Accueil » Chronique » Ranomasina ampototr’i Manjakamiadana
Chronique

Ranomasina ampototr’i Manjakamiadana

Mandrezatra rano Ampasimbe. Miholikolika ambanin’ Ambatomanoina ary mivelatra mihoa-pefy mameno toerana ampovoan’Ambohimalaza sy Ambohipiainana. Mahafinaritra ny mahita ilay riana, etsy ambanin’Ambohitrombihavana, misasasasa mafy feo fa tsy mihafihafy zara raha heno bitsika. Renirano matevina izy mandalo an’Ambohimangakely, ndeha hihazo an’Andranovory fotoanany amin’Ikopa.

Ela ny ela, ka nahita maso, fa tsy hono fotsiny. Azo lakanina manontolo tokoa avy eo Ambohimangakely hatreny Amoronankona ampototr’Ambohipeno. Tahaka ny toerana hafa voalaza amin’ny Tantara (zahatra nampitohy an’Alasora sy Anosimanjaka), na noraiketin’ny lovantsofina (lakana miainga Analakely hatrany Ivato) na nolazain’ny Raiamandreny (lakan-drano avy eo Ambodin’Isotry tonga any Anosy-Avaratra).

Lasa ranomasina ny sisiny havia amin’Ikopa: tanana maro efa vita tamboho, saingy tsy mamefy afa-tsy rano miandrona. Misy «éléments de language» efa hiverina ato ho ato: «tsy ny fanotofana (remblais) hono no ratsy, fa ny fanajariana (assainissement) no tsy ampy». Fanontaniana tsotsotra: ny samy mpanafatra ranontany, sady manimba tendrombohitra no manempotra tanimbary, no hiantoka ny azy sa ny Fanjakana no hisolo vaika ny akalana, ka iza no hitatatra ho an-dRainilaizafy?

Io bypass io dia marina kokoa mampitohy an’Iavoloha (RN7 PK12) amin’Amboromanina (RN2 PK 11+070). Sao mba diso ary ny Kaominina Ankaraobato manondro hoe «Ifahiry» ilay toerana anorenana ankehitriny ny usine Habibo hamokatra ronona «tetra pack» etsy amin’ny bypass? Raha ny habetsahan’ ny rano mamonto ny ranontany saika hanotofana ny 22.438 M2 mantsy dia heverina ho marina kokoa raha «Ifarihy» no anaran’ny toerana. Tsy lavitra eo, na dia efa nomen’ny Kaominina Ambohijanaka aza ny alalana hanotofana 60.000 M2 amin’ny farihin’i Dorodosy fahiny, dia toa herim-po very maina ny ranontany notaomina avy eny amin’ny RN7-PK20 satria ranonorana roa andro dia niverina ho dobo eo Dorodosy.

Izao mitranga eny amin’ny bypass izao dia efa an-taona maro no manaratsy endrika ny route-digue miala etsy Ankadimbahoaka. Ambadik’ireo fefy vy izay manemitra ny arabe ireo, mbola rano avokoa saingy efa voakasa ho totofana avokoa. Asa, izao tondra-drano mba nanaitra ny sasany izao, raha mba hampiova hevitra ny rehetra hanohitra ny lalankita-kisoa amin’ny «remblais».

Ny tena endrik’Antananarivo sy Betsimitatatra dia hita taratra avy eny andrefan’Ilanivato sy Anosi(m)patrana: tilikambo telo milahatra, misongadina mihoatra ny tafo fonenana, ka avy eny amin’ny Nosy no mandinika milamina ny rano manodidina. «Nosy aty am-patrana, na nosy tsy misy ala», hoy ny Firaketana: «vohitra eo amin’ny nosin-tany lavalava, ny ony Ikopa no manodidina azy avy eo andrefana, ary tanimbary avokoa, izay hetrina voasaron-drano sy zavamaniry fahiny, no ao amin’ny lafiny sisa».

Andro alahady moa, taorian’ilay ora-nikija. Nitohy niankandrefana ihany ny dia. Teo avaratr’Ambohitrimanjaka, nijanona mihitsy nandinika an’Ikopa. Io alahady io, tena ony Ikopa. Tahaka io matanjaka io izy rehefa hivady amin’i Betsiboka any avaratr’i Maevatanàna fa tsy ilay ivi-tsaka dikaina tongotra etsy amin’ny toho-dranon’i Tanjombato rehefa main-tany.

Tazan-davitra Ikopa sy Andriantany manao Andranovory. Ohatran’ny azoko an-tsaina, izany lakana miala eo Anosimaha- velona, anelanelan’i Tanjombato sy Ankadimbahoaka, mizotra amin’ny lakandranon’Andriantany, izay nomena izany anarana izany noho izy eny akaikin’ny vohitr’Andriantany no mivarina ao amin’Ikopa.

Mamakivaky ny faritra iva Andriantany. Mampidi-drano an’Itsimitatatra. Mahitsihitsy tsy mivily firy hatreo avaratr’ andrefan’Ampefiloha efa hidona amin’ny 67 hektara: hatreo dia milahatra aminy tanteraka ny lalamby Soanierana-Soarano. Eo atsinanan’ny 67 hektara no manomboka miholikolika: Manarintsoa, Ambodin’Isotry, Anatihazo, andamosin’ny taniben’ny gara Soarano, manolotra ny Malacam, Antohoma- dinika, Ankazomanga, Ankorondrano, Alarobia, dia mihodina atsinanan’Ambohimanarina mamonjy miankandrefana any Ikopa-Andriantany.

Raha io lakan-drano io, izay mitety ny lemaka miala eny andrefan’i Soanierana ka hatrany Laniera, no vita lehibe sy madio, manara-penitra e, azo heverina hanampy amin’ny fifamoivoizana efa manempotra an’Antananarivo, no tsy hanafintohina tahaka ny teleferika, kasaina hisavika ny vato eny Andohalo sy Antsahatsiroa, anefa ny mponina eny aza antsoina maika hiala amin’ny tranony noho ny tany sy vato mety hihotsaka.

Maromaro ny olona no nijanona naka rivotra amorondrano: teny Andranotapahina ambanin’Ambohidratrimo na tetsy Laniera akaikin’Ambodifasina. Toerana azo atao fitsangatsanganana mahafinaritra ny moron-drano, saingy adino hatrany moa ny manao lavaka (rehefa handavaka ihany) hanamboarana farihy/dobo/kamory hanangonana ny ranon’orana tsy ho very fotsiny any Bevomanga sy Farahantsana.

Tamin’ny tondra-drano, volana marsa 1959, novinavinain’ ilay «ingénieur hydrologue» Marius Aldegheri (ORSTOM) ho 500 000 000 (dimanjato tapitrisa) M3 ny habetsahan’ny rano nandifotra ny lemak’Antananarivo ary rano 1 020 000 000 M3 no natobak’ireo renirano mamatsy azy: Ikopa, Sisaony, Imamba. Raha izany «ranobe mangeniheny» izany no nangonina, efa impiry nahazo Alaotra sy Itasy ampototr’i Manjakamiadana. Izay mitaingina lakampiara, mitaingina lakampiara, tsy mila mandeha lavitra any Sainte-Marie. Izay te hanjono, manjono. Ho rano madio izany rano izany, ho Mandroseza fanampiny fa tsy ho fanarian-tatatra tahaka izay nanaovana an’Anosy sy Masay.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter