Ho anareo fatra-mpanenjika ny Franc-Maçonnerie


Mahagaga ahy ny fahasahian’ny mpitondra fivavahana sasany, noheverina mba nandalo fianarana ambony ara-teolojia, anefa mandainga imaso imaso izao rehefa miresaka Franc-Maçonnerie. Mampalahelo ahy ny olona mihinana amam-bolony izao rehetra hita sy re tanisain’ny hafa rehetra izao. Mampatahotra ahy ny fisainana sasany eto Madagasikara raha izay diso ao amin’ny Wikipédia no hanaovana «copier-coller» ombieny ombieny ka hitaizan-tsaina. Noheveriko fa efa taona roa arivo isika. Tany any amin’ny taonjato faha-19 mantsy, mbola tsy dia ampy fahalalana loatra ny olona, ka mbola minomino foana izany bibiolona izany. Moa tsy lazainy fa bibiolona avokoa moa rehefa tsy takatry ny sain’ny sasany : ka nahita ary ve ny Mpiandry nentina nanadio an’Ambohitsorohitra sy Iavoloha tamin’ny 2002 ! Misy tantara mipetraka izay nitranga tamin’ny 1892 ka nahatonga ny fanaratsiana amin’ny tsy marina ny Franc-Maçonnerie eto Madagasikara. Mompera Jesoita, Adrien Boudou, no mitantara ny fifandisoam-pitenenana ka nahatonga ho «Mpaka fo» ireo izay te «haka ny fon’ny olona» : azo vakiana ao amin’ny «La Mission de Tananarive», takila 194 (Imprimerie Catholique, taona 1941) izany. Ireo izay liana handalina ankoatra ny tsaho miparitaka amin’ny Facebook sy any amin’ny Fiangonana sasany, ity ny lahatsoratra mitantara ny adin’ny Franc-Maçonnerie sy ny Jesoita 126 taona lasa izao : «Le procès des Francs-Maçons contre les Jésuites à Madagascar, de 1891 à 1892», nosoratan’i Gabriel Pain, ao amin’ny Bulletin de l’Académie Malgache, tome 45 (1), 1967, pp. 57-62. De Canonvile, Doeirer, Hanning, Iribe, Mithridate, Poujard et Rigaud, ireo Francs-Maçons nametraka fitoriana. Ireto kosa ny anaran’ireo Jesoita notoriana noho ny boky navoakany ny 2 janoary 1891 : Monseigneur Cazet, Eveka, Mompera Bardou, Lehiben’ny Jesoita teto Madagasikara. Ny raharaham-pitsarana teto Antananarivo dia nanomboka ny 4 febroary 1891 ary nifarana ny 18 febroary. Voaheloka handoa honitra ny Jesoita ka nampiakatra tany La Réunion. Noravan’ny Cour de Cassation tany Paris ny didy navoakan’ny Fitsarana ambony tao La Réunion ka natolotra ny Cour d’Appel tany Aix ny raharaha : ny 6 aogositra 1892 no voaheloka noho ny fanalam-baraka Monseigneur Cazet sy ny namany. Hatrany am-boalohany ny Jesoita no resy lahatra fa ny fanabeazana sy ny fianarana no fitaovana tsara indrindra hanova toe-tsaina. Azo inoana fa voazarany tamin’ny mpianatra sy ny mpiangona ny «encyclique Humanum Genus» nivoaka ny 20 aprily 1884, «condamnant le relativisme philosophique et moral de la Franc-Maçonnerie». Azo inoana ihany koa fa arahiny ny fanambarana nataon’ny «Congrégation pour la Doctrine de la Foi», nosoniavin’i Kardinaly Joseph Ratzinger tamin’ny 26 novambra 1983 : tsy miresaka «excom­munication» intsony, na dia mbola mandrara ny Franc-Maçon handray komonio. Lasa zanatany i Madagasikara nanomboka ny 6 aogositra 1896. Ny Jeneraly Gallieni no Governora Jeneraly voalohany. Nandimby azy Victor Augagneur, 1905-1910. Ben’ny Tanàna Lyon izy hatramin’ny 1900 ary Franc-Maçon hiringiriny satria Vénérable ny Loge nantsoina hoe «Les Amis de la Vérité». Laïka hiringiriny ihany koa izy ka niady tamin’ny sekolim-pinoana teto Madagasikara. Mainka moa fa Charles Renel, Franc-Maçon hafa, no notendreny ho «Directeur de l’Enseignement», karazan’ny Ministry ny Fampianarana teto, nanomboka 1906 ka hatramin’ny 1925, taona nahafatesany. Voasoratra amin’ny boky «sérieux» izany rehetra izany : «Charles Renel : une vie, une époque, une oeuvre. Éléments de biographie», nosoratan’i Roubeau-Raharisoa, in Études Océan Indien, 40-41/2011. Ingahy Victor Augagneur, izay lasa Ministra tany Frantsa rehefa niala teto, no nahitana teto Madagasikara ny «instruction secondaire publique». Izy ihany koa no nampiditra ny voly «vanille» tany Antalaha sy ny fitrandrahana ny «charbon» any Sakoa. Ireo «phares» manazava ny seranan-tsambo eto Madagasikara dia mbola tamin’ny androny. Ankoatra izany dia ilay didy tamin’ny 3 marsa 1900 nanome ny Teratany Malagasy sasany ny zon’ny «Citoyens français». Ingahy Charles Renel indray dia namela ho tsangambato boky telo mitahiry ny Angano malagasy isam-paritra. Fa ny tena tsy hahavery anarana azy, ho an’izay te hahafantatra antsika, dia ny boky roa «Les amulettes malgaches. Ody et sampy» (1915) ary «Ancêtres et dieux. Anciennes religions de Madagascar» (1923). Sendra tafaresaka tamin’i Père Pedro aho ny sabotsy lasa teo. Amin’ny maha Mompera katolika azy dia nanontaniako ny heviny mikasika ity resabe manodidina ny Franc-Maçonnerie ity, anefa dia efa fivoriana iraisam-pirenena firy no nataon’ny Franc-Maçonnerie teto Madagasikara : Rencontres Humanitaires et Fraternelles Africaines et Malgaches (febroary 2017), Journées Maçonniques de l’océan Indien (oktobra 2015). «Izaho, hoy izy, mahita fa préjugés tany am-boalohany tany io fa efa tokony hilamina». Tsy ho tanisaina eto angamba ny Mompera hafa sy Pastora efa malala-tsaina. Ireny Pastora sahy manoso-potaka ny Franc-Maçonnerie ireny, moa fantany firifiry akory ny Loholona sy Diakona manampy azy am-panetren-tena sy am-pahendrena feno fitiavana amin’ny asan’ny Fiangonana ? Tsy ny Franc-Maçonnerie no nanapa-tenda ilay Mompera tany Frantsa. Tsy ny Franc-Maçonnerie no nanapoaka ny Bouddha tany Afghanistan. Tsy ny Franc-Maçonnerie no mandripaka ny olona any Irak sy Syria. Tsy ny Franc-Maçonnerie no nampanapaka ny bois de rose. Tsy ny Franc-Maçonnerie no mpiahy ny dahalo. Tsy ny Franc-Maçonnerie no mpampangala-jaza. Ka aza mandainga. Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne