Kianja Antaninarenina : anao, ahy, antsika


«Fa tsy tanim-panjakana ve teto taloha, ka ahoana no lasa tamboho sy tranon’olona ? » Iza tamintsika no tsy mbola velom-panontaniana tahaka izany. Ny tanim-panjakana antsoina hoe «domaine public» tsy azo amidy. Izay milaza fa afaka mivarotra izany dia mpisoloky. Inty misy tantara. Raha tonga nampahafantatra ny Praiministra Rainilaiarivony ny fifanarahana mangiana nifanaovan’ny Frantsay sy ny Britanika hono Ingahy Le Myre de Vilers, dia notondroin-dRainilaiarivony ny satrok’i Rakoto mpiara-miasa aminy sady nanontany izy hoe : «Raha omeko anao itsy satroka tsy ahy itsy, ho ahoan’ny tompony inona akory moa izany ?» Izany no maha foana avy hatrany, foana tahaka ny tsy nisy, ny varobarotra sandotsandoka tahaka izay nokasain’ny sasany etsy amin’ny zaridain’Antananinarenina. Tsy misy tamingan’olona afaka milaza fa tompon’io toerana io na dia misy aza ankehitriny mitonontena fa nividy aza tamin’ny 5 jiona 1998. «Marché du Zoma», titre n°1540-A, no anaran’io tany io ao amin’ny Bokin’ny Fananantany. Raiki-tadidy ao amin’ny Tantara ny Andriana (lovantsofina nangonin’ilay Jezoita François Callet, izay nitety an’Imerina ny taona 1864 ka hatramin’ny taona 1883) ny mikasika izany tsena Zoma izany, takila 1110 : «Ary dia nanorina trano tao Fiadanana sy Ankadimbahoaka (Radama). Vohitra tsy dia avo loatra no tao ka nareniny Laidama sy nasiana Soanierana ; tsena zomà tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, ary nafindrany Laidama etsy Ambohitsorohitra kosa anaovany ny tranony ao nataony hoe Soa-nierana, nierany Laidama tamin’ny vahoaka». Rehefa tonga ny andron’ny Fanjanahantany dia natao kianja malalaka tsy manakona ny fahitana an’i Faravohitra raha tazanina avy eo amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ny teo ka nantsoina hoe «Place Colbert». Rehefa tafaverina ny Fahaleovantena dia nantsoina hoe «Kianjan’ny Fahaleovantena» kosa. Niamboho Radama taona 1828, tonga teto Gallieni 1896, naverina ny Fahaleovantena 1959 : efa enimpolo taona izany izao, fara-faharatsiny, no iaraha-mahalala, fantam-poko ary hitam-pirenena, tsy nisy nitaky na indray maraina aza, fa «domaine public», kianja iombonana io, ka iza no sahy hijoro handiso izany ? Natsangan’Andrianampoinimerina (niamboho 1810) ny Tsena nandaminana ny teto Imerina. Ny andro Zoma no Tsenan’ny «Voromahery» na Antananarivo. Teo amin’ny Kianjan’Andohalo, izay sady famoriam-bahoaka fikabarian’Andriana no tsena ho an’ny rehetra, izy tamin’ny voalohany vao nafindran’i Nampoina teny Ankadimbahoaka rehefa niitatra ny Tanàna. Iny hitantsika nakisak’i Radama etsy Antaninarenina iny. Dia naidin’ny Frantsay ho etsy Analakely izay very anarana hoe «Anjoma» hatramin’ny taona 1997. Tandra vadin-koditr’Antananarivo raha izany «Anjoma» izany, tahaka ny Rova, tahaka ny Betsimitatatra : ahoana no fomba hamerenana azy, fa tsy ho ilay korontana nanafintohina antony nandravana azy kosa ? Raha azo amidy ny kianjan’Antaninarenina, ho azo amidy koa ny Farihin’Anosy, ho azo amidy hatramin’ny Rova ! «Fa tsy tanim-panjakana ve teto taloha, ka ahoana no lasa tamboho sy tranon’olona ? ». Izaho, ohatra, lehibe tetsy Soanierana. Dimiambiefapolo taona lasa tany, tao atsimon’ny CEG Tsimbazaza dia nisy «amphithéâtre» tahaka ireny fahita any amin’ny Romana ireny. Na tahaka ny etsy Antsahamanitra raha tsorina kokoa ny resaka. Mbola tao io «théâtre de verdure» io hatrany amin’ny taona 1994-95 tany ho any. Efa nanomboka nisy namefifefy ka, raha hitsin-dalana taloha dia tonga teo amin’ny fiangonana katolika Soanierana, nanjary lalan-kely miolikolika. Ankehitriny, tsy haiko raha mbola misy handinganana ao fa rakotra trano. Asa ihany koa, raha mbola ao ambanin’ny fototr’ireo trano ireo ny «gradins» n’izany «théâtre de verdure» fahiny izany. Sehon-javatra iray fotsiny iny. Fa maro no afaka tantaraina. Tetsy Soanierana no talaky ny masoko, fa izay any ambadika rehetra any, ianareo no mahalala. Matoa misy olona sahy mampividy ny zaridaina sy kianja etsy Antaninarenina, misy olona ihany koa tsy menatra mivarotra ny fananam-panjakana iombonana. Ny heloka tahaka itony tokony tsy hidirana fasan-drazana fa atao fandevenana mpamosavy. Fa rehefa tsy taitra isika rehetra, rehefa tsy tezitra, rehefa tsy nibahana, dia voabodo ny tanim-panjakana. Raha hanesotra azy eo, mbola raharaha be, raha tsy hoe sendra ny Fitondrana vonona ara-politika handrava tsotra izao ny geja halatra ary hamerina amin’ny Fanjakana ny fananany. Fa ady amin’ny kolikoly avokoa izany. Ahoana moa Antananarivo hitantsika izao ? Ny eny Ampamarinana mirodana ao Mahamasina. Mahamasina, Manakambahiny, Andrainarivo, tototry ny fotaka. Anosy, Ampefiloha, Analakely, Soarano, Besarety, dibo-drano vao mirotsaka fahaefatradiny ny orana. Ny totohabato mihotsaka, ny lalana mihalavaka, ny fako miavosa. Io Antananarivo mitarain-dava ho tsy manam-bola io anie ka manankarena tany sy trano, tsy eto Antananarivo-Renivohitra ihany fa hatrany Ilafy, Alakamisy-Fenoarivo, Tsiazompaniry. Raha ny tombam-bidin’ireny ho antoka, moa tsy ahafahan’ny Tanàn’Antananarivo manao toy ny olona rehetra ka mindram-bola amin’ny Banky ? Raha ireny tany midadasika ireny no ahavitan’Antana­narivo manamboatra zana-tanàna vaovao ahofa tahaka ny fanaon’ireo mpanao «Lotissement» sy «Resort» ary «Domaine», dia ho ambakan’ny Bonnet, Gaillard, Planton, tamin’ny andron’ny Fanjanahantany ve «Ny arivo lahy tsy maty indray andro» ? Ny eto Antananarivo, etsy Antaninarenina amban’ny mason’izao tontolo izao, aza sahin’ireo, ahoana ny any amin’ny Faritany (Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga, Toliara, Antseranana) sy ny tanàna malaza hafa (Antsirabe, Tolagnaro, Nosy-Be, Sainte-Marie, Morondava) ary indrindra ny tany lavitra Andriana tsy taza-maso. Raha izao no avela hitohy, indray andro any, ny Fanjakana malagasy mihitsy no ho lasa mpanofa amin’ny azy. Dia karazana Gasy inona no mahavanona izao. Mandry ve ny eritreritra manabe zaza sy mitaiza taranaka amin’ny fangalarana ny Fanjakana sy ny mpiray Tanindrazana ? Raha tsy misy ny tody, aleo ihany aloha raharahan’olombelona no aroso : rehefa fantatra sy hita fototra ny «domaine public» rehetra nangalarin’olona dia foanana avy hatrany ary hatrany ifotony izany varotra sandoka izany. Izay nataon’olombelona, ravan’olombelona : aleoko mahita indray «théâtre de verdure» sehatra ho an’ny kanto etsy Soanierana, toy izay trano tsy manaraka akory ny endrika Trano Gasy. «Fa tanim-panjakana mantsy teto taloha».
Plus récente Plus ancienne