Mety hatolotra ny Fampanoavana ny raharaha fandratrana miaramila aorian'ny Frankôfônia


Tsy mijanona hatreo ilay raharaha nampisaringotra ny polisy monisipaly sy ny miaramila teny Analakely, ny 8 novambra teo, nandritra ny hetsika fanesorana mpivarotra amoron-dalana. Mitohy, hoy ny tompon'andrikitra mandray antanana ny famotorana, ny dingan'ny fanadihadiana rehetra mikasika iny raharaha iny. Tsy nahazoana tatitra sy fampilazana mazava kosa ny momba ny isan' ireo olona natao famotorana, ny zandary avy ao amin'ny vondron-tobim-pileovanan'Antananarivo renivohitra, etsy Ankadilalana. Toy izany ihany koa ny fotoana voafaritra mazava hanolorana ny raharaha eny amin'ny Fampanoavana. «Mety ho aorian'io fivoriamben'ny Frankôfônia io no hanolorana ny raharaha eny amin'ny Fampanoavana », hoy ny mpitandro ny filaminana nanampy fanazavana. Fanesorana mpivarotra amoron-dalana izay vadina miaramila no niteraka ny savorovoro teo amin'ireo samy mpitandro ny filaminana. Samy naratra, tamin'io andro io, ilay mpivarotra sy ny vadiny miaramila. Vetivety dia vory manoloana ny Lapan'ny tanàna Analakely ny miaramila roa kamiao. Nifampidinika teny antoerana ihany koa ny manamboninahitra vitsivitsy sy ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tantara mbola mitohy. Nantenaina Njanahary
Plus récente Plus ancienne