsy fitiavana ny hanao be lazao akory ity lahatsoratra ity. Ataon’ireo kandida izay hananana sary hanaporofoina fa izy ilay nandrasana hatrizay satria madio ara-panahy. Tonga fifaninanana sy hiazakazahana mafy ny fisehoana amin’ireo hetsika ataon’ny fiangonana. Ifaninana mafy ny fanaovana akanjo mitovy loko amin’ny an’ny mpikarakara na dia mahatsikaiky tokoa aza ilay fomba fianjaika indraindray. Ny sasany moa dia manenjika an’i pasitera izato sy i môpera izaroa mba haka sary fotsiny. Ifampitolomana ny ahazaoana seza miteroterona ery ambony lapihazo ka na hanaovana kolikoly amin’ny Fanahy Masina aza tsy mampaninona. Ary raha ilaina ny «hanomezana kely» ny Tompo dia tsy isalasalana mihitsy raha izay no mety hahazoana anjara fitenenana. Tena mahatalanjona leroa ny fiovam-panahin’ireo anaty lisitra navoakan’ny Fitsarana avon’ny lalampanorenana! Toa lasa mpivavaka mafana fo i kandida izato ary tena mpanao adidy ao ampiangonana. Maro ny mpivavaka no latsa-bava hoe «hay va re iny ka mbola mpiray fiangonana taminay e? Tamin’izy mbola tany amin’ny sekoly alahady mantsy no mety nahitana azy farany!» Lasa ampiasaina hanaovana dokambarotra hoy aho ny anaran’i Jesosy. Hatraiza ny fetran’ny hamarotanareo azy? Samy manao sinema sy fihetsiketsehana ny mpanao pôlitika. Andeha ho lazaina fa ady fiady ihany izany. Fa ny tena mahatalanjona dia ny mahita an’ireo olom-piangonana manaiky sy toa mandray anjara amin’izany fandrebirebena maharikoriko ny daholobe izany. Ireo nandrava, namotika, nanolana ny aty fanahin’ny firenena Malagasy nandritra ny taona maro no samy midradradradra avokoa fa tena olon’i Jesosy. Porofony: jereo ny sariny miaraka amin-dry pasitera sy môpera. Azy ireo sy Andriamanitra izany saingy tsy azo ekena ny fahitana an’ireo olom-piangonana toa miray tsikombakomba amin’ny fanosoram-potaka sy fivarotana tsy misy fetra ny resaka ara-pinoana. Asa re, entina hanaovana dokambarotra tokoa ve ny anaran’i Jesosy. Samy mahazo tombombarotra amin’izany angamba na ireo mpanao pôlitika na ireo mpitondra fivavahana izay manao maso be tsy mahita. Vava be samy homana daholo?
Plus récente Plus ancienne