Accueil » Onjam-piainana » Mitady fanampiana – Ao anatin’ny fahasahiranana ny « Météo » Malagasy
Onjam-piainana

Mitady fanampiana – Ao anatin’ny fahasahiranana ny « Météo » Malagasy

Misedra olana ara-bola sy ara-pitaovana goavana ny foibe famantarana ny
toetr’andro Malagasy, amin’izao fotoana izao. Mila tolotanana avy any ivelany hiatrehina ny fotoam-pahavaratra sy ny rivo-doza amin’ ny taona ho avy. Nanatan­teraka tatitra vonjy maika tetsy Andraharo ny foibe famantarana ny toetr’ andro, ny alakamisy lasa teo. Ny tanjona amin’izany dia ny hangatahana fanampiana ara-bola hiatrehina ny fotoan-tsarotra.
« Amin’ny fanatrehana ny fotoam-pahavaratra 2016-2017, sy ny fiatrehana ny rivo-doza dia mila vola 900 tapitrisa ariary eo ny foibe famantarana toetr’ andro Malagasy. Ankehitriny anefa dia tsy manana afa-tsy ny am-pahefetr’io vola io ny foibe famantarana ny toetr’ andro», hoy Rahariveloarimiza Samueline, tale jeneralin’ny famantarana ny toetr’andro etsy Ampandrianomby omaly.
Sedrain’ny foibe famantarana ny toetr’andro koa ny tsy fahampiana ara-pitaovana. « Tsy manana afa-tsy ivon-toeram-pandrefesana ny toetr’andro 20 isa ny Malagasy. Farafaharatsiny anefa, tokony ho 50 isa no tokony hananantsika. Ny velaran-tanin’i Lafrantsa dia mbola kely noho ny velaran-tanin’i Madagasikara, nefa izy dia manana ivon-toeram-pandrefesana ny toetr’andro 5000 isa. Lasa sakana amin’ny fanomezana vaovao marina momba ny toetr’andro izany tsy fahampiana ara-pitaovana izany. Isany tena ilaina ihany koa ny fisiana radar, mba ahafahana manome vaovao marim-pototra momba ny toetr’andro ho an’ny vahoaka Malagasy, izany indrindra no ilana ny tolon-tanana », hoy hatrany ny tompon’andraikitra.

F. R.