Accueil » Chronique » Sombin-tantaran’ Andriamahazonoro (1773-1828)
Chronique

Sombin-tantaran’ Andriamahazonoro (1773-1828)

Anarana nanana ny lazany, saingy mety ho vitsy mahalala ankehitriny, ny anaran’Andriamahazonoro, ilay Anakara isan’ireo Antemoro nafaran’Andrianampoini­merina avy any Matitanana, ka tonga teto Imerina tamin’ny taona 1802. Noho ny soa vitan’izy mirahalahy, Andriamahazonoro sy Ratsilikaina zokiny, dia naiditr’ Andrianampoinimerina ho isan’ny Andriamasinavalona izy, ka izany no ambaran’ny tranomanara eo ambonin’ny Fasana etsy Ankadivato izay naorin-dRaharolahy, zanak’Andriamahazonoro. Andriamahazonoro no naman-dRatefinanahary, vinanton’Andrianampoinimerina, nitondra ireo sivy mirahalahy hianatra tany Englanda tamin’ny 1821. Ratsilikaina kosa, ilay zokin’Andriamahazonoro, dia isan’ireo nanao sonia ny fifanarahana tamin’ny Farquhar sy Radama, ny 23 oktobra 1817.

Raharolahy, lahimatoan’ Andriamahazonoro sy Rafaravavy, dia tanatin’ny iraka notarihin’Andriantsitohaina nalefan-dRanavalona handamin-draharaha tany Englanda ny taona 1837, rehefa niala teto ny Misionera LMS roa taona nialoha izany. Izy ihany koa no nisantatra ny lanonana fanamasinana an-dRasoherina teo amin’ny kianja Andohalo tamin’ny 1863. Nanambady vehivavy Andriandranando Andriamahazonoro ary razamben’ny Andriana maro fanta-daza eto Imerina. Ho fizarana, fanohizana izay efa nataon’ny tany aloha, indro sombiny amin’ ny tantaran’Andriamahazonoro, araka izay nampisehoan’ny Gazety Maresaka azy isan-kerinandro, nanomboka ny 11 jolay 1980 ka hatramin’ny 24 oktobra 1980. Tantara nalaina tamin’ny «Fandràka», izay nipetraka tao amin’ny Tranomanara teo Ankadivato : tsara tahiry tao hatramin’ny taona 1868 nahavitana ny fasana ka hatramin’ny 1913 nahitany indray ny masoandro. Izao no teny farany ho an-dRaharolahy, ao amin’io Fandràka nosoratan’Andriamahazonoro io (taona 1828) : «Anaka, lehilahy ianao, koa misehoa ho tena lehilahy dieny izao. Hendre tsara ary mazotoa mianatra.

Tratraro izay faritra mety ho azon’ny zana-bahoaka. Raha azo atao, aza miditra amin’ny raharaham-panjakana ary aza dia mampiseho na fahaizana na fahendrena be loatra amin’izay Andriamanjaka tompoina. Tsarovy lalandava fa Antemoro Anakara avy any Matitanana isika. Tano fa aza sarahina amin’izay foko mahery sy hendry noho izy ny fokontsika. Maneke lalàna ary mankatoava lehibe. Tiavo ny havan-drehetra. Misy zandrinao any Vatomasina, Matitanana, ka atsangano ho zanaka, fa aza avela ho faty maso ny fianakaviana any ambany. Zarao roa izay herin’ny tenanao ka omeo azy izay mendrika azy. Hajao ny Fandràka ary ataovy fantatra izay ao anatiny.

