Ireo «Gasy» tany Tromelin, 1761-1776


Ny 22 jona 1761, tamin’ny efatra tolakandro, dia niala tao Foulpointe ny sambo frantsay nitondra anarana hoe «L’Utile». Ankoatra ny vatsy mahazatra dia nampiakatra antsokosoko andevo sahabo ho 160 i Jean de Lafargue, kapitenin-tsambo. Nisafidy lalana avaratra kokoa noho ny mahazatra ny tantsambo izy, fa tsy avy hatrany dia nihazo ny île de France (nosy Maorisy ankehitriny). Ny 31 jolay 1761, tamin’ny folo alina, no rendrika teo amin’ny harandriakan’ilay nosy kely nantsoina hoe «île de sable», efa-jato kilometatra miala an’i Madagasikara, ilay sambo nitondra ireo olona ireo. Valoambinifolo ny Vazaha no maty, roambifitopolo ny Gasy no namoy ny ainy : betsaka maty satria voahidy anaty lakaly ka raha tsy vaky ny sambo, tsy afaka nanavo-tena. Rehefa tafakatra an-tanety ireo sisa tsy maty dia mbola maro tamin’ireo andevo no matin’ny hetaheta : tao anatin’ny telo andro voalohany dia am-polony hafa no tsy tana. Nandritra ny 57 andro nanamboaran’ilay sambo kely hafa, nantsoiny hoe «La Providence», asa, firy hafa no mbola nodimandry. Nandao ilay nosy fasika ny 27 septambra 1761, tamin’ny folo ora alina, ireo Frantsay 122. «Silence accablant» no hoe nanatrehan’iretsy Gasy izany fandosirana izany. Fahanginana manome tsiny, asa raha narahin-tody. Tafaverina tao Foulpointe ireto matiloa frantsay ireto, efatra andro avy eo. Verivery saina lasa adaladalamoa ilay Jean de Lafargue ka ny kapiteny lefitra Barthélémy Castellan du Vernet no nandray an-tanana ny zavatra rehetra vao rendrika ny «L’Utile». Nenjehin’ny eritreriny angamba i Castellan du Vernet ka mba nanosika handefasana sambo hanavotana ireo olona nilaozany afovoan-dranomasina. Saingy nolavin’i Antoine-Marie Desforges-Boucher, Governoran’i île de France, ny fangatahany rehetra. Ny 13 septambra 1772, folo taona taorian’ny niverenany tanteraka tany Frantsa dia mbola nanoratra tamin’ny sekreteram-panjakana frantsay izy mba hijerena sao mbola misy velona iretsy olona iretsy. Aogositra 1775 ny (h)andrana voalohany, fa tsy nahomby. Mbola nisy roa hafa ny taona 1776, saingy sarotra atonona mihitsy ilay nosy fasika. Asa, firy tokoa no mbola velona raha tonga dieny 1775 ny mpanavotra. Ahoana koa ny fihetsempo nifandimby nahazo ny teny amorontsiraka : ilay saina efa nionona am-polo-taona, nanantena tampoka indray, vao tena kivy tanteraka. «Ho fahatsiarovana ireo andevo malagasy valopolo mianaka, vaky sambo tamin’i L’utile (31 jolay 1761), ary nilaozana dimiambinifolo taona teto amin’ity nosy haolo ity. Vehivavy fito ary zazakely iray no hany sisa velona, tamin’ny 29 novambra 1776, nahatongavan’i enseigne de vaisseau Jacques Marie de Tromelin izay nahavery anarana ity nosy ity». Toy izay no dika-tenin’izay voarakitra amin’ny takela-bato napetraka any amin’ny nosy-kely Tromelin tamin’ny 16 aprily 2013 : «À la mémoire des 80 esclaves malgaches de L’Utile (31 juillet 1761) qui furent abandonnés durant 15 années sur cette île déserte. Sept femmes et un enfant survécurent et furent secourus le 29 novembre 1776, par l’enseigne de vaisseau Jacques Marie de Tromelin qui donna son nom à l’île». Navelany teo tokoa mantsy ny olona sahabo ho 80. Sakafo mahavita telo volana ary fampanantenana ny fiverenany no nandaozany ireto farany. Dimiambinifolo taona taty aoriana, ny 29 novambra 1776, vao tonga ny sambo «La Dauphine» izay ny «enseigne de vaisseau» Jacques Marie Boudin de Tromelin, seigneur de Lanuguy no komandiny. Nanomboka hatreo moa dia nampitondraina ny anarany, «Tromelin», ity nosy zara raha mirefy 100 hektara ity. Vehivavy fito ary zazakely valo volana : nentina nankany Maorisy izy valo mianaka ireo ary ilay zaza dia raikitra anarana hoe Jacques Moïse amin’ny bokin’ny sora-piankohonana any Maorisy. Izany ve no anaran’io zaza io nomen-dreniny azy fony mbola izy samy izy no tany amin’ny nosy-fasika ? Inoana fa misy taranak’izy valo mianaka ireto any amin’ny nosy Maorisy. Hitohy
Plus récente Plus ancienne