Ireo «Gasy» tany Tromelin, 1761-1776 (tohiny)


Nandritra ny dimiambinifolo taona nipetrahany tao amin’io nosy-kely zara raha misy 100 hektara io (1700 métatra ny lavany, 700 métatra ny sakany lehibe indrindra), dia nahatsiaro tena ho olombelona indray ka nahavita namorona fiaraha-monina vaovao ireto takalom-basy ireto. Ny fikarohana nataon’ny arkeôlôgy notarihin’i Max Guérout sy Thomas Romon, tamin’ny taona 2006, 2008, 2010 ary 2013, izany hoe 224 taona taty aoriana, no nahafantarana misimisy kokoa ny momba azy ireo. Ambaniandro very anarana sy very zo ary very tantara, vahoakan’Andriamasinavalona sy ny zanany efatra-mirahalahy variana nifandrirotra Fanjakana. Vintana inona loatra no an’ireto olona ireto fa dia mainka mbola nilaozan’ny matiloa saika hamarotra azy na dia nanampy ireto Vazaha nanamboatra ilay sambo nantenainy hiaraha-mandao ilay nosy haolo. Ambaran’ny arkeôlôgy fa Merina ireo olona nandevozina ireo : ny toetoetry ny trano namboariny sy ireo fitaovana nampiasainy no isan’ny namaritana izany. Vanim-potoana nanaraka ilay nizaran’Andriamasinavalona ho efatra ny Fanjakana ka nandry an-driran’antsy Imerina Efa-Toko. Fikorontanana noho ny ady an-trano ka tsy nahagaga raha nifamabo isam-bohitra ny samy Merina, ary tafakatra nijirika olona ihany koa ny Sakalava (avy any andrefana) na ny Bezanozano (avy any atsinanana). Tromelin dia akaiky an’i Madagasikara (450 kilométatra atsinanan’Antalaha) kokoa noho ny nosy Maorisy sy La Réunion (550 km atsimo atsinanany), saingy ny Filoha teo aloha, Didier Ratsiraka, no nitso-drano an’i Maorisy hitaky an’i Tromelin tamin’ny taona 1977. Hatramin’ny mey 1954 moa dia efa nametrahan’ny Frantsa famantarana toetr’andro ny toerana. Tsy dia nitandrina loatra ny maha-vakoka ireto trano ireto ny mpamantatra toetr’andro tonga tamin’ny 1954. Ny sasany aza moa, nahavatra nandavaka tetsy sy teroa nikaroka «trésor». Ny tapany ambony tamin’ny rindrina sasany, nangalàna tsotra izao ny vato nanamboarana ilay «station météo» vaovao. Trano roambinifolo miendrika tanàna kely no naorin-dry zareo tamin’ny harandriaka. Nanaitra ny mpikaroka fa mitovy rafi-bato amin’ny ivelan’ny fasana (sy manda) merina ny rindrina anatiny : rindrina matevina be, mahatratra iray métatra sy sasany, ary milentika ambanin’ny fasika ny antsasany. Ny haben’ny efitra anatiny dia etiety ihany : izany no nataony, raha ny fandinihina azy aty aoriana, dia noho ny fahasarotan’ny fanamboarana tafo, satria tsy misy akora mihitsy ilay nosy fasika. Izany trano matevin-drindrina sady somary milevina izany no niarovan’izy ireo ny tenany sy ny entana amam-pitaovany fa indrindra ny afo-tsy-maty, tamin’ny rivo-doza nifanesy nandritra ny dimiambinifolo taona. Ilay nosy-kely amin’io tsy mihoatra afa-tsy valo métatra amin’ny ranomasimbe, manodidina sy mandindona sady mandiboka. Mba hahazoana an-tsaina ny nanjò ireto olona ireto, isaky ny mandalo ny rivo-doza, dia indro ny fitantarana ny herin’ny rivotra, tamin’ny zoma 15 febroary 2008, raha nandalo 25 km Avaratra-Avaratra-Atsinanan’i Tromelin ny rivo-doza Ivan izay 65 km no velaran’ny masony : rivotra nifofofofo 96 km isan’ora nandritra ny folo minitra tamin’ny dimy hariva ary tafiotra mifafy 150 km isan’ora. Safo-dranomasina manontolo ve ilay nosy-kely, nahatanty ny rivo-mahery ve ny rindrina, ahoana no niarovan-dry zareo ny afo-tsy-maty ? Fanontaniana tsy mbola ahitam-baliny. Gaga ihany ny tena, aty amin’ny taona 2023, mahita ireto trano nantenain-kialofan’ny tra-boina, mikipaka tafo na rava rindrina vao miserana ny tafiotra. Sekoly (manara-penitra sa tsy manara-penitra ?) moa ny ankabeazan’ireny trano heverina ho mafy noho ny hafa manodidina ireny kanefa dia izao nantenain-kanirina mainka mampivandravandra ny mpanakora izao. Mba ambakain’iretsy andevo adino tany Tromelin iretsy kosa izay tompo-marika sy nanangana itony trano manala-baraka ankehitriny itony. Ireo tahiry nanovozana : Max Guérout, Mémoire d’une île, CNRS Éditions, 2015 Max Guérout, Thomas Romon, Véronique Laroulandie, Christine Lefèvre et Philippe Béarez, Survivre à Tromelin. Stratégies d’adaptation de naufragés sur une île déserte au XVIIIè siècle, Archéopages : archéologie & société, 2013, 38, p.24-31 Max Guérout & Thomas Romon, Tromelin l’île aux esclaves oubliés, Paris, CNRS Éditions/INRAP, 2010
Plus récente Plus ancienne