Accueil » Chronique » Fambolen-kazo : ataovy Fady sy Faritra Mena ny ala !
Chronique

Fambolen-kazo : ataovy Fady sy Faritra Mena ny ala !

«Mirotsaka tsikelikely ny orana, miantomboka ny fahavaratra, fotoana fanatanterahana ny fambolen-kazo» : tsy efa somary tara ve ny Fahavaratra raha 29 desambra 2022 vao «mirotsaka tsikelikely ny orana», araka ny nambaran’ny Ministera ? Tsy inona no mahatonga izay fahataran’ny rotsak’orana izay fa ny afitsok’olombelona ihany, ary indrindra indrindra ny tevy ala sy ny doro-tanety na ny fanotofana ny tanimbary, dobo, kamory, farihy, mitahiry hamandoana.
Rotsakorana nijotso tsy tapaka, nihoatra ny hadimiana, efa «ilaifito» mihitsy, no nentin’ilay rivo-mahery (tsy loza ihany no entiny fa rano ihany koa, izay tena ilain’ny faritra atsimon’ny Nosy) tapaky ny volana janoary 2023. Ho vonto tokoa ny tany amin’ny fambolen-kazo ôfisialy amin’ny 28 janoary. Saingy, rehefa tafatsatoka avokoa ny zana-kazo rehetra, dia ahoana ?
Raha izay telopolo taona nandraisako anjara tamin’ny fambolen-kazo isanisany izay, asa nahatsatoka zana-kazo firy tokoa moa aho. Tsy izay zana-kazo hangalana sary loatra anefa no zava-dehibe, fa ny isan’ireo naniry tokoa ka nitombo ho hazo mahazo faka miaro ny tany.
Sarotra ilay angatahin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana, amin’ny alalan’ny DREDD (ohatra, Analamanga), hoe «Hiantoka ny fanaraha-maso, ny fanolokoloana ary ny fiambenana ireo zana-kazo novolena mandritra ny fitomboany».
Raha iny Lalam-pirenena Faha-Efatra iny fotsiny, ahitana «site de reboisement» (toeram-pambolen-kazo) maromaro : tsy hisy fikambanana afaka hiambina ireo zana-kazo isan’andro, marain-tsy hariva ary mandavantaona. Iaraha-mahalala ary tsy takona afenina anefa ny doro-tanety anelanelan’ny Distrika Ankazobe sy ny Distrika Maevatanàna. Na ny an’ny Governemanta aza fongan’ny afo ! Hatrao anatin’ny «faritra voaaro» tahaka an’Ambohitantely sy Ankarafantsika aza, levon’ny doro-tanety ! Mandra-pahatonga any Mahajanga, firy hektara no tazana kila mivolon-davenona.
Raha ny soa andrasana amin’ny fambolen-kazo, HELOKA ny fanimbana ny ala. Heloka amin’ny mpiara-belona, heloka amin’ny taranaka, heloka amin’ireo biby manan’aina, indrindra fa ny sasany tsy misy afa-tsy eto Madagasikara. Amin’ny maha-heloka azy, saziana araka izany ny doro-tanety, ny tavy, ny fandringanana ny ala, ny fihazàna biby voaaro. Mety haha-tapa-doha.
Niantso ny mpanao gazety ny ONG «Graine de vie», tamin’ny 10 janoary 2023, ka naneho ampahibemaso ny alahelony sy ny hatezerany. Ahoana kosa moa no tsy ho leo : eo am-panombohana, tampon-tanety voavoly hazo miisa 50.000 ; fotoana fohy monja, io tanety io ihany, kila tanteraka raha mbola tsy lehibe akory ny hazo. Tamin’ny doro-tanety nandripaka ny faritra voaaro any Ambohitantely, volana oktobra 2022, mahonena ny mahita ny ivi-tsaka antsakain’ireo mpiaro ny ala hoe hamonoana ny afo.
Ohatrinona, na ariary na dolara, no mahazo fiaramanidina Canadair telo na efatra, afaka mantsaka ranomasina na ranomamy atobaka amin’ny doro-tanety sy tavy, izay vao miainga dia efa hita amin’ny «sary satellite» sy ny «drones» ? Mendrika hanokanana ny teti-bola ho an’izany fitaovana izany ny fiarovana ny zava-boary, ny ala, ny tanety.
Atsangana ho FADY ny hazo sy ny ala mba hiarovana azy. Tsy faka taranaka ary tsy miditra fasan-drazana izay manimba ala. Raha ny fahasahiranana isan-taona, mamboly hazo ombieny ombieny, manafintohina loatra ny mahita ny fandringanana ataon’ny hafa. Atsangana ho «FARITRA MENA» ihany koa ny ala ka hanokanana olona sy vola ary fitaovam-piadiana tahaka izay fiarovana ny lapa-panjakana tahaka an’Ambohitsorohitra na Iavoloha.
Atsangana ho vondrona miaramila, tahaka ny Tafika sy ny Zandary, ihany koa ny «Mpiaro Ala» : mitana fitaovam-piadiana hiatrehana andro aman’alina ny mpitevy ala sy mpanapaka voamboana sy andramena ary ny hazo hafa lafovidy mahabe fakam-panahy.
Tamin’ny volana septembra 2012, ny ONG «Graine de vie» no nilaza ho nahavita namboly hazo 1 tapitrisa. Ohatran’ny hoe marobe izany, saingy kely dia kely raha oharina amin’ny velaran-tany kila sy ny isan’ny hazo tapaka isan-taona, nandritra izay enimpolo taona izay, ary hatramin’izay roa arivo taona nisian’ny olombelona mpanao tavy sy mandazo ala izay.
Firifiry akory izay fambolen-kazo ôfisialy atao malaza an-gazety sy haino aman-jery izay : rakotra ala aiza anefa i Madagasikara ? Mihena am-pitoerana isan’andro ny ala : maty ny biby tsy manam-paharoa, lany tamingana ny zava-maniry fanao raokandro, kaohin’ny riaka ny nofon-tany dia ireny mamotaka an’Ikopa sy Betsiboka ireny, sanatria toa miloko rà.
Zava-poana, tahaka izay efa natao ombieny ombieny izay enimpolo taona izay, zava-poana izay fambolen-kazo rehetra raha tsy ireo fepetra voatanisa ireo no tafapetraka.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter