Daba-pako famakiam-boky


Omaly, efa taorian’ny mitatao vovonana nampikatonana ny fivarotana rehetra. Mbola tsy nihilana kosa ny masoandro. Zazavavy iray, miteronterona eny ambony dabapako tetsy Besarety-Soavinandriana. Tonga saina tampoka aho fa, nisy fotoana mantsy, nomena laharana tsirairay avy ireny daba-pakon’ny FIV/ANTA/REV ireny: izany hoe manana laharana mety ho mari-toerana kokoa noho ny trano sasany «mindrana» adiresy, toy ny hoe «Près» na «Bis». Misy amin’ireo dabapako ireo tokoa ataon’ny Quat’mi rindrina ka ao an-damosiny, misy fianakaviana kely monina. Tsaroana manokana ilay daba-pako tetsy am-pitan’ny Foibe Taosaritany Ambanidia. Fa miverina amin’ilay zazavavy sahabo ho valo taona tetsy Besarety, ambonin’ ny daba-pako tsy lavitra ny biraon’ny Fokontany Avaradoha. Efa mahazatra moa ny mahita ireo mahantra marobe mikaroka fako ka mampalahelo ihany fa tsy mahataitra intsony. Tsy isika lehibe ihany no tsy rototra intsony, fa na ny zanatsika ihany koa aza tsy tafintohina intsony. Sanatria ka izany no «laoniny» eto Madagasikara : olona mitsindroka fako, fianakaviana matory anaty tunnel, zaza mibaby zazakely mangataka andalambe. Ny Quat’mi «mahazatra» dia mandro­- vitra «sac poubelle» no mahamaika azy. Fa ity zaza ity, nahita «magazine» tao anaty fako. Adinony ny anton-diany teo; adinony ny toerana nisy azy; adinony hatramin’ny fiainan-tsarotra andavanan­- drony. Namaky ilay boky izy no nandalo aho. Tsy misy maha samy hafa azy amintsika (sasany) mahavatra mipetraka anaty FNAC na Barnes&Noble Bookstore (ilay «Fox and Sons Books» amin’ilay film «You’ve Got Mail»): tafapetraka na manonofy mitsangana, sondriana mamaky boky tsy (mbola) nialam-bola. Ity zaza mamaky boky anaty dabapako ity dia mbola mampatsiaro ahy mianadahy kely taloha, tany amin’ny taona 1990s tany ho any (fa efa nisy Quat’mi tany amin’ny telopolo taona lasa): teo Analakeky teo, akaikin’ny Select Hotel, nanoloana ny trano nisy ny Cercle Germano-Malagasy taloha, zaza roa manao «devoirs» ambany jiron’ny Jirama (fa mbola nirehitra ny jiron’ny Jirama tamin’izany). Asa mba nanao ahoana izay ireny zaza ireny... Enga anie ka tafavoaka rehefa nandia fianarana. Nandia fianarana sy namaky boky. Nahavitako nitety an’izao tontolo izao mantsy ny boky nandaniako ny fahatanorako tsy nihetsika teo ampandriana. Isan’ny mahafinaritra indrindra isa-maraina, na mainandro na merika, ny mahita ireto ankizy marobe mamonjy sekoly. Ry Raiamandreny, taizao ho tia boky ny ankizy fa ity aza, zaza eny ambony dabo-pako, tafala lavitra dia lavitra, nentin’ny boky sendra ny tanany: «Eritreritra, Nofy Mangina» (J. -J. Rabearivelo)...
Plus récente Plus ancienne