Tiavo ny zava-drehetra. Ento izahay, ento midina fa aza avela mandrakizay atý Imerina». Amin’ny faramparan’ny Fandràka nosoratan’ Andriamahazonoro, dia mitantara ihany koa ny resaka nataon-dRatsilikaina : «Nandre aho fa tsy salama ny mpanjaka. Nanaitra ny fieritreretako izany, koa dia tonga aho mba hiresadresaka sy hifampidinidinika isika mirahalahy. Andro roa samy lehibe avy izao no hitantsika mirahalahy teto Imerina, dia ny an’Andrianampoinimerina izay fantatsika ny fiafarany sy izao an-janany izao. Andro samy hafa ireo, samy hafa noho ny toetr’izy ireo samy hafa. Izao isika dia amin’ny andron-dRadama izay madiva hifarana, dia Radama izay diso hanta teo imason-drainy fa efa fantatra tamin’ny fahavelon-drainy ny toe-tsainy. Ahirato ny masom-panahinao ka todiho ny andro lasa. Ny saina mandinika dia efa mahatazana sahady izay loza mety hitranga haterak’izany fahafatesana tampotampoka izany, izay tsy maintsy hitambesatra amin’ny manodidina, tsy ny havany ihany fa ny sakaizan-dRadama koa. Koa dia manahy aho ny momba antsika mirahalahy izay nieren-doza tsy satry tamin’ny lasa». Fa efa hoy Ratsilikaina ao amin’ny sorany ao amin’ny bokiny (taona 1810) : «Teren-doza lehibe ny andro rehetra hipetrahanay eto Imerina hatramin’izao, na ny havan’ny mpanjaka amin’izay fotoana maha diso fanantenana azy, na ireo andaniny tsy mankasitraka an-dRadama dia samy mahatahotra anay avokoa, fa izay iray amin’ireo tsy maintsy mamely».

Io taona 1810 io, rehefa nisy namono moa ny Antemoro telolahy niara-niakatra Antananarivo taminy, dia hoy Ratsilikaina tamin’Andriamahazonoro zandriny : «Aleoko mangina, manaja tena ho fanajana azy. Fa averiko indray fa foana tanteraka ilay fikasana hody an-tanindrazana teo, satria tsy afaka mihitsy hifanatri-maso amin’izy rehetra aho, fa mba menatra olona, hataony ho mpamono olona, mpamono rahalahy, mpamadika. Noho izany hotaperiko eto Imerina avokoa ny androko sisa rehetra, ka hilatsaka ho Ambaniandro aho. Asa izay ao an-tsainao, fa ianao dia efa nanomana ny hoavinao ?… Fa na oviana na oviana tsy mety ho afa-tsiny eo imason’izy rehetra isika na hilaza fahazato faharivo aza. Sady tsy misy izay hambara aminy ho fialan-tsiny fa ny mpamono dia tsy fantatra hatramin’izao». Na ireo mpitsikilo Antemoro niakatra taty Imerina aza dia rikoriko tamin’ny valifaty nataon-dRadama izany famonoana izany : fa maro tamin’ny Zanakandriana sy ny Havanandriana no novonoina ho faty.

Valo ambin’ny folo taona taty aoriana, rehefa nanjaka Ranavalona, dia maty ihany koa Ratsilikaina sy Andriamahazonoro. Mbola enina amby telopolo taona taty aoriana indray, rehefa noraisin-dRasoherina tao Anatirova Inakavola, anabavin-dRatsilikaina sy Andriamahazonoro faravavy, vao nisy teny nanala. «Indreo eo ianareo mianaka, tsy hampisehoan-java-mahagaga akory na hotoloran-java-tsarobidy no niantsoana anareo, fa tiako handre mivantana avy amiko izay be ato am-poko. Fa ato Anatirova, mipetraka ao amin’ny taratasim-panjakana dia ahitana ny hoe : « raha misy tokony hotiavina sy hovalian-tsoa dia aza hadinoina izay faramandimbin’izy mirahalahy. Teny napetrak’i Radama io. Eny mampalahelo ny toe-javatra niseho fahizany, samy iarahantsika mahalala. Sakaiza mahatokin-dRadama Andriamahazonoro izay namoy ny ainy noho ny tany sy ny fanjakana izay ny tenako no nametrahany azy. Koa faly dia faly aho, ry Ineny, mahita anareo mianaka tonga eto Imerina, tany nohasoavin’izy mirahalahy, anadahinao, nanaovany ny ainy tsy ho zavatra, nametrahany ny fahaizana sy fomba tsara arahina. Manolotra ireto ho anareo aho, amin’ny anaran’Imerina enin-toko sy ny fanjakako (Vola Ariary zato sy lamba sy akanjo ary vary sy akoho amam-borona).

Ivelan’ireo, ry Ineny, lazao raha misy tokony hahafaly ny fonao amin’izao ahatongavanao eto izao». Hoy kosa Inakovola namaly an-dRasoherina : «Misaotra ry mpanjaka, misaotra an’Imerina manontolo, misaotra anareo rehetra, fa ireo rehetra ireo dia tsy havelako hokasihin’ireo zafikeliko fa hoentiko any Matitanana ho hitan’ny Anakara manontolo sy mba hahafantarany fa samy hafa ny omaly sy anio».

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter