Atrehi-tsy hanao, iamboho-hivadi-dela


Hifidy Depiote indray ianareo. Mbola misy io andrim-panjakana io na dia mampametra-panontaniana fatratra aza ny fisiany tsotra izao. Ny asa maha mpanao Lalàna ny Antenimiera dia tsy hita loatra fa ny fandrangitana «empêchement» ary ny fipasohana arahan-tsipitsipy no mampalaza loatra ny ao Tsimbazaza ao. Rehefa tsy izany dia ny fitakiana tombontsoa manokana maro isan-karazany anefa tsy hita marina, hatreto, izay tena toerana misy ny Antenimiera manoloana ny Governemanta ankilany, ary anatrehan’ny vahoaka andaniny. Mbola misy Hasina ve ilay asa ? Fantatr’izay mikatsaka ilay toerana ve ny andrasana aminy ary ny tsy tokony hitsabahany velively ? Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina (nanjaka 1785-1810) dia nisy fandaharana an-tanan-tohatra napetraka mba tsy ho am-baranahiny ny Fanjakana hoy izy. Ny Vadintany izany. «Ny trano roa mahefa, ny trano telo mahavita. Ka raha tsy vitan’ireo dia entina amin’ny fokonolona, dia entina amin’ny andriana mitoetra am-bodivona, raha adin’ny menakeliny (...) Raha tsy vitan’ny fokonolona sy ny tompombodivona, dia ento amin’ny Vadintany any ambony (...) Ary raha tsy vitan’ireo Vadintany dia entin’ny Vadintany hankao amin’ny lapako». «Raha misy alahelonareo, indreo ireo Vadintany ireo, fa eto Ambatondrafandrana no ilaharana sy eo Ambatorangotina, fa izaho Ambohimanga sy Antananarivo : tsy azonareo atao lapa marivo aho, asiako toniany hivantananareo (...) tsy azo tsabahina aho, fa raha misy teny dia entinareo Vadintany aty amiko». Teo Antsahatsiroa no nifantenana azy ireo ka nomeny solon’anarana koa hoe «Famantanana». Ary hoy Andrianampoinimerina : «Ianareo no ataoko mahatoky tahaka ny tenako, iamboho-mahefa ianareo, ary atrehi-mahavita». Dia nampively rano sy nampisotro vokaka ary nampilefona omby teo Andranomalahelo, farihy ambodin’Antsahatsiroa, Andrianampoinimerina (Tantaran’Ny Andriana, takila 818-819). Mba hampisy Hasina kokoa ilay andraikitra sao tokony hanao fianianana (solon’ny velirano, sotro vokaka ary lefonomby) ihany koa ny Depiote ? Manaraka izany : hain’izay hilatsaka Depiote ve ny anjara andraikiny ao anatin’ny Lalam-panorenana ? Fantatr’ireo izay handeha hifidy an-dRanona na Ranona ve ny fetran’ny fahefaha-manao an’izany Depiote izany ? Tsy mpanamboatra lalana ny Depiote, tsy mpanome rano madio, tsy mpampiditra jiro, tsy mpamahana sakafo, tsy mpamatsy vola. Tsy Colas ny Depiote, tsy JIRAMA, tsy «Vary Mora», tsy «Tsaky Pop», tsy Banky. Saingy, raha misy halatra tanim-panjakana, izay vaky bantsilana ankehitriny ; raha misy fanodikodinana volam-bahoaka, izay mampiteny ny moana ; raha misy fanararaotam-pahefana, izay nojerem-potsiny hatramin’izay : anjarany kosa no mitaky «Vaomiera Mpanao Famotorana» hampanantsoana ny tompon’andraikitra rehetra hitondra fanazavana ampahibemaso. Ka na Ministra, eny fa na Depiote namany aza, no voarohirohy, dia hifanetrahana ny «fanadinana hentitra». Raha misy tolo-dalàna, hita fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, anjaran’ny Antenimiera ihany koa no mitsipaka fa tsy manao tsangan-tanana an-jambany fotsiny tahaka ny nanafoanana ny fanamelohana ho faty anefa dia misy jiolahy tsy mendrika ny ho velona intsony mihitsy raha ny habibiana tsy misy maha olona nafitsony. Raha misy ihany koa volavolan-dalàna hanatsarana ny fiaraha-monina, anjaran’ny Depiote ihany koa no manolotra izany. Ohatra, ny fanalalahana ny fanalana zaza satria safidy ny te hitondra vohoka na tsia anefa dia voatery manala zaza antsokosoko ary amin’ny fomba tsy lavorary ny vehivavy maro. Ohatra ihany koa ny fanovana ny lalan’ny Fanambadiana sy ny Fisaraham-panambadiana : olon-dehibe roa no nivady tsy niera tamin’iza na iza, olon-dehibe roa ihany no koa tokony hifanaraka amin’izay tiany hisarahana tsy misy romoromo fa tsy voatery hifampitarika eny amin’ny Tribonaly. Inoako marimarina, eny fa na dia harangaranga aza fa «ny teny malagasy no tenim-pirenena», fa tsy misy mahavita mamaky ny Lalam-panorenana rehetra hatramin’izay amin’ny teny malagasy. Lalàna Fehizoro, Didy Hitsivolana, Volavolan-dalàna, Tolo-dalàna, Fehezan-dalàna, Lalàna Drafitr’asa... Ny lalàna no mametra ny fitsipika mikasika ny zon’ny olom-pirenena sy ny antoka fototra nomena ny tsirairay sy ny vondron’olona ; ny fifandraisana amin’ny firenen-kafa ; ny zom-pirenena sy ny pasipaoro ; ny fivezivezen’ny olona ; ny fandaminana ny fianakaviana, ny sata sy ny fizakan-jon’ny isam-batan’olona, ny fehin’ny fanambadiana, ny fandovana sy ny fanomezana ; etsetra etsetra. Ny lalàna no mamaritra ny foto-kevitra ankapobe mikasika ny famindrana ny fananan’ny orinasam-panjakana na antokon-draharaha miankina amin’ny Fanjakana amin’ny olon-tsotra na ny mifamadika amin’izany ; ny fiarovana ny tontolo iainana ; sy ny sisa sy ny sisa. Ny lalàna no mametra ny sata manokana itantanana ny Renivohitry ny Repoblika, ireo Lapam-panjakana sy ireo trano hafa anisan’ny fananam-panjakana natokana ampiasaina ho an’ny vahoaka ; etsetra etsetra. Varotr’omby anaty ambiaty ihany izao fifidianana izao, sy izay maro efa nialoha azy, raha samy kamo nandinika ireo rehetra ireo ny kandidà sy ny mpifidy. Sao ny «Référendum» hanovana tanteraka ny Lalam-panorenena ary no tokony nirosoana avy hatrany ?
Plus récente Plus ancienne