Ankibe mihataka ho Rangahibe


«Ave Caesar, morituri te salutant» : Tsarava, Kaesara, miarahaba anao izahay hamoy aina. Fomba tany Roma, roa arivo taona lasa ary teny latina fiarahaban’ireo babo nofanina ho «gladiatora» (mpitana-antsy) ka asaina miady mifamono mandritra ny lalaon’ny «circus» : fanalàna hamohamo mba hanadinoina ny sorisory, nandrebirebena ny vahoaka rehefa tsy ampy ny sakafo, ka naharaikitra ilay fomba fiteny sady fanao politika hoe «mofo sy lalao». Rehefa hifarana ny ady, dia misy resy, misy mpandresy. Mitodika amin’i Kaesara ilay mpandresy : raha mampitraka ankibe i Kaesara dia avotra ilay resy; raha mampitsongoloka ankibe kosa ny Emperora dia taperina ny ain’ilay resy. Ny «like» amin’ny Facebook no tena mampalaza ankehitriny ny ankibe mitraka. Enti-milaza hafaliana, fisaorana, fankasitrahana. Mazava ho azy fa rehefa mifanohitra amin’ireo kosa (alahelo, hatezerana, fahadisoam-panantenana) dia sarin’ankibe mitsingoloka no mipoitra. Asa moa, amin’ny andininy aiza amin’ny didy aman-dalàna eto Madagasikara no mamaritra io ankibe mitsingoloka io ho heloka. Fanehoan-kevitra somary maneso angamba tsy ompa, tsy ozona, tsy tevateva. Zavatra tokony raisina an-kamorana, tokony tsy asarotina amin’ny tsy antony. Lasa roritin’ny olona dia tonga itatra tokoa. Ho resabe hifampikihoina mandritra ny taona maro, tahaka ilay «C.O.N.» nitorian’ny Filoha Zafy Albert an’i José Andrianoelison izay nafahan’ny Fitsarana. Ho an’ny mpitondra, tsy te hahazo ankibe mitsingoloka, efa fantatra hatramin’ny andron’ny Romana ny tokony atao: vahoaka tsy avela ho mosarena, afaka manantena rafi-pitsaboana manara-penitra marina, miandrandra fampianarana tsy manambaka ny zanany, ary mahatoky ny mpitandro filaminana sy ny rafi-pitsarana. Ankoatra ireo, indrindra raha toetra sy fanao manafintohina, sarotra kosa aloha ny hahazo tehaka. Efa naneho ny Banky Erantany (Banque mondiale), tamin’ny mey 2022, fa Malagasy valo amin’ny folo no miaina amin’ny vola ambanin’ny tokonan’ny fahantrana izay 2.15 dolara isan’andro. Vao namoaka fitaovam-pandrefesana vaovao indray ry zareo : «plateforme PIP» (Plateforme Pauvreté et Inégalités), izay hahafahana mampitaha ny fahantrana sy ny «hady-saranga» (fa tsy adintsaranga) eto Madagasikara. Andanin’izany anefa dia misy volamena ampolokilao maro manjavona etsy, tsy hita popòka eroa, harem-pirenena very atsy, nangalarina aroa. Tsy hisy vahoaka ho faly sy hihoby amin’izany. Post-scriptum : Ny halavan-drefy gasy dia miainga amin’ny rantsantanana : ankibe, fanondro, fanondroadala, manarapoana, ankikely. Araka izao fitanisa’i Rajemisa-Raolison Régis azy izao ao amin’ny «RAKIBOLANA». Farafaharatsiny ity resaka ankibe mitsingoloka ity, nampitombointsika fahalalana efa adinodino. ANKY : halavan-drefy kely indrindra, mitovy amin’ny haben’ny ankibe iray, izay atao hoe iray anky na eranky na hoe voatondro iray. ANTSEFAKA : halavan-drefy mitovy amin’ny elanelan’ny fanondro sy ny anky, izay hoe mitovy amin’ny voantondro efatra. HAKIHO : halavan-drefy hatreo amin’ny loha-fanondroadala ka hatreo amin’ny kiho. Mitovy amin’ny roambinifolo zehy. VOATONDRO : ny refy mitovy amin’ny haben’ny rantsana iray izay atao koa hoe anky. ZEHY : halavan-drefy hatreo amin’ny ankibe ka hatramin’ny tendron’ny fanondroadala henjanina tsara. Ny halavan’ny zehy iray dia mitovy amin’ny voantondro valo na folo eo ho eo.
Plus récente Plus ancienne