Accueil » Onjam-piainana » Asa fivelomana – Mpanao asa tanana matihanina i Ramose
Onjam-piainana

Asa fivelomana – Mpanao asa tanana matihanina i Ramose

Mananika ny efapolo taona izay no nanaovan’ i Ramiarantsoa Jeande Dieu na i Ramose ny asa tanana vita amin’ ny hoditra. 

Manomboka any amin’ ny fanodinana ny akora fototra, ka hatrany amin’ ny fahatomombanany ho azo amidy no asa namelomany ny vady aman-janany.  Izany hoe ilay hoditra vao miala amin’ ilay biby iny no raisiny ary izy no mikarakara izany mba hahazoana kapa na poketra na kiraro. Misy isan-karazany izy ireo, na ho an’ ny lehilahy na ho an’ ny vehivavy. Ny hoditra voay sy ondry ary omby no ampiasainy amin’ izany, fa ny voay no lafo indrindra satria dia amina santimetatra no hivarotana azy ity. Eny amin’ny tsena natokana ho an’ ny mpanao asa tanana na Cenam, eny amin’ ny 67ha no misy azy ireo fa mandritra izao fetin’ ny fahaleovan-tena izao, dia etsy anoloan’ ny lapan’ ny tanàna ry zareo no mivarotra hatramin’ ny sabotsy. Manomboka amin’ ny 25.000ariary no mahazo entana ao aminy.
Efa orinasa kely iray mihitsy ity hiandraiketan-dRamose ity, satria dia manodidina ny folo eo ankehitriny ireo olona miasa manampy azy mba ahafahana mamokatra misimisy kokoa.

Nolovaina tamin’ ny ray aman-dreny
Teo amin’ ny faha dimy amby roapolo taonany no nanombohany ity asa ity, mbola mpitovo izy tamin’ izany.  Azo lazaina fa nolovainy tamin’ ireo ray aman-dreny tany aloha tany izy ity, satria ny raibeny no efa nanao io asa io, ary notohizan’ny dadany ary izao mbola hamelomany ankohonana izao.
Sady nanatontosa io asa io i Ramose no niasa tamin’ny fanjakana ihany koa, saingy noho ny hakelin’ ny karama tany amin’ ity farany dia naleony naroso ny fotoana nisotroan-dronono. Nijanona tsy ho mpiasam-panjakana intsony izy teo amin’ ny faha dimy amby efapolo taonany ary nifototra tamin’ ny fanamboarana ireo kojakoja vita amin’ ny hoditra ireo.

Asa mahavelona
« Tena mahavelona ity asa ity rehefa tena hifotorana. Izany no antony nialako tany amin’ ny fanjakana ka nifantohako tamin’ ity. Nahatafitako ireo zanako dimy mianadahy izy ity», hoy i Ramose. Na dia somary lafo aza ireo entana amidiny ireo dia efa manintona ny malagasy ny hanjifa izany. « Ireo vahiny no tena voasinton’ ireo sady mahasahy mividy lafo. Eo koa anefa ireo malagasy efa mahalala ny zavatra tsara sy misafidy ny vita malagasy », hoy hatrany izy.
Somary misedra olana anefa ity asa ity satria mihamaro ireo olona manondrana hoditra any ivelany ka mananosarotra ny fahitana izany. « Mahita ihany izahay, saingy vidiana lafo ary izay no mahatonga ny fiakaran’ ny vidin’ entana amidinay ihany koa. Mangataka ny fanjakana ihany koa mba ho hentitra amin’ ny fanondranana ireo hoditra eto amintsika », hoy izy nanamafy.

Helifetra Randriaminovololona