Bizina mandeha


Resaka hafa mihitsy ity, ho an'izay tsy mbola mahalala. Misy mpitondra fivavahana avy amin'ny fiangonana zandriny manandra-tena ho « mesia » eto Madagasikara, amin'izao fotoana. Tsy ilay Messi mpilalao baolina kitra malaza tsy akory izy io fa ilay zanak'Andriamanitra mihitsy no ataon'ity olona ity kilalao. Mahavariana ary nahabe resaka teny anivon'ny fiarahamonina sy ny tambajotram-pifandraisan-davitra mihitsy io toe-javatra io. Tsy miafina ary tsy menatra ilay rangahy milaza fa izy no « jesoa kristy » ity. Nitonona ho jiolahy niova fo izy tany am-boalohany, ary nivadika ho apôstoly ary dia izao lasa « mesia » izao mihitsy ankehitriny. Mahavariana fa dia betsaka no voarebirebin'ilay rangahy, ka lasa mandohalika eo anatrehany sy manaraka izay lazainy. Hatramina mpitondra fivavahana tamin'ny fiangonan-dehibe aza dia babony tanteraka. Maro amin'ireo kristianina no tsy faly amin'ny zavatra ataon'ny ity Apôstôly ity saingy vao mainka raisiny ho rehareha izany fanenjehana azy izany. Asa, ny Malagasy tokoa ve no efa marivo salosana sy kely saina sa efa donton'ny fahantrana ka mora rebirebena amin'izao abobo sy angano rehetra izao ? Dia mbola ho toy izao tokoa ve ny Malagasy raha tena eto ny « mesia » sa mety ho ilay mpaminany koa no tsy masina an-taniny!
Plus récente Plus ancienne