Actualités Social

Efa marary mafy ny ankamaroan’ ireo olona voan’ny diabeta tsaboina

Tsy tra-pitsaboana mialoha ny ankamaroan’ny olona voan’ny
diabeta noho ny tsy fahafantarana fa mitondra ny aretina, araka ny fanazavan’ny mpitsabo momba io aretina io, omaly, tetsy amin’ny ivon-toeram-pitsaboana ny aretina diabeta na Amadia, etsy Faravohitra. «Ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na OMS dia 9 hetsy no Malagasy mitondra ny aretina. Ny 36 000 ihany anefa no mbola voatily tato amin’ny Amadia, hatramin’izao. Olana ny tsy fahafantarana ny fitondrana ny aretina ka rehefa tena voa mafy vao manatona mpitsabo ny ankamaroan’ny olona. Tany amin’ny 10 taona lasa izay dia 20 isam-bolana no tapahina tongotra rehefa tena sarotra ny aretina. Amin’izao fotoana izao kosa efa mihena ny isan’ireo tapahina tongotra», hoy Ramamonjisoa Haja, talen’ny fandidiana eo anivon’ny Amadia.
Hisy ny fitiliana io aretina io maimaim-poana, amin’ny alarobia 30 novambra ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Handray anjara amin’ny hetsika ny orinasa mpivarotra fitaovam-pitsaboana Pharmadiff. Olona 1 500 no kendrena ho vita fitiliana amin’  io fanamarihana ny andron’ny diabeta io eto Antananarivo.
Nanamafy ny mpitsabo fa lafo ny fitsaboana ny aretina indrindra rehefa tena miharatsy ny toe-pahasalaman’ily marary. Mahatratra hatrany amin’ny 3 tapitrisa ariary isan-taona ny teti-bidin’ny fanafody sy ny fitiliana maro atao ho an’ireo olona efa marary mafy. Tsy maintsy mitsabo tena mandra-pahafaty anefa ny marary.
Fanomezana Rasolomahery

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter