Asa tanana - Elo mafy vita eto Madagasikara


Mananika ny faha-telopolo taonany, ankehitriny, ny orinasa Rajoely S.A. Fanta-daza manerana ny Nosy ity orinasa ity. Ny taona 1987 no niorenany. Rajoely Léopold mivady no mpanorina sy mpiandraikitra tao tamin'izany. Maty tamin'ny taona 2007 ny mpanorina, ka ny rahalahiny, Rajoely Solonirina, izay efa niasa nanampy azy tao no lasa tompon'ny orinasa. Niova kely ny anaran'ity farany ka lasa « Rajoely, manufacture et développement sarlu », hatramin'ny nandraisany ny fitantanana. Mampiasa olona manodidina ny roapolo eo ho eo ny orinasa amin'ny andavanandro. Rehefa vanim-potoanan'ny fahavaratra no miakatra kokoa ny filàn'ny olona, hany ka voatery mampitombo isa ireo mpiasa ao aminy ny orinasa. Mahatratra hatrany amin'ny telopolo any ny olona miasa amin'izany. Mahavita mamokatra elo 100 isan'andro ireo mpiasa ary mitombo avo telo heny izany amin'ny fotoanan'ny fahavaratra. Mampiavaka ny elo vitan'ny orinasa Rajoely ny hamafiny, ny hatsaran'ny endrika ivelany ary ny akora fototra hanamboarana izany, ankoatra ny tahony vy, izay tsy misy eto an-toerana. « Efa betsaka ireo olona voasintona hividy elo eto aminay satria leo ny mampiasa ireo elo vita sinoa, izay mora simba sy malemy. Mba hampiavaka ny elonay dia nataonay amin'ny hazo voamboana ny fitazomana azy, ary misy ny anaran'ny orinasanay eo amin'ny fanidiana ny elo », hoy Andrian­tsitohaina Iony Soraya, tale ara-barotra ao amin'ny orinasa. Maro mpanjifa Maro karazana, araka izany, ireo elo vokariny. Manomboka amin'ny 31.800 ariary hatramin'ny 70.000 ariary no vidin'ny elo ao amin'izy ireo. « Ny hatsarany sy ireo haingo isan-karazany atao aminy no mandrefy ny vidiny fa samy tsara avokoa ireo elo vokarinay », hoy hatrany izy. Mizara telo ireo mpanjifa ny elo ao amin'izy ireo. Ny olon-tsotra, ny toeram-pivarotana lehibe, iray eto Anta­nanarivo, ary ireo orinasa, izay matetika manao fanafarana entana. Tsy manakana ny tsirairay hanao ity fanafarana entana ity anefa ny isa ilainy. « Na dia elo iray ihany aza dia azo atao tsara no miteny ny lokony, ny haingo atao aminy sy ny habeny, izay ilain'ny mpanjifa. Ao anatin'ny iray andro ihany dia vita izany raha tsy misy ireo haingo isan-karazany fa maharitra hatramin'ny telo andro kosa raha asiana soratra na sary », hoy izy nanazava. Efa nisy ihany ny fanondranana tany ivelany taloha, saingy noho ny toe-draharaham-pirenena teto amintsika tamin'ny taona 2002, dia tsy maintsy naato izany. Efa mikasa ny hamerina izany kosa ireo tompon'andraikitra ankehitriny. Olana lehibe iray sedrain'ity orinasa ity ny fisolokiana. Helifetra Randriaminovololona
Plus récente Plus ancienne