Kamboty efa enimpolo taona ny Rova


Satria ny tsy firaharahana Tantara dia mifanindran-dalana amin’ny tsy fahalalana ny Tantara dia aleo ampatsiahivina aloha ny Tantaran’ny Rovan’Antananarivo. Io Rovan’Antananarivo io dia zava-bitan’ny Andriamanjaka nifandimby, mpihavana iray rà, hatramin’Andrianjaka, nanorina an’Antananarivo ny taona 1610. Nifarana ny 28 febroary 1897 izany rehefa nalefan’i Jeneraly Gallieni ho sesitany Ranavalona III, mpanjaka farany avy amin’ny taranak’Andrianjaka. Hatramin’ny naha-Repoblika ny tany, dia lasa fomba fanao ny manakiana ny Manjaka-Andriana anefa ny zava-bitan’ Andriamanjaka no mahaseriny aranty ny mpitsidika sy itondrana ny Vahiny. Tamin’ireny nahamay ny Rova ireny, tsy ny Lapan’ny Andriamanjaka ihany no nitomaniana fa ny Tantara noraiketiny montsana ho lavenona. Mino marimarina aho fa tsy misy tranon’ny Repoblika hampandatsa-dranomaso tahaka izay nitomaniana ny Rova izay. Tsy Lapa fotsiny ny Rova fa Fasan’ Andriana ihany koa. Ny Fitomiandalana no nitahiry ny vovok’ireo Andriamanjaka hatramin’Andrianjaka. Ho fanimbazimbana dia fanahy inian’i Gallieni noloarana sy nafindra toerana ireo Fitomiandalana ireo, tamin’ny 14 marsa 1897. Tao an-atsinanan’i Manjakamiadana ary teo ampototr’andrefan’i Manampisoa no toeran’ny Fitomiandalana tamin’ny Andro Gasy. Rehefa niamboho Radama I (1828), dia nanaovana Fasana manokana, lasa hoe Fasan’ny Lahy rehefa natambatr’i Gallieni tao ny Masina Andrianampoinimerina (niamboho 1810) sy Radama II, izay nanjaka-tapany ary efa nofafana tamin’ny Tantara. Ny Fasan’ny Vavy dia natao tany am-boalohany ho an-dRasoherina (niamboho 1868). Noho ny fahasahiranana raha nananontanona ny ady voalohany tamin’ny Frantsay dia natambatra taminy tao Ranavalona II (niamboho 1882). Ranavalona Reniny (niamboho 1861) dia nisafidy ho afenina teny Ambohimanga saingy nofon­garin’i Gallieni tany ihany koa tamin’ny marsa 1897. Rehefa niamboho an-tsesitany tany Alger Ranavalona III (23 mey 1917) dia nampodiana an-tanindrazana ka nafenina tao amin’ny Fasan’ny Vavy ny 31 oktobra 1938. Rehefa nigadona teo Soarano ny fiara an-dalamby nitondra ny Tranovorona dia vahoaka tsy hita isa no nanemitra ny arabe ary nanaraka nanatitra azy hatreny Anatirova. Tsy misy fisaonana Filohan’ny Repoblika mahazaka antsitrapo olona an-hetsiny tahaka izany. Marihina, araka ny nambaran’i arkeôlôgy Rafolo Andrianaivoarivony (cf. Chronique VANF, La parole aux témoins muets de l’archéologie, 1er avril 2019) fa hita tao amin’ny Fasan’ny Vavy ny razana zazavavy sahabo 8 na 10 taona: nilevina tany amin’ny Rovan’Ilafy izy talohan’ny 1897 ary nokasana handimby an-dRanavalona II. Noho ny atambo tamin’ny 6 novambra 1995, tsy misy intsony ADN ahafahana mahafantatra mazava iza ary zanak’iza izany zaza izany. Tsiambaratelon’ny varo­tsimifody. Ny Tranomasina eny ambony Fasan’ Andriamanjaka, sy ny Tranomanara mitovy rafitra aminy, dia Trano Kotona tanteraka. Ho an’ny velona, dia maro ny Trano Kotona nifandimby tao Anatirova: ny anarana hoe Manjakamiadana na Masoandro, ohatra, dia efa anarana Lapa tany aloha fa noravan’ ny Mpanjaka taty aoriana dia nafindrany tamin’ny Trano vaovao namboariny. Ny taona 1839 no nampanamboaran-dRanavalona I Tranobe hazo ka Jean Laborde no tompomarika tamin’izany. Fony Ranavalona II dia nasainy nofonosin’i James Cameron vato izany Tranobe hazo izany: dia io Manjakamiadana fantatra endrika manerana ny lafivalo io: tilikambo sy kasen’Antananarivo. Ny Lapa Masoandro dia natomboka tamin’ny andron-dRanavalona III ary misy sary ahitana azy ao an-damosin’i Besakana sy ny Fiangonana Tranovato Anatirova, saingy toa natsahatra ny asa. Ny 20 jolay 1869 no nalatsaky ny Mpanjaka Ranavalona II ny vato fehizorony ary notokanana tamin’ny 8 aprily 1880 ny Tranovato Anatirova. Izy izany no trano vaovao farany natsangan’ny Andriamanjaka tao Anatirova. Izao ity ny Repoblika nanangana «Kianja Masoandro» ao Anatirova. Manova tanteraka ny endrika namelan’ny Andriamanjaka ny Rovan‘Antananarivo. Raha ny Tantara no arahina sy hajaina, Andriamanjaka taranak’ Andrianjaka no tompon’ny Hasina amin’ny Rovan’Antananarivo. Saingy. Izao vao taitaitra avokoa. Tahaka ny afo mololo niredareda fony nirehitra ny Rova. Ny tena marina, efa enimplo taona ny tsy firaharahana ny Kolontsaina. Ny Mpanjanatany aza saro-piaro kokoa niaro ny Vakoka noho ny Repoblika hatramin’ny 1960. Raha tsy izany ve dia ho may Besakana, Mahitsielafanjaka, Tranovola, Manjakamiadana, Manampisoa? Raha tsy izany ho may ny Rovan’Ambohi­dratrimo? Raha tsy izany ho may ny fasan’Andrian­tompokoindrindra? Raha tsy izany trano haolo efa hikoro ny tranon-dRainilaiarivony etsy Amboditsiry? Raha tsy izany ho may Andafiavaratra (11 septambra 1976) ? Izao vao sebiseby hoe Nahoana. Efa 25 taona aho mitanisa Tantara: lazaina fa ilaozan’ny toetr’andro; 25 taona miandrandra Renisoratra sy tetibola ho an’ny Kolontsaina: zavatra hafa no naharevo; 25 taona aho no mitaraina mahita ny Trano Gasy simba­simbain’ny tompony: tsy misy miraharaha. Trano Gasy tsirairay azera na tovatovanana fahatany anefa dia ny endrik’Antananarivo hatramin’ny 1864 (sy ilay trano voalohany nomen’i James Cameron an’io endrika io) no kosehina. Ny Rova dia Fasan’Andriana sy Lapa. Hatramin’izao anefa mbola misy miteniteny foana hoe «Rovan’i Manjakamiadana». Endriky ny tsy fanajana ny Kolontsaina hatramin’izay ihany koa izany. Ao an-tsain’ny tsirairay mantsy no hadivory voalohany fiarovana ny Kolontsaina.
Plus récente Plus ancienne