Magazine

Maimaika sy tsy natao haharitra ela ny fanovàna endrika an’Antananarivo

NIHATSARA TAMPOKA TAO ANATIN’NY FOTOANA FOHY MONJA NY RENIVOHITR’I MADAGASIKARA. MADIO NY TANÀNA, VITA NY LALANA FA HANDRAY VAHINY. FOTODRAFITRASA MARO NO NAMBOARINA SY NOHAVAOZINA TAMIN’NY FARITRA MARO ETO AN-DRENIVOHITRA. TOA NATAO VONJIMAIKA IHANY ANEFA IZANY FA TSY NATAO HAHARITRA HO AN’IREO TARANAKA FARA AMAN-DIMBY.

Mahay mandray vahiny i Madagasikara. Voahaja tanteraka ireo vahiny avy any ampitan-dranomasina tonga hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny firenena mampiasa ampahany na manontolo ny teny frantsay na Frankôfônia, andiany faha-16. Tsara fandraisam-bahiny i Madagasikara ka niova tao anatin’  ny indray mipi-maso ny fanatsarana ny tanàna.
Saika nahitam-panavaozana sy fanamboarana avokoa ny fotodrafitrasa rehetra amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Toa tsy hatao ho an’ny Malagasy anefa ireny fa novonjivonjena sy natao haingana sy tandrametaka handraisana ireo vazaha fotsiny ihany. Toa tsara ivelany ihany ny endriky ny tanàna fa ny Malagasy mbola miaina tanteraka ao anatin’ny fahantrana lalina na dia iniana afenina amin’ireo vahiny maro aza. Nanjary maha te honina sy mahatamana ery Antananarivo amin’ny fahadiovana, raha toa ka tanàna nanjakan’ny loto izy teo aloha kely teo. Na izany aza, mbola mikiky ny ankamaroan’ny mponina eto an-drenivohitra ny hanoanana sy ny tsy fisiana na dia mirentirenty sy tsara rafitra aza ny tanàna.

Mpatory an-dalana miafina
Nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo dia nafampana ny fandraofana ny mpangataka sy ny mpandry an-dalana teto an-drenivohitra. Natoby eny amin’ny akany etsy Isotry avokoa ny ankamaroan’izy ireo fa mahamenatra ny vahiny. Na izany aza mbola misy ihany ireo mipetrapetraka eny amoron-dalana eny. “Efa maro be izahay no noterena hiala ety amoron-dalana nefa tsy afaka ny hiala ety mihitsy izahay satria ety no mba fikaramanay. Voatery miafina izahay rehefa alina ny andro mba tsy horaofin’ireo tompon’  andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua). Tsy misakafo izahay raha vao miala ety satria mibatabata entana no asanay ety”, hoy i Avotra, renim-pianakaviana iray mpangataka, etsy Ambodifilao.
Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny akany ipetrahan’ireo mpangataka fa betsaka amin’izy ireo no miala an-daharana tsikelikely ao amin’ny akany noho izy ireo efa zatra ny fiainana eny an-dalana. “145 ireo 4’mi ato amin’ny akany amin’izao fotoana izao ka ny 60 amin’ireo dia ankizy ary 85 ny olon-dehibe avokoa. Amin’ny alina izy ireo no matory eto fa amin’ny antoandro avela mitady. Misy amin’ireo olona ireo anefa no tsy miverina intsony “, hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny akany hametrahana ireo mpangataka sy mpandry an-dalana etsy Isotry, omaly.
Hihetsika ireo mpitarika posy sy sarety
Nisy ny lalàna vaovao momba ny tsy fahazoan’  ny sarety sy ny posiposy mivezivezy intsony eto an-drenivohitra na andro na alina noho izy renivohitr’ i Madagasikara, navoakan’ny Prefektioran’Antananarivo, tamin’ny volana oktobra lasa teo. Toa niniana nampifanandrifiana amin’izao Frankôfonia izao izany lalàna izany sady efa manakaiky ny fotoana vao noventesina sy nodradradradraina. Efa mahatratra 20 mahery ireo posiposy sy sarety naiditra trano fihibohana, nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo, araka ny tatitra avy any amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Cua, omaly. “Tsy maintsy ampiharina amin’izay ny lalàna momba ny fitaterana eto an-drenivohitra, manomboka izao. Tsy azo ekena intsony ny goragora sy ny tsy fanarahan-  dalàna. Avy hatrany dia hampidirina trano
fihibohana ny posiposy sy sarety mbola mifamoivoy eto an-drenivohitra”, hoy i Harson Jean Gabriel, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’ Antananarivo renivohitra.
Etsy an-kilany anefa dia mandrahona hanao fihetsiketsehana ireo mpitondra posy sy sarety satria io no antom-piveloman’izy ireo ka sarotra ny hanafoanana izany. “Tokantrano maro be no velomin’ny mpitarika posy sy sarety. Raha foanana ny asanay dia tsy afaka ny hangalatra mihitsy izahay. Inona no hamelomanay ny vady aman-janakay? Aiza ny vola handoavanay ny hofan-trano? Sa hanamaro isa ireo mpangataka sy mpandry an-dalana izay efa ailikilika ihany koa izahay? Sa hameno isa ireo mpangalatra sy mpangarom-paosy?
Famonoana ny vahoaka madinika fotsiny ihany no ataon’ny
tompon’andriki-panjakana eto. Aiza ve ka herinandro be izao izahay no tsy hiasa nefa tsy hisy fanampiana ho azonay akory amin’io Frankôfônia io. Aza omena tsiny raha mitroatra izahay fa noana”, hoy i Jery, iray amin’ireo mpitarika posy etsy Anosibe.
Ka iza sa inona no harahina? Hanome rariny an’ireo tsy mpanara-dalàna ve? Dia hijery fotsiny sy hamorona tsy an’asa vaovao indray ihany koa ve?
Asa amin’ny maizina
Mbola mitohy ihany ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa maro eto Antananarivo. Misy ireo mbola manohy ny asa ihany amin’ny alina toy ireo mpanoritra lalana, tamin’ny alatsinainy alina teo. Tsy mahagaga raha ahitana fahadisoana sy kitoatoa izy ireny. Mahamenatra ny vahiny ny asa tandrametaka eto Madagasikara misy ireo toa kitoatoa mihitsy raha tsy hilaza afa-tsy ny lalam-baovaon’ny Frankôfônia izay nahitana fihotsahana sahady tamin’ny oram-be voalohany teto Antananarivo tamin’ny septambra lasa teo.
Ankoatra ny lalana sy ny tanànan’ny Frankôfonia dia nahitana fanavaozana sy fanatsarana avokoa ny zaridaina rehetra eto an-drenivohitra raha tsy hilaza afa-tsy ny etsy Paraky hatreny Anosizato. Ny faritra manodidina ny farihin’Anosy ihany koa dia voadio tanteraka.
Mahagaga fa toa tsy mahavita manatsara tanàna sy manangana fotodrafitrasa maro mihitsy i Madagasikara raha tsy handray vahiny. Tsara ny fanadiovana raha tohizana ary mba hisy akony amin’ny vahoaka malagasy rehetra fa tsy atao vonjy tavan’andro hanajana ireo vazaha fotsiny ihany.

Fanomezana Rasolomahery

 

1 commentaire

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter

  • « Tsara ny fanadiovana raha tohizana… » tsy ny mpiasan’ny kaominina na ny mpitondra fanjakana irery ihany no tokony hanohy ny ezaka vita mba hampivoatra sy hanadio ny tanàna fa ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka! Aza ny fitondram-panjakana foana no omen-tsiny, fa isika koa anie ka dia mirefarefa amin’ny tany mihitsy ilay toe-tsaina e! Izay vita, simbaina, izay madio, lotoina, sns… Isika tsy mahay mifanaja, hany ka raha misy vahiny tonga, dia lazaina fa mihatsara-velatsihy hoe miseho mahay mandray vahiny… Kanefa raMalagasy mihitsy no tsy mahay miara-miaina sy miara-monina.