Accueil » Onjam-piainana » Fampianarana ambony – Nisokatra ny departemanta misahana ny fizahan-tany
Onjam-piainana

Fampianarana ambony – Nisokatra ny departemanta misahana ny fizahan-tany

Isan’ny mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana maharitra ny fizahan-tany. Izany indrindra no nahatonga ireto mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo nanokatra ny departemanta misahana manokana ny fizahan-tany eny amin’ny oniversiten’An­tananarivo. « Taona maromaro lasa izay, dia nahatsikaritra izahay mpampianatra, eto amin’ny fakiolten’ny teny sy soratra ary ny siantsa maha-olona, fa ilaina ny fanokafana ny departemanta misahana manokana ny fizahan-tany mba hisian’ny fampandrosoana maharitra.  Manana anjara biriky lehibe eo amin’ity farany ny fizahan-tany, na dia eo aza ny lafiny kolontsaina sy ny maha-olona. Izany no nahatonga anay mpampianatra maromaro nanangana ity departemanta ity », hoy Raniriharinosy Harimanana, isan’ireo tompon’andraikitra ao anivon’ity sampam-pampianarana ity, nandritra ny famoahana ireo mpianatra andiany voalohany, omaly, teny Ankatso.
Notolorana ny mari-pahaizany, omaly, ireo andiany voalohany amin’ireo mpianatra mandalina ny fizahan-tany eny anivon’ny Anjerimanon­tolo. Roa taona izay no nisian’ny departemanta misahana manokana ny fizahan-tany ao amin’ny fakiolten’ny teny sy soratra ary ny siantsa maha-olona eny amin’ny oniversiten’An­tananarivo.
Miisa 27 ireo ankizy nahazo ny mari-pahaizana « licence », raha 14  kosa ireo nahazo ny mari-pahaizana « master ». Ho an’ireo haka ny mari-pahaizana « licence » dia tsy maintsy efa nahavita ny taona faharoa avy tany amin’ny sampam-pianarana hafa ary mianatra mandritra ny herintaona vao mahazo  izany mari-pahaizana izany. Toy izany koa ireo te-hahazo ny « master », tsy maintsy nahavita ny taona fahatelo izay vao afaka manaraka ny fiofanana, izay mandritra ny roa taona. Somary sarotsarotra ihany ny fidirana amin’ity sampam-pampianarana ity satria dia tsy maintsy manao fangatahana, mandalo adina an-tsoratra sy am-bava, izay vao afaka manaraka ny lalam-piofanana. « Voafetra ihany ny toerana satria efa manaraka ny rafitra LMD isika eto Madagasikara ka tsy tokony hihoatra ny telopolo ireo mpianatra anaty ny kilasy iray », hoy hatrany izy.

H.R.