Fifampitifirana adiny roa - Samy lavon'ny bala ilay manamboninahitra miaramila sy dahalo fito


Maty am-perinasa. Efa noenjehina hatrany Miarinarivo ireo dahalo manodidina ny 17 isa nirongo fitao vampiadiana, afak'omaly tontolo. Tamin'izany no nandrasana sy nambenan'ireo mpanaradia tany Mandoto, distrikan'i Betafo azy ireo niaraka tamin' ny omby voaroba. Namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy nandritra ny fanarahan-dia ny lietnà miaramila iray. Diam-bala iray nanandrify ny tratrany no nitarika ny fahafatesany avy hatrany. Dahalo miisa fito ihany koa no lavo, raha ny efatra tamin'izy ireo no mbola hita faty teo amin'ny toerana nisy ny fifandonana. Tamina toerana efa malaza ho mafampana ary tao amin'ny kizon'i Begoavy no nisehoan'ny fifampitifirana. Niara-nifarimbona tamin'ny fanenjehana ny dahalo, rahateo ny zandary sy ny miaramila ary ny fokonolona. Miaramila efatra sy zandary sivy tao Mandoto no nanampy ireo avy any Miarinarivo nanao ny fanakanana. « Ny sabotsy teo, tonga nanafika tao Ambatolampikely Soavinandriana ny dahalo 17. Lasan'izy ireo tamin'izany ny omby manodidina ny 120 isa. Nanao ny fanarahandia izahay ka nampandre ny mpitandro ny filaminana any Mandoto ihany koa mba hanao ny fanakanana. Nisy ny fatin'ireo dahalo tavela. Noentin'ny namany kosa ny sasany izay lavo », hoy ny zandary avy any Miarinarivo. Naharitra ora roa teo ho eo ny fifampitifirana tao anaty haizina sy alalala. Tafaverina tamin'io alina io ihany ny omby halatra, saingy tafaporitsaka ny dahalo sasany. Miaramila avy ao amin'ny kaompanian’ny tafika any Mandoto ity lavo am-perinasa ity. Voalaza fa efa nampiakarina aty an-drenivohitra ary hoentina ao amin'ny toby ny rezimanta miaramila voalohany etsy Analakely, ny vatana mangatsiaka. Hoentina any Antsohihy, toeram-piaviany kosa aorian'izay. Tamina fanarahan-dia ihany, vao tamin'ity taona ity no nisy miaramila iray lavo ihany koa tao amin'io kizo io. Nantenaina Njanahary
Plus récente Plus ancienne