Accueil » Onjam-piainana » Fiatrehana fetim-pirenena – Fianakaviana sahirana maro notolorana fanampiana
Onjam-piainana

Fiatrehana fetim-pirenena – Fianakaviana sahirana maro notolorana fanampiana

Nanolotra fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana maro ao anatin’ny boriboritany enina eto an- drenivohitra ny minisiteran’ ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, ny alatsinainy lasa teo. Hitohy mandritra ity herinandro ity ny fizarana, mba ho fanampiana amin’ny fahasahiranana sy mariky ny firaisan- kina amin’ny vanim-potoanan’ny fetim-pirenena, amin’ity faran’ny herinandro ity.
Isan-karazany ny fanampiana natolotra isam-pianakaviana. « Fianakaviana arivo mahery no hisitraka ny fanomezana sy fanampiana toy ny vary 5 kg, tsaramaso 2 kg, savony efatra, labozia, vatomamy sy kilalao ho an’ny ankizy. Omena isaky ny ankohonana izany mba hanamaivanana ny fahasahiranana isan-tokatrano. Na dia kely aza ny fanampiana azo natolotra dia mahasahana kely ny fiainan’ny ankohonana izany », hoy Onitina Realy, minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary fampivoarana ny vehivavy nandritra ny fizarana ireo fanampiana.
Nanazava ny minisitra fa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fokontany no hitsinjara ireo fanomezana ireo ho an’ireo fianakaviana tena sahirana sy marefo. Tsy ny fianakavina sahirana ihany no hisitraka ny fanampiana fa ny zokiolona tezaina any amin’ny akany fitaizana beantitra sy akany fitaizana ankizy sahirana na kamboty, ary ny ivon-toerana voatokana ho an’ireo olona manana fahasembanana ara-batana.

Fanomezana Rasolomahery