Tompon’ny taona telo arivo


Ny zanantsika, afaka CEPE (diplôma ho foanana atsy ho atsy, raha ny vinavina, anefa mba mari-taona amin’ny fitaizana hatrizay no sady mariky ny farafahakeliny tokony ho hay raha hiatrika avy hatrany ny fiainana fa tsy afaka hanohy fianarana), nahazo Brevet, nanala Bacc. Ny sasany efa lasa vakansy. Ny zaza hafa, sahirana, tahaka ireto nifanena tamiko tetsy Amboanjobe, amin’iny lalana mampitohy ny «Resto Gasy» sy «Cinq-Pagodes» champ de tir-nay tamin’ny SNHFAP (service national hors forces armées populaires : nalaindaina tamin’ireny fotoan’andro ireny, raha nanao SN, saingy rehefa tena dinihina amin’ny saina tsy miangatra, misy noraisina, azo notsakoina, entina saintsainina, raha toa ka tena asa no tanjona fa tsy ideôlôjia : ohatran’ny tiako ihany, aty aoriana, raha izaho vao afaka Bacc iny mba afaka nizara fahalalana tamin’ny mpianatra hanala CEPE na BEPC teny Ambohidratrimo-Marovatana, na Ambohimanga-Avaradrano, na Mangamila-Anjozorobe...). Tetsy Amboanjobe, ankizy taona hanala CEPE, na mbola zandriny kely, no manampy ny raimandreniny mitaona biriky (ny tena marina «miloloha», izay fanao tena manimba ny masoko mihitsy satria ohatran’ny hoe adinontsika fa efa noforonin’ny zanak’olombelona ny kodiarana). Ny antsika, ny ankizy, raha tsy mikiraro dia satria mandia tora-pasika amoron-dranomasina. Fa ny azy ireto, faladia no miady amin’ny vatokely sy «goudron». Nanontaniako ny lehibebe taminy hoe firy no biriky tsy maintsy afindra toerana : tsy isaina, hono, ny biriky manta fa izay tonga tsy simba eny am-patana no kaonty sy andraisana karama. Lasa teo ny saiko sy ny kajy : raha ankizy iray, mahavita miloloha biriky enina isaky ny «voyage», impiry moa izany no hivezivezy eo ireo   «Équation à deux inconnues» moa izany sa ahoana fa tsy havanana tamin’ny «mathématiques» mihitsy ny tena vao nahazo BEPC... Ontsa ihany ny tena mahita zaza mitovy taona amin’ny zanaka ao an-trano ka dia lasa nividy «Fanta» aho. Nisy zazakely iray, mbola mihanta ho babena, tsy maintsy nentin-dry zareo nanaraka azy fa angamba tsy misy miandry any an-trano. Niera tamin’ny reniny kosa aloha aho raha afaka manome azy ilay «Fanta». Zaza moa, zaza foana, revo izy nahita ilay rano marevaka an-tavoahangy ka saika kofona raha nisotro haingana loatra... Ireo teo Amboanjobe ireo no teo ambany masoko. Fa any lavitra any, mbola misy zaza sy ankizy hafa. Misy, noho ny zava-misy samy hafa mitranga amin’ny fiainana, tsy fidiny araka ny fiteny, lasa kamboty. Soa anefa fa misy mpiahy. Tsy tanty loatra ny vesatry ny alahelo sy fanantenana mifangaro manitsy anao anatin’ny mason’ireny zaza ireny. Misy olona sahy, mahay, ary mahavatra miatrika izany ho antsika. Tsy manangan-tanana matetika ireo, fa afaka soloim-bava eto. Any koa, hono, ambanivohitry Tsiroanomandidy, sekoly iray izay fantatra fa zanaka dahalo avokoa ny mpianatra ao. Inona moa izany ny fanabezana fahendrena («éducation civique») azon’ny mpampia­natra zaraina aminy maraina, anefa ny alina hitany rainy miomana ndeha handroba na hamono olona, ary miverina mangiran-dratsy miaraka amin’ny remby, omby sy olona babo   Any Anjiro, any Ambalavao, mivoaka an-gazety, ankizy taona haka BEPC hono no taizana hitora-bato ny fiara, hitsikilo izay ho horobana, hanafina an-trano ny entana halatra. Ankizy ho mpifidin’ny demokrasia... Handatsa-bato, hanabe isa. Hanatevin-daharana : saingy ho ny ratsy sa ho ny tsara. Ny soa no fianatra. Raha ny raiamandreny niteraka indray no mampiana-dratsy, sahady ary mihitsy, ny ankizy, ho aiza ity Madagasikara ity...Iza no ho tompon’ny taona telo arivo Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne