Lany Ialahy


Halako ny mamaky gazety ampitson’ny fifidianana. Satria mbola tsy fantatra ny vokatra feno, manerana ny Nosy, dia efa samy mitanisa Fandresena amin’ny ampaham-bato vitsy dia vitsy. Halako satria mambosy diso ny Vahoaka. Ny maro amin’ny Gazety mivoaka isanandro ankehitriny, tsy tahaka ny «Lakroa» na «Maresaka» taloha, izay soratra aloha vao sary. Ny gazety maro mivoaka eto Antananarivo, lohateny lehibe, faran’izay lehibe, no mibahana sy manintona avy hatrany ny olona tsy manana ny vola akory hividianana gazety. Dia mihinana tokoa amam-bolony : sary iray, teny dimy, tsy hahafehy na oviana na oviana ny fanontaniana «W» tsy maintsy omem-baliny ho vakiana : Iza, Inona, Aiza, Oviana, Nahoana. Izay no fanaovan-gazety. Tsy ampy iray monja ireo, dia efa fanomanan-dainga. Soratam-poana fahatany ny «baikom-pitolomana». Mbola asa an-gazety ve izany sa efa dokam-pitolomana ? «Ianao Lehibe no tsara indrindra», «Ianao Lehibe no mahay indrindra», «Ianao Lehibe no mpanandevo saina ekanay indrindra». Halako satria mamerina ny fomba nampitondra faisana ny firenena tamin’ny 2002. Ny Komity miaro ny safidim-bahoaka tamin’izany fotoana izany dia nitsangana ho «Ministeran’ny Ati-Tany» faharoa. Very hasina tanteraka mantsy ny «Ministera» ofisialy, mailaka hampandresy ny amperinasa. Tamin’ny 2002, raha mbola lany andro manao kajikajy sy tetika ny «Ministera» ofisialy, ny KMSB efa nampiakatra ny vokatra avy any amin’ny faritra izay nolazaina hatrany hatrany hoe «Tany lavitra Andriana». Dimy Arivo sy Roa Alina ny biraom-pifidianana, izao taona 2018 izao. Raha ny tokony ho izy, raha tsy nafafy tamin’ny tsy misy fotony sy tsy misy antony ny volam-panjakana, ny alin’ny androm-pifidianana dia tokony efa fantatra ny vokatra rehetra manerana ny Nosy. Io ilay «informatika-nomerika-biometrika» iadiantsika. Fantatra avy hatrany firy isika Malagasy. Fantatra avy hatrany firy no teraka androany. Fantatra avy hatrany firy no maty androany. Fantatra avy hatrany Ranona nifindra monina. Fantatra avy hatrany ny Mponina isam-paritra sy isam-poko. Fantatra avy hatrany ny isan’ny mpifidy. Fantatra avy hatrany ny voka-pifidianana. Raha izay «informatika-nomerika-biometrika» izay no tanteraka tsy afaka hamboly ahiahy tsy ihavanana ny sasany. Ka dehaka hitanisa fandresena feno amin’ny vokatra ampahany. Tapa-bolana io, mbola ho ampahany ihany, satria tsy napetraka ny «informatika-nomerika-biometrika». Tamin’ny 2002 moa dia sahin’ny KMF-CNOE no nanambara fa «Premier Tour dia Vita» tamin’ny ampahatelon’ny vokatra voaray. Nanimba ny sain’ny vahoaka mbola maro loatra tsy mahay na tsy vonona handanjalanja. Mianatra isika. Mbola mianatra, demokrasia. Tsy izao fifidianana izao, tontosa anatin’ny ahiahy mikasika ny maty manana kara-pifidianana sy ny velona sasany manana kara-pifidianana telo na efatra, no hamboly fifampitokisana. Firy ny Gasy ? Na izay tarehi-marika izay aza tsy fantatra hatramin’ny taona 1993. Tsy fantatra firy izahay, fa ilay ho Filoha eo, «Lany ialahy».
Plus récente Plus ancienne