Zara-fa-vita sy zara-aza-misy


Resy lahatra avokoa isika fa tsy tomombana ny fikarakarana ny fihodinana voalohany. Fantatra efa hatry ny ela ny antony : tsy tomombana hatramin’izay ny sora-piankohonana, tsy tomombana hatramin’izay ny lisi-pokontany, tsy tomombana hatramin’izay ny lisi-pifidianana. Misy tapaka sy namana ary havana efa maty, mbola omena fanamarinam-pahavelomana ary mbola mahazo kara-pifidianana, tsy iray akory aza fa roa. Misy olona efa nanambady, niala teo amin’ny raiamandreniny, nanao fifindra-monina ara-dalàna, mbola misoratra amin’ny Fokontany roa ka dia mahazo fanamarinam-ponenana araka izay. Manginy fotsiny ny fandisoana ny anaran’olona ka ny litera iray latsaka na mifamadika no mampandany fotoana sy fananana eny amin’ny Fitsarana hanaovana didy fanitsiana, izay mbola mangataka andro hiverimberenana indroa, intelo. Aza mba amin’izao Sora-piankohonana kitoatoa izao no tsy maintsy manao «Fanamarinana ho Mpandova» fa raharaha : savaina ambony ambany ny taratasy efa rovidrovitra anaty boky tsizarizary voatery nakarina avy anaty baoritra tranom-bovoka. Ilay taona indrindra, ilay anarana mihitsy, no tahaka ny nisy nanao fanahy iniana ka rovitra, na mitankosina tsy hay vakiana, na hotsaky ny rano fa mitete ny tafo... Madagasikara. Resaka fotsiny io «Fanamarinana» isan-karazany io eny amin’ny Fokontany : tsy fantatra akory ny tena mponina, tsy mbola voafafa ny maty, tsy voasoratra ny tera-bao. Eny amin’ny Firaisampokontany, ny anarana mety ho marina ihany, fa ny fanampin’anarana mety ho an’ny mpiray tam-po. Na olon-kafa mihitsy fa ny anarana moa tanim-boanjo. Anefa izay aleha rehetra ara-panjakana dia mitaky ireny «Fanamarinana» tsy marina ireny avokoa : ny taratasy «pelure» mitondra azy aloha dia efa manify dia manify ka tsy mampatoky ; ny mba tombo-kase nampanamboarina tetsy amin’ny totohabato ; ny mpanao sonia tsy nijery akory ny soratra fototra fa nihanina tamin’ilay dika mitovy no nalain-tahaka... Madagasikara. Ny fanisam-bahoaka rahateo dia tamin’ny 1993 ny farany ary tamin’ity taona 2018 vao tsaroana tampoka fa ilaina amin’ny fitantanana, fandaminana, fandrindrana, ny fahafahantarana tsotra hoe «Firy marina isika Gasy ?». Raha tsy fantatra akory firy ny Gasy, ahoana moa ahasahiana hilaza firy ny mpifidy ! Fa dia nekena hatrany hatrany izany kitoatoa izany : sitrany ahay, efa mety io e, aza manasaro-javatra nama a... Enimpolo taona lasa izay no natao ilay fitsapankevibahoaka nandraisan’ny Gasy anjara voalohany : «Eny sa Tsia, hijanona Communauté sa handeha Repoblika manokana»... Enimpolo taona izao Sora-piankohanana zara-fa-vita sy izao Lisi-pifidianana zara-aza-misy izao no nikarakarana fifidianana teto. Dia samy mody gaga daholo hoe tsy voasoratra mihitsy, voasoratra fa Fokontany hafa, tsy nahazo karatra, nahazo karatra diso, nahazo karatra roa i Dadabe efa lasan-ko vovoka... Izany sy izany ary ny lesoka. «Fantatra» ny vahaolana ka «Hay ve», «Vita ve» ? Tsy maintsy atao infôrmatika-nomerika-elektrônika ny taratasy rehetra. Vao teraka ny zaza Gasy iray, dia mahazo laharana, manaraka azy mandra-pahafatiny : na any an-tsekoly, na ara-miaramila, na any am-piangonana, na am-panambadiana, na an-kisarahana. Izany no tena Kara-panondro : tokana, vadin-koditra, mandra-maty. Ry Ravalomanana sy Rajoelina : iaraha-mahalala ny pasopasoka daomy nandraisanareo roalahy mianaka anjara teto, ka nahatonga ny fihafahafana tamin’ny Ministeran’ny Atitany, nananganana itony CENI itony, dika-tahaka anjambany izay nosantarina tatsy Afrika ; iaraha-mahalala ihany koa hoe ny vola manana ny lalany na dia nanampin-tsompitra aza ny PNUD sy ny UE ; iaraha-mahalala rahateo, hitampoko, hitampirenena, ny vola samy manana fa ny isany tsy mitovy ampelatananareo ; maninona, mba tsy hisian’ny ahiahy tsy hihavanana manimba firenena, raha mametraka kely avy ianareo hanaovana haingana io infôrmatika-nomerika-elektrônika io ? Ka ny maty tsy hitsangana intsony hisavika kara-pifidianana roa ; ny fanampinan’anaran-dRasoa tsy ho lasan-dRazay na dia nifanapa-tsinay kibo tsy omby aza izy mirahavavy ; ny isan’ny mpifidy tsy hihena am-pitoerana ato, hahazo aina tsy fidiny aroa ; indrindra, ny valim-pifidianana, isaky ny birao fandatsahambato, ho fantatra avy hatrany, eo noho eo, manerana ny Nosy. Ary indrindra indrindra, ny vokatra feno tsy hiadian-kevitra, tsy hananganana ady, tsy hambolena korontan-drotaka, ho atao ren-tany ren-danitra iny alin’iny ihany. SORATRA AFARA : infôrmatika-nomerika-elektrônika, efa miketrika izay handikana izany amin’ny teny gasy...sa efa mahazatra raiki-tampisaka ?
Plus récente Plus ancienne